The Global Voices Lingua project hopes to bring GV content to new linguistic audiences - Details

Also in:

Japan Tahiry Firenena

RSS ho an i Japan

2009-11-06

Japana: Rehefa tsy salama ramatoa vadinao

Rehefa mifandona ny kolontsaina Japonein'ny “vahoakan'ny orinasa” (社蓄 shachiku) sy ny soatoavina ary ny lanjan'ny fanambadiana - maherin'ny 300 no olona namaly an'ity fanontaniana ity tao amin'ilay "forum"  goavana Hatsugen Komachi: Tokony hijanona tsy hiasa ve ny lehilahy rehefa marary ny vadiny? Tranga Nivady nandritra ny 8 taona i Rina ary manan-janaka ...

2009-10-25

Japana: ravan'ny antontan'isa farany ny anganon'ny fandrosoana

Japoney iray amin'ny enina no miaina ao anatin'ny fahantrana araka ny tatitra [teny anglisy] navoakan'ny minisiteran'ny raharaha sosialy. Araka ny antontan'isa navoakan'ny OCDE [en], dia manana ny iray amin'ny tahan'ny fahantrana ambony indrindra amin'ny tany mandroso i Japana ka fahaefatra aorian'i Meksika, Torkia ary i Etazonia. Tao amin'ny Flickr id: Ushio ...

2009-09-09

Sina sy Japana: Fanehoan-kevitry ny Sinoa mikasika ny fifidianana Japoney

Nandresy tamin'ny vokatra ankapobeny tamin'ny fifidianan'ny 30 Aogositra ny Antoko Demokratikan'i Japan (DPJ), izay namarana ny 50 taona maherin'ny fitondrana tsy ankizaran'ny Antoko Liberaly Demokraty (LDP) nanomboka tamin'ny 1955. Ny fandresen'i Yukio Hatoyama- mpitarika ny DPJ dia noraisina ho toy ny fiandohana vanimpotoana vaovao amin'ny politika  Japoney. Lavitr'izay ho vokatr'izy ...

2009-08-15

Japana: Lany tany Ishikawa ny fandrarana ny kilonga tsy hitondra finday

Sambany, lany tamin'ny 29 jona tao amin'ny prefekitioran'i Ishikawa (500 km/315 maily avaratr'i Tokyo) ny lalàna mametra ny fampiasana finday ho an'ny zaza sy ny kilonga hiditra amin'ny fahatanorana , naresaka tao amin'ny tontolom-bolongana ny adihevitra amin'izay sahaza sy tsy sahaza ny kilonga sy ny resaka fiantsoana finday. Hita ao ...

2009-05-29

Japana: Fitadiavam-bady!

Nanomboka tamin’ny fararanon’ny taona lasa teo, tany Japana, nisy fiteny vaovao indray mandehandeha eny. Tsy inona izany fa ny konkatsu 婚活 (fanafohezana ny kekkon katsudô 結婚活動), nosintonina tamin’ilay fehezanteny malaza shûkatsu (就活 fitadiavan-kasa), afaka adika tsotsotra hoe ‘fitadiavam-bady'. Tsy teny vaovao monja ihany ny Konkatsu Konkatsu fa trangam-piarahamonina nipoitra ...

2009-05-09

Masedonia: Lasa fomba fanao ny fankalazana ny ‘Sakura'

Nankalazaina tany Skopje, any Masedonia, tamin'ny 25 Aprily ny Sakura, fankalazàna isan-taona ny famelanan'ny 'cerisiers' izay fomba fanao any Japana. Somary taraiky kely ihany ny daty nofinidy raha ampitahaina ny tamin’ny taon-dasa satria tsy tian’ny mpandrindra hifanindry amin’ny fankalazàna ny Paska Katolika sy ‘Orthodoxe’ tamin'ny tapa-bolana lasa. Fanaovana ‘Origami’ (kilalao vita ...

2009-02-22

Japana: Fotoan'ny sery indray.

Raha toa mantsy ka ny fitiavana ihany no mba eny ambonin’ny lanitra. Efa miiditra tsikelikely ny lohataona, ary ny manomboka miparitaka eny rehetra eny ny vovom-bony avy amin’ny hazo antsoina hoe Cedre. Nanomboka ho ofisialy toa Japan any Kafunsho (ny sery). Nohesorina ny sokola (chocolat) tsy lany tamin’ny andron’ny mpifankatia mba azahoana mahazo toerana hasiana ireo fitaovana hiatrehana ny Kafunsho toy ny: mosoara, ny aro-tava, ny hanitra mint atete sy ny maro hafa.

2009-02-05

Rosia: Andro iray ho fihetsehana

Nibaliaka ny masoandro teto Mosko ny andron'ny 31 janoary, ambanin'ny  14° Celsius/7° Fahrenheit teo ho eo ny maripàna, nefa na teo aza ny hatsiaka, nahitàna fihetsehana maromaro ho fanoherana ny governemanta ny tanàna - ary fifanjevoana vitsivitsy. Ireto manaraka ireto misy fitantaràna fohy, sary, ampahan-tsary miaina, ary rohy vitsivitsy. LJ drugoi ...

2009-02-02

Japana: Tanora Masina, Jesoa sy Boddha nidina an-tany

Ahoana moa raha midina ety an-tany i Jesoa sy i Boddha mba hitsangatsangana faran'ny herinandro? ary ahoana moa raha miara-mipetraka amina efitrano mora vidy any Tachikawa andrefan'i Tokyo izy ireo? izany no eritreretin'i Hikaru Nakamura (中村光) [jp], tanora Japoney mpanoratra manga, raha miaraka amin'ireo Oniisan Masina (聖☆おにいさん [jp], dika ...