The Global Voices Lingua project hopes to bring GV content to new linguistic audiences - Details

Also in:

Indonesia Tahiry Firenena

RSS ho an i Indonesia

2009-05-31

Indonezia: Fitarainana nidirana am-ponja

Adi-hevitra mamaivay eo amin'ny tontolom-bolongana Indoneziana amin'izao fotoana izao ny raharaha Prita Mulyasari, renim-pianakaviana mananjanaka roa. Nametraka taratasy fitarainana an-tserasera [id] nitory hopitaly mamahantena any Tangerang, iray amin'ny tanàna manodidina an'i Jakarta ny anao vavy, kanjo ankehitriny dia iharan'ny fiampangana nandìka ny lalàna toko faha-27 andininy faha- 3 ...

2009-02-25

Mitsidika any Indonezia i Clinton

Tonga tany Indonezia ny sekreteram-panjakana Amerikana  Hillary Clinton ny Alarobia lasa teo. Nanamafy ny "andraikitr'i Indonezia izy amin'ny fandraisana an-tànana ny olana amin'ny ankapobeny, ao anatin'izany ny fampihorohoroana, ny proteksionisma, ny fiovan'ny toetr'andro ary ny olana ara-toe-karena." Indonezia no firenena silamo lehibe indrindra eran-tany ary fahatelo amin'ny demokrasia malalaka indrindra. Ankoatran'ny ...

2009-01-23

Indonezia: Fanontaniana ho an'i Obama

Bolongana 27 968 no nampiditra ny anarana Obama tany Indonezia tanelanelan'ny 20 sy 21 Janoary. Fanamin'izany, saika nandefa mivantana ny fametrahana tamin'ny fomba ofisialy avokoa ny fahitalavitra tany an-toerana rehetra halina.

2008-12-07

Bangladesh, India: Sary momba ny fiainan'olona serôpôzitifa

Mpanao gazety mpaka sary malaza Bengali Shahidul Alam no manao tamberina ny asan'i Dayanita Singh, mpaka sary Karana iray efa nadrombaka ny amboara tamin'ny fakana sary. Maneho ny "Fiainana serôpôzitifa" mitondra ny tsimok'aretina VIH na “Positive Lives”, fampirantiana ny setriny ataon'ny olona momba ny VIH/SIDA moa izany tamberina izany.

2008-11-30

Andro iadiana amin'ny SIDA manerantany: Ireo mitondra ny tsimok'aretina

Ity taona ity no manamarika ny faha-20 taona ny Andro manerantany iadiana amin'ny SIDA izay tanterahina isaky ny voalohany volana Desambra. Na dia tsapan'ny olona anarivoarivony amin'ny ankapobeny isan'andro aza ny fiantraikan'ny VIH sy ny SIDA dia ity kosa ny andro manokana hamphafantarana bebe kokoa ny amin'ity aretina ity. Ny ...

2008-07-04

Azia AtsimoAtsinanana: Loharanon'angovo fanolo

Noho ny fidangan’ny vidin-tsolika, maro ireo firenena avy any Azia Atsimo-Atsinanana no nanamafy ny ezaka ho fitrandràhana loharanon’angovo hafa ho fanolo. Eny fa na dia ireo firenena mpamokatra solitany toa an’i Malezia, Indonezia sy Brunei aza dia samy mampiasa vola hitrandraka angovo azo avaozina avokoa. Tena andrandraina sy ilaina ny fampiasàna ...

2008-04-18

Vaovao Mafana ,
Voina

Vaovao avy any Indonezia no nanambara fa nakarina ho amin'ny dingana ambony ny filazam-panairana manodidina ny tendrombohitra volkano Papandayan. Miorina 51 km atsimo atsinanan'ny tanàna fahatelo lehibe indrindra any Indonezia dia i Bandung ny volkano nefa misy mponina manodidina ny 3 000 000 eo ho eo ny mponina ao aminy.

2008-02-02

Timor atsinanana : Momba ny fahafatesan’i Suharto

Tamin’ny taona 1975 no nanambaran’i Timor Atsinanana ny fahaleovantenany rehefa nozanahan’i Portiogaly 400 taona. Saingy vao haingana kosa no nahazoany ny fahafahana, noho ny fanafihana sy ny fibodoan’i Indonesia izay nanjaka taminy 24 taona. Tombatombanana ho mihoatra ny 200 000 na ny iray ampahatelon’ny mponina ao an-toerana no maty vokatr’io ...

2007-11-16

Azia Atsimo Atsinanana : Ireo tetezana lava indrindra

Ny mpiblaogy Pisanu monina any Bali, Indonezia dia mitatitra ao amin'ny blaogy Bisean mikasika ireo tetezana lava indrindra any Azia Atsimo Atsinanana : « Southeast Asia is home to some of the world’s longest bridges. In our attempt to speed up economic advancements, bridges also narrowed the gaps of cultural differences between ...