· Mey, 2012

Tantara mikasika ny Indonezia tamin'ny Mey, 2012

Indonezia: Tsy Nomena Alalana Ny Fampisehoan'i Lady Gaga

  17 Mey 2012

Taorian'ny fanerena nataon'ny vondrona politisiana mametraka an'i Lady Gaga ho mpivavaka amin'ny devoly, nanambara ny polisy Indoneziana fa tsy hanome fahazoan-dalana amin'ilay fampisehoana nandrasana fatratra hataon'i Lady Gaga tany Jakarta, ka niteraka fahadisoam-panantenana ny mpankasitraka azy mihoatra ny 50.000.

Indonezia: Lesona Jeografia Ho An'i Justin Bieber

  10 Mey 2012

Teo am-panazavàna ny dingana namoronana ny iray amin'ireo hirany vaovao, dia niteny i Bieber fa noraketina tany aminà "firenena kianjoanjo" izy io. Ilay firenena kianjoanjo eto dia i Indonezia ary dia nahatezitra ireo marobe mpiondana aterineto sy mpankafy azy izany.

Indonezia: Tokony Hampidina Ny Haavon'ny Feon'ny Vavaka Ve Ireo Moske?

  03 Mey 2012

Ireo moske ao Indonezia dia mampiasa fanamafisam-peo avokoa mba hanapariahana ny “adzan” in-dimy isan'andro hampahatsiahivna ny olona hivavaka. Tsy ela akory izay, nangataka ny moske ny Filoha Lefitra mba hampidina ny haavon'ny antso hivavaka mba tsy hanelingelina ny hafa. Niteraka resabe ilay soso-kevitra.