· Avrily, 2011

Tantara mikasika ny Indonezia tamin'ny Avrily, 2011

Manohana Ilay ‘Mpitandro Filaminana Mandihy’ Ny Indoneziana Mpampiasa Aterineto

  17 Avrily 2011

Ny lahatsarina mpitandro filaminana avy any amin'ny faritra, mandihy sy manaraka amin'ny molony ilay feon-kiran'ny hira Indiana any Bollywood dia fankasitrahana tanteraka ny aterineto sy media any Indonezia. Nanasazy ilay mpitandro filaminana ireo manam-pahefana tamin'ny nandraketany ny fihetsiny teo am-pantanterahana ny asany nefa ireo mpampiasa aterineto dia naneho ny fanohanan'izy ireo ilay 'mpitandro filaminana mandihy'.

Indonezia: Nanome baiko ny Minisitra ny hamindrana ny sarivongan'i Bouddha ao Indonezia

  14 Avrily 2011

Lasa nampametra-panontaniana ny finiavan'i Indonezia hampiroborobo ny fifandeferana raha nanome baiko ny minisitry ny Raharaham-bahiny handrava ny sarivongana lehibe bodhista an'ny fiangonana bodhista « Tri Ratna » ao an-tanànan'i Tanjungbalai [@ teny anglisy] andrefan'i Sumatra, satria nitaraina tamin'ny fahatongavany ireo fondamentalista ao an-toerana. Volana maromaro izay, ireo mpitarika finoana sy...

Mikorontana ny baolina kitra any Indonezia

  13 Avrily 2011

Mbola miteraka resabe ny baolina kitra any Indonezia. Voalohany, nisy ny fihetsiketsehana ho fanoherana ny nanendrena an'i Nurdin Halid ho eo amin'ny toeran'ny tompon'andraikitra hitantana ny PSSI ((Fikambanan'ny Baolina Kitra any Indonezia). Avy eo nisy koa ny gidragidra ka voatery najanona ny fihaonam-be an'ny PSSI tany Penkabaru. Fa ny tena...