· Desambra, 2010

Tantara mikasika ny Indonezia tamin'ny Desambra, 2010

Lalao baolina soccer Malezia-Indonezia nivadika ho fifanaovana teny mahery (Taim-bava)

  31 Desambra 2010

Malezia sy Indonezia no ekipa roa tonga tamin'ny famaranana ny lalao fiadina izay ho tompon-dakan'ny Asean Football Federation Suzuki Cup. Tenifototra roa no namadika azy ity ho lasa lohahevitra teo anivon'ny vohikala, ‘Hate Malaysia’ sy ‘#loveindonesia’ satria naneho ny tsy fahafaliany tamin'ny faharesen'ny tarika notohanany tamin'ny lalao fihodinana voalohany ireo Indoneziana mponin'ny aterineto

Wikileaks, Thaileaks, Indoleaks, Pinoyleaks

  29 Desambra 2010

Misy dikamitovy (clones) nalaina avy amin'ny Wikileaks any Azia Atsimo Atsinanana: Thaileaks avy ao Thailand, Indoleaks ao Indonesia ary PinoyLeaks avy any Philippines. Ireo vohikala ireo dia natsangana : novelomina indray tamin'ity volana ity ho fanohanana ny asa natomboky ny Wikileaks ary hamoahana ny antontan-taratasy tsiambaratelon'ny governemanta any amin'ny fireneny tsirairay avy.

Karazana fahandroan-tsakafo Krismasy eo amin'ny Bilaogin'ny Sakafo amin'ny ankapobeny

  27 Desambra 2010

Midika hoe 'mody an-trano' ny Krismasy ho an'ny olona maro - nefa rehefa tsy mety izany, dia mety ho fampaherezana ihany koa ny mikarakara sakafo mahagaga. Nizara ireo nahandro fialan-tsasatra tena tiany ireo mpitoraka bilaogy manerana ny kaontinana maro. Miaraka amin'ireo, afaka manonofy ianao miverina an-tanindrazana na mitsidika toerana izay tsy mbola hitanao koa aza. Fa maninona ianao no mankalaza ny Krismasy amin'ity taona ity, ary inona no harosonao?