· Oktobra, 2010

Tantara mikasika ny Indonezia tamin'ny Oktobra, 2010

Setroka be mandrakotra an'i Singapore

  23 Oktobra 2010

Setroka be ao Singapore sy ny Atsimon'i Malezia! Tondroin-dry zareo ho avy amin'ny fandoroana ny hazo tany Sumatra, Indonezia izay fanaon'ireo tantsaha ho fanomanany ny fotoam-pamafazany izy io. Mikohaka sy mitaraina ny mponina. Mahafanimpanina ny besinimaro ilay setroka ary mangotrakotraka momba izany ny aterineto

Indonezia: Hatezerana an-tserasera noho ny fanafihana ny mpitondra fiangonana

  07 Oktobra 2010

Nisy nanatsatoka antsy tao Indonezia ny mpitondra fiangonana Kristiana miisa roa indray alahady izay nandritry ny fotoana nanatanterahan'izy ireo ny asa fanompoana, izany dia nahatezitra mafy ireo mponina teto amin'ny aterineto. Ho fanehoana ny tsy fankasitrahana izany dia namporisihana ireo mpikambana ao amin'ny facebook mba "tsy hanisy sary" eo amin'ny takelaka misy ny mombamomba azy ireo.

Azia Atsimo atsinanana : Mitoraka bilaogy momba ny baolina kitra

  02 Oktobra 2010

Betsaka ireo bilaogy mikasika ny baolina kitra any Azia Atsimo atsinanana izay manome vaovao lehibe farany sy ara-potoana mikasika ireo lalao baolina kitra sy ny fandaharam-potoana any amin'ny faritra. Ireto misy lisitr'ireo bilaogy mikasika ny baolina kitra any Azia Atsimo Atsinanana izay mifantoka kokoa amin'i Vietnam sy i Kambodja .