The Global Voices Lingua project hopes to bring GV content to new linguistic audiences - Details

Also in:

Indonesia Tahiry Firenena

RSS ho an i Indonesia

2009-10-27

Tao amin'ny fetiben'ny mpamaham-bolongana indonezianaSary postVideo post

Nitsidika ny fetiben'ny mpamaham-bolongana indoneziana na PestaBlogger 2009 izahay. Ity no fanintelony nanaovana ity fihaonana isan-taona ity. Avy any amin'ny vazantany efatra ao amin'ity firenena lehibe iray ity ny mpamaham-bolongana ka namonjy an'i Jakarta renivohitra, hankalaza, hiady hevitra ary hanala azy [hivory].

2009-10-08

Indonezia: mavesatra ny tarehimarika vokatry ny horohorontany

1 100 no maty tany Indonezia, izay no vokatra farany voaray (alakamisy hariva), ary mbola manohy ny fikarohana ireo mpamonjy voina mitady ireo olona an'anarivony maro tototra any ambany korontana any. 24 ora taorian'ny horohorontany da mbola tsy misy jiro ny tanànan'i Padang ary mbola sarotra ny fifandraisana an-tariby: andrepramana @luckytriakbar belum ...

2009-10-03

Azia sy Oseania: Lahatsarin'ny vokatry ny loza voajanaharyVideo post

tondra-drano Tao anatin'ny herinandro monja dia horohorontany, tsunami ary rivodoza isan-karazany no nandòna ny firenena maro any Ôseania, Azia atsinanana sy Azia atsimo atsinanana. Tany amin'ny lahatsoratry ny Global Voices (teny anglisy) tany aloha tany no efa nampahalala antsika tamin'izay nitranga tany Thailandy, Kambodza, Laos, Philippines, ary Vietnam tamin'izay nafitsoky ny rivodoza ...

2009-09-22

Aceh, Indonezia: Hovonoina amin'ny tora-bato ireo mpijangajanga

Vaovao ratsy ho an'ireo manambady nefa mijangajanga : ny 'Aceh Regional House of Representatives' dia namoaka lalàna fanamelohana ho faty ho an'ireo manambady nefa mijangajanga . Hovonoina amin'ny alalan'ny tora-bato ireo meloka.

2009-09-18

Indonezia: voamarina fa maty tokoa ilay lehilahy natao savahao indrindra

Voamarina ankehitriny fa maty tokoa ilay lehilahy notadiavina indrindra teto Indonezia, Noordin M. Top, rehefa nifampitifitra tamin'ny mpitandro ny filaminana. Haingana dia haingana ny nitantaran'ny mpisioka an-tserasera Indoneziana ny tantara.

2009-08-17

Indonezia: Mipatitaka ny fampihorohoroana

Nibahan-toerana tamin'ny televiziona Indoneziana ny fifampitifirana teo amin'ny vondrona Densus 88 miady amin'ny mpampihorohoro, ny polisy andaniny ary ny ankilany kosa dia ny vondron'olona heverina fa tarik'i Noordin Mohammed Top sy ny tariny, mpampihorohoro tadiavina indrindra tamin'ny 8 aogositra lasa teo tany ambanivohitr'i Temanggung anivontanin'i Java. Teratany Maleziana heverina ...

2009-08-07

Azia atsimo atsinanana: ny aterineto sy ny fitiavan-tanindrazana

Miha-mampiasa ny aterineto hanaovana fampielezakevitra ny vondrona tia tanindrazana isan-karazany any Azia Atsimo Atsinanana. Na dia ny mpitondra politika aza dia mampiasa araka izay tratra ny serasera hampiroboroboana ny firaisan-kina sy ny fitiavan-tanindrazana ao amin'ny fireneny. Mandrisika tokoa izany fironana izany rehefa manome fahalalahana ny olom-pirenena tsotra haneho ny fifikirany amin'ny ...

2009-08-06

Fipoahana bomba: nahafatesana olona sivy tany Indonesia

Nisehoana asa fampihorohoroana indray tao indonezia [naotin'ny tonia:tamin'ny volana jolay]. Bomba roa no nipoaka tao Jakarta renivohitra indonezia tamin’ny zoma lasa teo. Araka ny voalazan' ny vavolombelona dia tamin’ny 07:40 maraina no nahenoan’izy ireo ny fipoahana voalohany avy ao amin’ny JW Marriott, ary 2 minitra taorian’izany dia nirefotra ny bomba ...

2009-06-17

Indonésie: fitaovam-piadiana mihasimba

Elikopteran'ny tafika indoneziana anankiray indray no nianjera ny alatsinainy lasa teo tany Cianjur, any andrefan'i Java, ka miteraka fanahiana eo amin'ny vahoaka indoneziana manoloana ny fiarovan-tenan'i Indonésie amin'ny lafiny fitaovam-piadiana (Alutsista). Ny volana lasa teo dia niaiky ny filoha Susilo Bambang Yuhoyono (SBY) fa nehana ny toe-bola hamatsiana fitaovam-piadiana hiarovan-tena. Nilaza kosa ...