· Desambra, 2012

Tantara mikasika ny Hong Kong (Shina) tamin'ny Desambra, 2012

Jackie Chan: “Lasa Tanànan'ny Fanoherana i Hong Kong”

  15 Desambra 2012

Niteraka hatezerana tao Hong Kong ilay mpilalao sarimihetsika sy kintan'ny haiady Kung Fu , Jackie Chan, taorian'ny nitenenany tanaty tafatafa iray hoe : “Lasa tanànan'ny fanoherana i Hong Kong, mibedibedy an'i Shina sy ireo mpitarika azy isika, mibedibedy mikasika izao zavatra rehetra izao isika ary te-hanohitra amin'izao zavatra rehetra izao."

Marary i Taiwan : Hoy Ireo Mpianatra Manao Hetsi-Panoherana Mantsy Ny Minisitry Ny Fanabeazana

  10 Desambra 2012

Satria ilay vondrona media ao Hong Kong , Next Media Ltd., nanambàra ny fanapahan-keviny hisintaka ny tsena ao Taiwan, dia lasa tena faran'izay mampatahotra ny ampihimamba atao amin'ny media ao Taiwan. Mino ireo mpianatra sady mafàna fo fa marary i Taiwan ary efa miha-lò ny fototry ny fahalalahany ka dia miantso tsy misy hatak'andro ny fanaovana lalàna mandràra ny fanaovana ampihimamba amin'ny media ry zareo.

Sombim-baovao (Memes) Shinoa 10 Malaza Indrindra Tamin'ny Aterineto 2012

  09 Desambra 2012

Amin'ireo mpisera Weibo (Twitter Shinoa) maherin'ny 400 tapitrisa, nanjary loharanom-baovao lehibe ho an'ny olona mikaro-baovao mikasika izay zava-mitranga ao Shina ny fampahalalam-baovao sosialy Shinoa. Satria efa hifarana ny taona, nifantina memes (sombim-baovao) 10 amin'ny Aterineto ao Shina izay mendrika ho tsarovana indrindra tamin'ny 2012 izahay . Mitantara adilahy, laza, hatsikana ary teny...