The Global Voices Lingua project hopes to bring GV content to new linguistic audiences - Details

Also in:

Hong Kong (China) Tahiry Firenena

RSS ho an i Hong Kong (China)

2009-09-22

Shina: Mpianatra ao Beijing manohitra ny hanao famerenana mitabe

Satria moa efa mihamanakaiky ny 1 Oktobra hankalazana ny faha-60 taonan'ny Repoblika entim-bahoakan'i Shina, dia netsehina hanao mitabe ho amin'izany fotoan-dehibe izany ny mpianatra avy amin'ny lisea sy ny Anjerimanontolo mihoatra ny iray hetsy ao Beijing. Misy ny mpianatra tsy faly loatra satria tsy maintsy manao mitabe avokoa ny ...

2009-05-30

Sina sy Hong Kong: sary amin'ny T-shirt ho fahatsiarovana ny hetsika 4 Jona.Sary post

Isan-taona, mialoha ny fahatsiarovana ny 4 Jona( Kianjan'i Tianamen , 1989), no tian'ny mponina ao Hong Kong hanaovana fihetsiketsehana hitadiavana ny rariny. Amin’ity taona ity dia ny andron’ny 31 May no anaovana ny fihaonambe ho fahatsiarovana ny faha-20 taonan’izany. Ankoatra izany dia hisy ny fitondrana labozia amin'ny alin’ny 4 Jona izay hiarahan’ny vahoaka ...

2009-05-18

Hong Kong: Donald Tsang, aza fady matesa!Video post

Tezitra tamin'ny fanamarihan'i Donald Tsang Lehiben'ny mpanatanteraka niresaka momba ilay indray 4 jona nandritra ny kabary nataony teo anoloan'ny Mpanao lalàna tamin'ny herinandro (13 mey) ny olona. Hoy ny navaliny raha nanontaniana ny heviny manokana mikasika ny hetsika fitakiana nataon'ny mpianatra tamin'ny 4 jona izy: I understand Hong Kong people’s feelings ...

2009-02-25

Hong Kong: Miaro ny fahalalaham-pitenenanaVideo post

Mihoatra ny zato ny mpoina ao Hong Kong no nidina an-dalambe hanambara amin'ny hafa fa mihemotra ny fahalalaham-pitenenana any aminy tamin'ny 22 Febroary 09 lasa teo. Ny Citizens’ Radio no namolavola ny fihetsiketsehana ary notohanan'ny fikambanana mpiaro ny demaokrasia sahala amin'ny Save RTHK Campaign (fanentanana hiarovana ny Radio Televiziona Hong ...

2009-02-15

Hong Kong: Nihemotra ny volavolandalàna momba ny fifidianana…………. Resak'alika izany!

Raha toa ka ny fifanarahana tahaka ny filan-kevitry ny fifidianana no nanjary “adin’alika” eo imason’ireo ikoizan’ny lalana , Inona kosa ary izany no anjara asan’ny filan-kevitra momba ny fifidianana? Eny fa na dia ny tanjaky ny adin’alikan’ireo mpanao lalana LSD aza dia rava, mety hisy fanarenana mendrika ao amin’ny lamina tsy ara-demokratika ve ny ady hevitra eo amin’ny filan-kevitry ny fifidianana?

2009-02-06

Sina: Nosakanana an-tserasera ny Lanonan-dohataonan'i ShanzhaiVideo post

Ny alin'ny 25 janoary 2009 dia nijanona tany an-tranony mankafy ny sakafo famaranana miandry ny taona vaovao araka ny fanisanandro manaraka ny volana ny ankamaroan'ny Sinoa any amin'ny tanibe. Mahazatra ny ankamaroan'ny mpianakavy rehefa alina tahaka izao ny mijery ny Lanonan-dohataona alefan'ny fahitalavitra CCTV. Tamin'ity taona ity dia misy ny ...

2008-08-07

Olympics

Maro ny vohikala, tahaka ny Radio free Asia (radio afaho i Azia), no lasa azo tsidihina mandritra ity lalao olaimpika ity, na izany aza hoy i Liu Xiaoyuan dia mbola maro ny bolongana voasakana tsy ho azo tsidihina hatrany. Nofantenana hovahana fatotra noho ny fanerena politika ireo vohikala azo tsidihina fa ny tena mitoetra dia ny fanakanana ihany. Mbola mikatona manko hatramin'izao ny fampahalalam-baovaon'olom-pirenena tahaka ny inmediahk.net any Hong Kong.

2008-08-02

Zavakanto & Kolontsaina ,
Fandraharahana

Lova Rabary-Rakotondravony no nanazava fa nandefa solontena efatra tany Hong Kong hanao izay hamerenana ny emeraoda lehibe indrindra sy mavesatra indrindra fantatra ankehitriny [ nomena anarana hoe Fanomezan'ny Lanitra] ary aranty ao amin'ny Baoqu Tang Modern Art Gallery any Honk Kong ny fitondrana Malagasy. Takian'ny fitondrana Malagasy ho anisan'ny fananam-pirenena ny vato izay nahazoan'i Chan SicPo izay aritisita alalana ny hampiranty azy sady nilazany rahateo fa tamin'ny fomba ara-dalàna no nahazoany ny vato izay ana orinasa mpitrandraka vato miorina ao la Reunion antsoina hoe Orgaco .

[naoty avy amin'ny mpandika teny: ao amin'ny rohy dia voalaza fa orinasa Firantsay ity Orgaco ity, ka nahatonga ahy hieritreritra hoe sao dia mbola anisan'ny antony nahatonga ny fandroahana ilay masoivoho Firantsay ihany koa ity vato ity? Niaro ny “azy” manko ny fitsarana Firantsay raha izany]

 

2008-07-17

Ekonomia ,
Fitantànambola

Namoaka vola taratasy hahatsiarovana ny lalao Olaimpika hotontosaina any Beijing ny Bank of China any Hong Kong. Anarivony no nilahatra telo andro mialoha mba hahazoana izany vola taratasy izany ka niteraka savorovoro. Florence avy amin'ny Over the Rainbow (Ambonin'ny Avana) no voatery niresaka ny vaovao ka nilazalaza fa tsy hifanakalozana eny an-tsena io vola io ary taratasy tsotra fotsiny izao vola vidian'ny olona izao.

2008-05-15

Hong Kong : Tanànan'ny mpanjono an-tsarySary post

Tinyau no manapariaka andian-tsarin'ny tanànan'i Tai O, isan'izay “akanga sisa nanamborana” amin'ireo tanànan'ny mpanjono any Hong Kong.