Global Voices teny Malagasy » East Timor
Timor atsinanana: Nanoratra tamin’ny fomba fanoratana SMS ny mpanao gazety iray mba hamborahana fanaovana kolikoly
Ny volana Oktobra lasa teo, nanoratra SMS momba ny fandosirany i José Antonio Belo, maintimolalin’ny fanaovan-gazety ao  Timor Atsinanana, mba hamborahana fanaovana kolikoly nandraisan’ny Ministry ny Fitsarana any an-toerana anjara. Androany, miatrika fanenjehana noho ny fanalam-baraka  ilay mpanao gazety.
Manoratra ao amin’ny gazetiboky mpilaza vaovao Tempo Semanal, namoaka ny antsipirian’ilay fifampiraharahàna  teo amin’ny Minisitry ny Fitsarana Lucia Lobato sy ny mpanao afera mpiara-miasa maro amin’ilay fanamboarana ny rindrin'ny fonja ary fitaovana toy ny akanjon’ny mpiambina fonja. Lasan’ny vadin’ilay minisitra ny fifanarahana. Maherin’ny 1 tapitrisa $ ny tombam-bidin’izany fifanarahana izany.
Ity manaraka ity ny SMS nalefa ho an’ny findain’ilay minisitra ny 7 Aogositra 2008, tamin’ny  12:25 avy tamin’izany JS izany:
“Ranabavy, vao avy namarana ny drafitra ho an’ny tetikasa fifanarahana aho dia hitako fa ampy tsara ny vidiny nolazaiko anareo androany satria mahatratra 10 metatra ny haavon’io tamboho io ary matevina be tsy nampiasàna ‘blocks' fa famenoana simenitra (simenitra, vato ary “double couche d’acier”) manana kalitao iraisam-pirenena fotsiny. Mitovy amin’ny an’ny ambasadin’ny USA ilay izy fa izany hoe ny azy 3 metatra fotsiny ny haavony ary tsy dia matevina.”
Tamin’ny 12:30:10, namaly ny minisitra:
“Tsara izany, hojereko rehefa kelikely.”
Toa fifandefasana hafatra ara-dalàna io nefa tamin’ny 25 Aogositra 2008  vao nandefa filazana amin’ny fananganana tamboho vaovao ho an'ny fonja ny Minisitry ny Famatsiam-bola.
Nametraka fitoriana ny Minisitra Lobato fa tsy najaina ny fiainany manokana. Niteny ilay mpanao gazety fa nanoratra momba ny nataon’ilay minisitra izy amin’ny maha-olom-panjakana ambony azy, fa tsy ny amin'ny asa maha-olon-tsotra azy. Nanapa-kevitra ny fitsarana fa hohenjehina amina heloka fanalam-baraka ilay mpanao gazety. Raha voaporofo ho meloka izy, mety hijanona enin-taona an-tranomaizina i Belo.
Naneho fankaherezana an’ilay mpanao gazety ny vondrona sy olona maro. Nanome rohy ny Pacific Freedom Forum mankany amina lahatsoratry ny Cafe Pacific izay manamafy fa hitera- bokatra hanakorontana ny fahalalahana hiteny any  Timor Atsinanana sy ny sehatry ny haino aman-jery vao misondrotra” io fanenjehana. Manampy izany ireo vondrona:
Ho an’ny governemantan’ny Timor Atsinanana, ny fiafenana ao ambadiky ny lalàm-panjanahantany nampiasain’ny indoneziana mba hanoherana sy hampatahotra ireo ezaka fandrosoana mankany amin’ny demokrasia dia midika tsy firaharahiana ny ràn’ireo olom-pireneny latsaka tamin’ny fanohanana ny fahalalahana.
Sarin’ilay “magazine” Tempo Semanal
Tsy manana afa-tsy fahitalavi-pirenena sy foibe fampielzam-peo vitsivitsy fotsiny ny “seahtry ny haino aman-jery vao misondrotra”. 0,1 isan-jaton’ny mponina fotsiny no manana fahafahana mampiasa aterineto izay mahatonga ny gazetiboky toy an’ny Tempo Semanal (gazetin’i Belo) ho loharanom-baovao voalohany any an-toerana.
La’o Hamutuk, fikambam-piaraha-monina sivily iray, dia niteny fa
nanome sary ratsy afaka mamono ny fahafahana eo amin’ny fanaovan-gazety mahaleotena sy tsy miankina ny fiampangàna an’ilay mpanao gazety. Hatahotra ny famoahana vaovao mazava sy an-tsipiriany ny haino aman-jery raha mahalala fa hiteraka fandrahonana ho an-dry zareo izany.
Fanirian'ilay vondrona ny tokony hanadihadiana momba ny kolikolin’ny Minisitry ny governemanta toy izay hanasazy ilay mpanao gazety:
Porofon’ny tokony ho nampiasain’ny Filohan'ny fampanoavàna hanokafana fanadihadiana momba ny mety hisian’ny kolikoly tao amin’ny ministeran’ny fitsarana ny vaovao navoakan’ny Tempo Semanal. Nefa raha ny marina dia manadihady momba an’i Jose Belo ny Mpampanoa lalàna, izay ampangainy ho nanely tsaho. Toy ny fanamelohana ny fanaovan-gazety malalaka, izay manome vaovao marina sy miteny ny zava-misy ho an’ny vahoaka, no fahitàn’I La’o Hamutuk ity fanoherana ity.
Diso fanantenana i Carmel Budiardjo ao amin’ny TAPOL, gazety momba ny zon’olombelona, fa ilay lalàna nampiasain’ny Indoneziana hanafoanana ny fahalalana manao gazety tao amin’ny firenena no ampiasaina amin’ny Belo ankehitriny, mpiaro mahafatra-po ny fahalalahana manao gazety::
Fantatray tsara ny herim-pon’I Jose Belo nandritra ny roapolo taona mahery nisian’ny fanjanahantany Indoneziana ary tena kiriko izahay hoe lalàna nampidirin’ny Indoneziana ve no anoherana ny asan’ny fanaovan-gazety ara-dalàna ao amina firenena izay milaza fa mandàla ny demokrasia. Tokony hotsoahan’ny Minisitry ny fitsarana Lucia Lobato ny fitoriana napetrany mba hanehoany fa miombona amin’ny fahalalahana manao gazety izy. Tsytokony hatahotra fitoriana mety hitondra azy any an-tranomaizina ny mpanao gazety ao  Timor satria manao ny tokony ataon’ny mpanao gazety ry zareo rehefa mahita porofo momba ny mety hisiana kolikoly ataona mpikambana ao amin’ny governemanta.
Misy ny fanangonan-tsonia an-tranonkala mangataka amin’ny governemantan’ny Timor Atsinanana mba hanatsahatra ny fanenjehana an’i Belo.
Avia ange ry sambo mpihaza trozona hankaty amin'ny ranon'i Timor atsinanana
Sarin'i Fat Old Sod tao @ Xanana Republic Gazzete, nahazo alalana.
Notsongaina avy tamin'ny mpampiasa Twitter @BILL_ROMANOS tamin'ny 31 Desambra midera ny nahitan'ny mpikaroka Aostraliana sy Timor Tatsinanana ny lohateny, izany no vokatry ny fikarohana natao vao haingana momba ny fiainana any anaty rano any: Hita tany amin'ny 50 km (30 maily)  miala avy amin'ny morontsiraky Timor atsinanana manko ny toerana ahitana trozona sy feso (dauphins), amin'ny karazana trozona maro, betsaka indrindra.
Namelona fanantenana ho an'ny sehatr'asam-pizahantany ho an' i Timor atsinanana, izay firenena mbola tanora sy nanana ny tantarany nanjakan'ny korontana, noho izany io fahitana io. Ary dia mbola nanana ny lanjany lehibe indray ny helodrano stratejikan'i Wetar-Ombai. Na dia malaza ho lalana fandalovan'ny “Sambo mpisitrika nokleary Amerikana sy Aostraliana manavatsava ny nosy maron'i Indonesia“ aza izy, eto kosa dia izy no helodrano mampisaraka an'i Pasifika amin'ny soso-nofontany Eorazia fantatra amin'ny  amin'ny maha- “lalana lehibe fifindra-monin'ny biby anaty ranomasina mivezivezy amin'ny oseana pasifika amin'ny oseana indiana“.
Cathal Foster (PT) no manoratra momba izany:
A expedição, que foi o primeiro grande estudo de cetáceos em Timor-Leste, veio confirmar aquilo que os biólogos marinhos apenas suspeitavam: as águas profundas dos estreitos de Wetar e Ombai, ao largo de Timor - que podem ter até três mil metros de profundidade -, são uma importante rota migratória e corredor para a vida marinha, ligando os oceanos Pacífico e Índico.
Ny diam-pikarohana, izay fikarohana lehibe voalohany indrindra momba ny karazan-trozona any Timor atsinanana, no nanamafy izay efa nampiahiahy ny biolozista (mpahay aina): lalamben'ny fifindra-monina sy lalantsaran'ny fiainana anaty ranomasina, mampifandray ny Oseana Pasifika sy Oseana Indiana ny ranolalin'ny helodranon'i Wetar sy Ombai, any amin'ny morondranomasin'ny Timor – izay manana halalina hatramin'ny 3,000 m (1,864 maily).
Nanaitra ny mason'ny mpiserasera maro io fahitana io ka nanomboka nandrohy tamin'ny bolongany na ni-tweets (nampilaza fohy toy ny sms finday) tamin'ny gazety lehibe ry zareo:
O LENTE ao amin'ny Timor Atsinanana sy ny karazam-piainana an-dranomasina ananany (PT)
Margarida A avy amin'ny Umalulik in Diam-pikarohana nahiana toeran'ny trozona sy ny feso eto amin'ny planeta , sy Toerana ankafizin'ny trozona sy ny feso hita tany Timor atsinanana  (PT)
Wendy Heller ao amin'ny DivePhotoGuide.com in Timor atsinanana, Tranon'ny Trozona & Feso
@mostrador ao @ Twitter (ES)
Ary @greenoptions, @compost3r, @ecosfera, @celebritypaycut, @neandertal ni-tweets momba azy ity (PT, ES ary EN).
Ny hamaroan'ny karazam-biby, izay nifidy ny ranon'i Timor atsinanana ho “toerana ankafizina”, dia voalazan'ny mpamaham-bolongana tsindraindray eny ihany. Fat Old Sod, ohatra tamin'ny fanombohan'ny Novambra 2008, dia naka sary ny “Mega Fauna” izay nopihany avy eny ampisidinana ny ranon'i Timor avy any anaty voromby:
Mega Fauna basically means anything bigger than, and including, turtles. (…) We saw at least 6 species of whales, easily over 4000 dolphins, manta rays in formation, BIG hammerhead sharks cruising on the surface and we just stopped counting the turtles once we got to Com and beyond because there were too many.
ny Mega Fauna izay midika hoe izay rehetra lehibe, ka tafiditra amin'izany ny soka-dranomasina. Nahita karazana trozona enina izahay, mora ny nahitana feso mihoatra ny 4000, andiana  manta, antsantsa LEHIBE toy ny hihevaheva arynitsahatra nanisa ny sokatra izahay rehefa nahazo an'i Com fa tena maro loatra ry zareo.
Sarin'i Fat Old Sod ao @ Xanana Republic Gazzete, nahazo alalana.
Nisy famoahan-kevitra nataon'olona tsy nitonona anarana iray tao amin'ny lahatsoratra mitondra ny lohateny hoe Toerana ankafizin'ny Trozona sy Feso hita tany Timor atsinanana (PT):
Mais um grande ponto para a futura indústria do turismo em Timor.
Bem regulamentado poderá ser mais uma grande fonte de rendimento para o país.
Dingana lehibe hafa ho an'ny fizahantany eto Timor. Mety ho loharanom-bola lehibe ho an'ny firenena raha voapetraka tsara ny lalàna.
Levi Novey, kosa na dia izany aza dia liana:
It highlights the need for greater protection of biodiverse ocean areas like these from unregulated fishing – a challenge given East Timor’s desire to develop their fishing industry.
Io no mampivandravandra ny tokony hampitomboana ny fiarovana ny karazam-piainana an-dranomasina noho ny fanjonoana tsy ara-dalàna - fanamby ho an'i Timor Atsinanana izay te-hampivelatra ny sehatrasam-panjonoana
Heverina ho sarotra amin'ny fiarovana ny zavamihetsiketsika ny lalànan'ny fanjonoana, noho ny tsy fahafantaran'ny maro ny ankamaroan'izy ireny, ka manome vahana ny fanjonoana tsy ara-dalàna amin'niny fari-dranomasina iny. Nopihan'i Fat Old Sod an-tsary ireo mpanjono mena(n'ny ra) ny tanana :
We also got pictures of some illegal fishing boats from Indonesia which we have handed on to the appropriate authorities with times, name of vessel, location etc.
Nalainay sary ny sambo mpanjono tsy ara-dalàna sasany avy any Indonezia ary nampitainay tany amin'ny tompon'andraikitra mahefa ny  fotoana, ny anaran'ny sambo, ny toerana,sns.
Edy, Timorey, miresaka ny fahitana dia nametraka hevitra mahaliana amin'ny fepetran'ny fiainana anaty ranomasina:
(…) the marine environment in that area in (sic) certainly more secure, cleaner, and quieter for those mammals to gather even perhaps can be used as their marine habitat to reproduce and expand. Giving the fact that in that maritime area there is less fishing activity in industrial scale and it’s not considered strategically good enough for commercial ship’s and military navals passage hence almost inexistence in that area any noise that can be prejudicial for whales and other species. Therefore it’s a hotspot for those marine animals to live in abundance. Any habitat of other species when given time, space, less disturbances from human greedy commercial and military activities will certainly find its own way to live, survive, reproduce and expand in greater numbers to the benefit of all living things in this planet we call Earth.
(…) ny toerana andranomasina tena (sic) voaaro , madio, ary mangina ho an'ireo biby mampinono ireo  hivoriany, honenany  mba  iterahany  sy itomboany isa. Hita ny maha-fari-dranomasina tsy ahitana asa indostrialim-panjonoana azy, heverina fa toerana tsy dia tsara loatra handalovan'ny sambo fandraharahana na sambo miaramila, izany hoe tsy misy ny tabataba mety hanelingelina  ireto trozona sy ny karazany hafa ireto. Izany no antony maha-toerana mafana  mahamaro  biby an-dranomasina azy.  Ny fonenan'ny  karazam-biby samihafa, raha omena fotoana, toerana, tsy helingelenin'ny asam-barotra na miaramilan'ny olona tendan-kanina dia itokiana fa hananna ny fomba fiainany, hiteraka, hihamaro ka hanome tombony ho an'ny zavamiaina rehetra eto amin'ity antsointsika hoe tany ity.
Raha iverenana indray ny Whale Of A Time (Trozon'ny Fotoana iray) ,dia nambaran'i  Fat Old Sod ny fahasambarany raha niangaviana hisidina tambonin'ny toerana izy, naka sary sady vavolombelon'ny zavatra manokana:
I knew we had great marine life here but I never knew it was so prolific. The two scientists I was with told me that it was an absolutely exceptional survey. And when a scientist starts to use long adjectives you know you've seen something special!!
Efa fantatro ihany fa manana fiainana an-dranomasiina izahay any saingy tsy nampoiziko ny hamaroany. Nilaza tamiko ireo manampahaizana roa fa tena  miavaka ny fitsidihana. Ary dia nanomboka nampiasa teny lava izay fantatrao fa manokana ny manampahaizana iray.
Sarin'i Fat Old Sod ao @ Xanana Republic Gazzete, nahazo alalana.
Raha te-hiala voly an-tsary ny fiainana ana-dranomasina any Timor Atsinanana ianao dia tsidiho ireto adiresy manaraka ireto:
Fiainana ambanin'ny ranomasin'i Timor atsinanana
ReefScenes.net - Tontolo mahafinaritry ny fiainana anaty ranon'i Timor atsinanana
Nudibranchs avy ao Timor atsinanana ao amin'ny Flickr
Departemantan'ny akora natoraly, Tontolo iainana, Zavakanto sy ny fanatanjahantena, Karazam-piainana an-dranomasina avy ao amin'ny sisintany avaratry Aostralia
Sara Moreira
Timor atsinanana: Ny fiverenan'ny filoha an-tanindrazana
Ny gazety repoblika Xanana no mitantara ny nandraisan'ny vahoaka ny filoha Timor atsinanana rehefa niverina an-tanindrazana. Ny mpanatrika iray moa no nilaza ny filoha ho “malezo nefa henjana.”
Timor atsinanana: Inona no lazain'ny mpiresaka momba an'i Tibet?
Tamin'ny fivoahan'ny lahatsarin'ny Guardian momba ny toe-draharaha tany Tibet no namoahan'i Daniel Arruda [pt] ny heviny:
“Mazava be ny fitsarana:'Tsy tian'i Shina ho fantatra ny zavamisy marina any Tibet' na ‘manomboka miasa ny fampielazan-kevitry ny Shinoa praopagandy'.” Lahatsary mampiseho hoe hatraiza ny hamaroan'ny mpamoaka hevitra aty amintsika no miezaka handà azy.”
Timor atsinanana : Momba ny fahafatesan’i Suharto
Tamin’ny taona 1975 no nanambaran’i Timor Atsinanana ny fahaleovantenany rehefa nozanahan’i Portiogaly 400 taona. Saingy vao haingana kosa no nahazoany ny fahafahana, noho ny fanafihana sy ny fibodoan’i Indonesia izay nanjaka taminy 24 taona. Tombatombanana ho mihoatra ny 200 000 na ny iray ampahatelon’ny mponina ao an-toerana no maty vokatr’io (fibodoana io).
Ny Jeneraly Suharto no nitari-tafika tamin’ny fanafihana, izay efa mpitondra jadon’i Indonesia tamin’izany fotoana izany, niaraka tamin'ny fandrisihan’i Aostralia sy ny faneken’i Etazonia. Indreto ary atolotra ny fanehoan-kevitry ny mpamaham-bolongana vitsy dia vitsy avy any Timor atsinanana rehefa re ny fahafatesany tamin’ny faha-86 taonany ny alahady 27 Janoary lasa teo.
José Prereira [pt] no nanao teny fampidirana hoe iza i Suharto ho an’izay tsy mahalala azy:
Este é o Homem que a Democracia Americana sempre apoiou.
A lança americana na Ásia.
Na chacina dos 500.000 comunistas.
Na invasão de Timor Leste.
Chamava-se Suharto.
Izany ny olona notohanan’ny Demokrasia Amerikana matetika.
Izany no lefon’i Amerika teto Azia.
tamin’ny fandripahana Kominista 500 000.
tamin’ny fanafihana an’i Timor Atsinanana.
Suharto no anarany.
Pedro Fontela [pt] indray mandahatra ny lisitry ny lova navelany ry izy no iray anisan’ny nankalaza ny vaovao:
Suharto, ex-ditador Indonésio, morreu, finalmente. Falta-me a hipocrisia para sugerir que possa sentir qualquer sensação de pena. Menos um tirano genocida no mundo, ainda bem para nós! Haja uma celebração!
Maty ihany nony farany i Suharto, ilay manao didy jadonateo aloha. Tsy ampy fihatsarambelatsihy aho hilaza fa malahelo azy. Iny no iray amin'ny olon-doza mpandripa-bahoaka manerantany, tsara iany ho anay! Tokony hisy aza ny (filazam-pifaliana)!
Namoaka ny tantaram-piainan’ilay mpitondra jadona teo aloha koa i Timor Lorosa e Nação [pt] ary nametraka raka izay nolazainy fa iray amin’ny mpamono olona lehibe indrindra amin’ny vanim-potoanan’ny ankehitriny taorian’ny ady lehibe faharoa i Suharto ka tsy mendrika fanajana amin’izao fahafatesany izao:
Enfim, entrou, por favor, no Inferno e lá ficará a consumir-se nas chamas alimentadas por tanta mortandade, carnificina e terror que espalhou por todo o sudeste asiático.
Não lhe desejo mal. Somente que sofra uma vez por dia por cada vítima do seu consulado de sangue e cadáveres. São só uns milhões.
Está muito bem onde está. O Inferno para quem o merece.
Lasa any amin’ny afobe ihany lahy izy iny, ary any no handorana azy amin’ny afo natsagany tamin’ny alalan’ny famonoana olona maro, fandatsahan-dra ary fampihorohoroana nataony nanodidina an’i Azia Atsimo Atsinanana.
Tsy maniry loza (fanampiny) ho azy aho. Fa ny hitaintainany indray andro isaky ny nisy fandatsahan-dra nataony tamina olona iray. Olona eo ho eo amin’ny 1 000 000 monja anie izy ireo. Tena tsara ny toerana misy azy. Natokana ho an’izay mendrika azy ny afobe.
Isabel Faria [pt] indray mitsikera an’i Ramos Horta, izay filohan’i Timor Atsinanana amin’izao fotoana izao, izay mamepetra ny olona tsy hamoaka ny likilikim-pony miatrika ny fahafatesan’ny jeneraly izao:
Desculpem lá, um ditador deixa de ser um ditador depois de morto? Um assassíno que não é julgado pelos seus crimes não tem que se preocupar porque depois de morto (…)
Nota final: No dicionário rancor, significa : ódio profundo e oculto; ressentimento.
Até posso entender que Ramos Horta refira o primeiro significado da palavra…porque se referir o segundo, está a trair a luta do seu povo e do povo indonésio contra a repressão e pela liberdade. E a memória dos que por elas morreram.
Miala tsiny aminao aho, fa angaha lasa tsy mpanao jadona intsony ny mpanao jadona rehefa nodimandry? Tsy tokony ho liana amina fahafatesana mpamono olona izay tsy notsaraina tamin’ny heloka vitany ve izahay? (…)
Soratra farany: Ao amin’ny rakibolana ny teny hoe Horta dia midika hoe fahavinirana sy fankahalana lalina miafina (na likilikim-po araka ny efa nosoratako teo ambony).
Araka ny fahazoako azy dia amin’ny teny voalohany no dikan’ny anarana Ramos Horta … satria raha jerena ny teny faharoa, dia mamadika ny tolona nataon’ny vahoakany izy sy ny vahoaka Indoneziana manohitra ny fangejana mitady fahafahana ary mamadika ny fahatsiarovana ireo nodimandry noho ireo koa.
Timor Online [pt] indray moa nanangona ny voalazan’ny blaogy/bolongana sy ny haino aman-jery tamin’ny nandrenesana ny vaovao na tamin’ny teny anglisy izany na tamin’ny teny Paortiogey.
Tamin’ny 20 May 2002 no afaka i Timor Atsinanana. Izy no firenena voalohany nahazo ny fiandrianam-pireneny tamin’ity taonjato faha21 ity.
Pôrtigalasfera : Ny avotrain'ireo zaza
Vao tsy ela no napariaka ny taham-pahafatesan'ireo zaza latsaky ny 5 taona ny UNICEF. Isan'ireo tsoakevitra napoitran'izany tatitra izany ny hoe i Angôla, i Guinea Bissau, i Môzambika, Saô-Tôme sy Principe, Timôr Atsinanana sy Cap Vert dia samy manana taham-pahafatesan'ny ankizy izay manoatry izay heverina ho tokony ho izy, i Brezila heverina ho manana ny taha antonotonony, ary Pôrtigala irery no hany azo heverina ho mizotra miaraka amin'ny taha tandrify ireo “firenena mandroso” [amin'ireo firenena izay miteny Pôrtigey]. Vakio [amin'ny teny Pt] any amin'ny Timor Lososae Nação  ny tatitra.
[FANAMPIM-PANAZAVANA : Blaogasyfera no enti-milaza ny fiaraha-monin'ireo blaogy rehetra miteny Malagasy sy mikasika an'i Madagasikara na akaiky na lavitra. Ny Pôrtigalasfera [Lusosphere] dia fiaraha-monin'ireo miteny Pôrtigey, Lusitanie no anarana hafan'i Pôrtigala]
Timôr Atsinanana : Ny tanàna faran'izay maloto indrindra
Ny blaogy Timor Online dia mitsikera ny fanambaràn'ny filoham-pirenena Jose Ramos-Horta izay mihevitra fa ny renivohitry Timôr Atsinanana no tanàna faran'izay maloto indrindra eran-tany :
« Ramos-Horta esquece-se que é à Administração do Distrito de Díli que compete a limpeza da cidade, e esquece-se também de que nada fez enquanto Primeiro-Ministro?… »
« Hadinon'ingahy Ramos-Horta [sahady] ve fa an'ny tanànan'i Díli [renivohitra] ny andraikitry ny fanadiovana azy ary hadinony koa fa fony izy mbola praiministra dia tsy nanao n'inoninona hanatsarana izany toe-javatra izany akory izy ? »
Paula Góes