The Global Voices Lingua project hopes to bring GV content to new linguistic audiences - Details

Also in:

China Sokajy ara-tany

RSS ho an ny China

2008-07-21

Business ,
Development

Théophile Kouamouo [amin'ny teny Frantsay] no mamitimpintina (tsindrio eto) lavalava ao amin'ny bolongany  ny boky mitondra ny lohateny hoe La Chinafrique: Pékin à la conquête du continent noir (na Shinafrika : Beinjing te-hambambo ny kaontinanta Mainty) nosoratan'i Serge Michel sy Michel Beuret, Boky miresaka ny  ataon'ny Shinoa eto Afrika. Hoy izy: “Tsy anjely nirahin'ny Andriamanitry ny fiaraha-miasa Atsimo-Atsimo ny Shinoa sady mpanavakavaka ihany koa izy ireo, na dia tsy tahaka ny Tandrefana miaiina aty Afrika aza[…] fa tsy devoly ihany koa ry zareo na izany aza”. [naotin'ny mpandika teny malagasy: Mahaliana dia mahaliana tokoa ny mamaky azy io na dia ao amin'ny bolongana aza satria ahitanjavatra sahady toy ny “tsaho” miely ireny Shinoa miasa amin'ny toerana fananganan-javatra ireny dia gadra ampiasaina aty afrika… Toa mandà izany ireo mpanoratra ireo… efa henoko manko ny amin'ity tranga iray ity miaraka amin'ny hoe raha mandositra ka tratra dia tifirina ary “facturer”-na amin'ny fianakaviana ny bala nitifirana azy]

2008-07-18

Olympics

Toy ny rano atapoka sosoa indroa misesy ny filazalazana entina iarovana ny zon'ny mpamorona, tsy misy mpamaham-bolongana mahazo mametraka sary na mandefa lahatsary mikasika ny lalao olaimpika amin'ny bolongany. Ankoatra izany, maro ihany koa ny fepetra noraisina hiarovana ny mpanohana ny lalao Olaimpika, hosakanana mandritra ny fanatontosana ny lalao olaimpika ny dokambarotra sasany ( hafa) misy (sarina) mpilalao heverina fa mpitondra marika.

2008-07-17

Olympics

Adrienne Wong avy ao amin'ny Shanghaiist no nanamarika fa ny doka fanoheran'ny Amnesty International ny lalao Olaimpika  any Shina sy ny dokambarotry Adidas mandritra ny Lalao Olaimpika dia nolokoiin'ny orinasa iray ihany izay tsy iza fa ny (TBWA).

2008-07-12

Shina : Andao hanao paompy e ! (ala vokona)

Mba fantatrareo moa hoe nahoana no lasa mankafy manao paompy –ala vonkona – aok’izany ny Shinoa anarivoarivony ? Ary tsy mahazo mihoatra ny intelo anefa? Tsy misy resaka lalao olaimpika. Misy ambadika politika ao no antony tokana mahatonga izany.

2008-07-09

Shina : Toeram-pisakafoanana = Simba ny Vohikala MpandikatenyPhotos post

Buxi no mampahatsiaro ao amin'ny Fool's Mountain [Vohitry ny adala] ny loza mety ateraky ny tsy fahalalàna sy ny fahatokisana an-jambany ireo vohikala mpandikateny ka manapariaka sary feno hatsikana nalaina tany Shina : "Translate Server Error" = Simba ny Vohikala Mpandikateny raha Toeram-pisakafoanana [Canteen, cantine] kosa no dikan'ny soratra Shinoa ...

2008-07-08

Shina: Sarkozy ve no fototry ny olam-pifandraisan'i Shina sy Frantsa?

'Fahafahana , Fitoviana, Firahalahiana, mba teny mambabo fo loatra lahy izany! Raha izany ary nahoana no mbola misy lonilony eo amin’i Shina sy Frantsa?'

“Andro tsy misy fiarakodia” any amin'ny tanana any Atsimo Atsinanan'i ShinaVideo post

Tamin'ny taona lasa dia nandray anjara tamin'ny hetsika “andro tsy misy fiarakodia” (无车日) ny tananan'i Kunming, any Shina. Ankehitriny ity tanana any any Atsimo Atsinana'i Shina ity dia mihoatra lavidavitra kokoa ka nametraka ny “andro tsy misy fiarakodia” ho isam-bolana (fa tsy indray mandeha isan-taona toy ny fanaon'ny besinimaro). Kunming, izay itoeran'ny fikambanana ...

2008-07-07

Shina : Mivonòna sahady ny hijoro vavolombelona amin'ny fahatongavan'ny lalao Ôlaimpika

Olympics
Efa nilaza sahady i Zuola izay vavolombelona mpitatitra eto amin'ny Aterineto fa isan'ireo ho any an-toerana izy [zh], ho tonga any koa ireo mpanao vy very ny ainy ara-pivavahana, ary toa  eo am-pikatsahana mpanatri-maso avy any an-toerana ireo gazety vahiny, ary ireo vohikala mpivoy ny web 2.0 dia mihevitra fa misy lahatsary blaogy ara-tsary ...

2008-07-06

Shina : Finday ahafahana miblaogy omena maimaim-poana

Olympics
Mety iharan'ny fandraràna ny fanaovana tatitra ara-blaogin-dahatsary [Vlogging] manodidina ny lalao Ôlaimpika (araky ny fiheveran-dry zareo), ary manantena ry zareo fa tsy hahakasika ny tolotry fringsters izany izay vao nametraka tolotra vaovao Finday ahafahana miblaogy omena maimaim-poana hoan'ireo rehetra izay mitatitra ara-blaogin-dahatsary ny lalao Ôlaimpika.

2008-07-05

Beijing : Fepetra vaovao hiadiana amin'ny fandotoana ny tontolo iainana

Olympics
Araka ny nolazain'i Danwei dia namoaka lalanan'ny fifamoivoizana vaovao ny ao Beijing izay ampiharina mandritra ny lalao Olympika. Ankoatra ny fepetra hafa, dia ny fiara mitondra laharana miafara amin'ny isa tsy an-kasa ihany no afaka miriaria manomboka ny faha-20 Jolay hatramin'ny faha-20 Septambra 2008. Araka ny vinavinan'ireo tompon'andraikitra moa dia ...