The Global Voices Lingua project hopes to bring GV content to new linguistic audiences - Details

Also in:

China Tahiry Firenena

RSS ho an i China

2009-08-13

Mitondra VIH mamaham-bolongana: Mbola azo atao ny mitia

Conversations for a Better World
Na dia sarotra aza ny miresaka malalaka momba ny VIH/SIDA, dia mitombo hatrany ireo mpamaham-bolongana manerantany mireska ny fomba fiainany mitondra ny tsimok'aretina.

Alzeria : Taorian'ny Fifandonan'ireo Sinoa sy Alzeriana

Niteraka fifandonana teo amin'ireo mpifindra monina sy ireo teratany alzeriana ao an-drenivohitr'i Alzeria ny fidiran'ireo mpiavy sinoa. Zato teo ho eo ny fitambaran'ny teratany sy ny mpifindra monina nifanandrina tamin'izany, ary nampiasa antsy sy fonjam-by ry zareo. Nisarika resa-be mikasika ny fampiasan'ny sinoa vola ao amin'ity firenena ity izany fifandonana ...

2009-08-07

Shina: Fitsarana an-tendrony sy fanilikilihana ataon'ny Han amin'ny Uyghur

Mihoatra ny iray volana izay no nisian'ny rotaka tany Xinjiang tamin'ny 5 jolay ary mbola manameloka ny Tandrefana sy ny Rebiya Kadeer ho nampiroborobo ny hetsiky ny mpisintaka tany Xinjiang ny ankamaroan'ny mpiserasera shinoa. Misy ihany na izany aza ny bitsika toy izay hita ato amin'ny BBS of people.com ato ...

2009-08-02

Shina: Ho vita hatreo ve ny politikan'ny zaza tokana?

Araka ny voalazan'ny Time magazine, dia mety hiova ny politikan'ny zaza tokana, anankiray amin'ny maha shina an'i Shina ankehitriny. Taorian'ny fandrisihan'ny tompon'andraikitra momba ny fandrindrana ny fiainam-pianakaviana avy any Shanghai tao amin'ny gazetim-panjakana ny mpivady hiteraka roa vokatry ny fahanteran'ny mponina sy ny tahotra tsy hisian'ny ho avy mamiratra izany. ...

2009-07-15

Shina: Noana ny mpiserasera, tsy misy resa-bary intsony!

Nahantona hatramin'ny faha-8 jolay lasa teo ny Fanfou izay shinoa mpifaninana amin'ny Twitter. Hatramin'izao fotoana ny hany nolazain'i Wang Xing mpanangana ny Fanfou dia hoe noho ny antony “fikojakojana” io fa tsy misy resaka fahazoan-dalana hanao tolotra aterineto (ICP). Saingy noho ny fotoana fampiatoana azy nifanjohy tamin'ny rotaka ...

2009-07-14

Sina, Korea Avaratra: mitovy amin'i filoha Mao ve i Kim?

Ny 04 jolay lasa teo, fetim-pirenen'i Etazonia, dia nanao fanandramana nokleary vaovao indray i Korea Avaratra ka nandefa balafomanga 7, ary antonontonony ny fahalavirana vitan'ny sasany ka mampidi-doza an'i Japon sy Korea Atsimo. Raha noheverina fa mpanao didy jadona i Kim Jong Il dia milaza kosa ireo mpiserasera sinoa ...

2009-06-04

Sina: Ny fivoaran'ny demokrasia hatramin'ny 1989

Nandritra ny faran’ny herinandron’ny Fetin’ny Reny farany teo tamin’ny 10 Mey, nisy avara-pianarana maromaro tao Beijing nanomana seminera hiresahana ny faha-20 taonan’ny hetsika ho an’ny demokrasia tany Sina. Hetsika manan-danja tokoa io mba handrodanana ny fahanginan’ireo avara-pianarana momba ny hetsiky ny mpianatra tamin’ny 4 Jona, ary mba hanoherana ny ...

2009-05-30

Sina sy Hong Kong: sary amin'ny T-shirt ho fahatsiarovana ny hetsika 4 Jona.Sary post

Isan-taona, mialoha ny fahatsiarovana ny 4 Jona( Kianjan'i Tianamen , 1989), no tian'ny mponina ao Hong Kong hanaovana fihetsiketsehana hitadiavana ny rariny. Amin’ity taona ity dia ny andron’ny 31 May no anaovana ny fihaonambe ho fahatsiarovana ny faha-20 taonan’izany. Ankoatra izany dia hisy ny fitondrana labozia amin'ny alin’ny 4 Jona izay hiarahan’ny vahoaka ...

2009-05-27

Palestina: Noheligelenin'ny miramila isiraeliana ny lanonana ara-literatiora

Mivezivezy any amin'ny faritra manamorona an'i Jordana, Palestina, ny Lanonana ara-literatiora ao Palestina izay fihaonana ara-haikanto tontosaina manomboka ny 23 ka hatramin'ny 28 mey. Ny tanjon'izy ity moa dia ny hanotronan'ny mpanoratra sy ny artista manerantany ny Palestiniana, hisavasava ravina sy hikarakara lanonana ara-kolotsaina andraisan'ny ao an-toerana sy iraisam-pirenena anjara. Etsy ...

2009-05-25

Sina: manampy an'ilay mpandroso sakafo nahafaty mpiasam-panjakana iray ireo mpampiasa aterineto

Deng Yujiao, mpandroso sakafo  iray mipetraka any amin'ny faritanin'i Hubei nanindrona antsy mpiasam-panjakana iray ary nandratra iray hafa raha nanohitra ny fikasan'iretsy farany ny hanao firaisana ara-nofo taminy.  Ny resaka mandeha eo anivon''ny aterineto dia tsy misy fitserana manoloana ilay razana fa manohana amin'ny ankapobeny an'ilay vehivavy 21 taona, amin'ny ...