· Jolay, 2012

Tantara mikasika ny Shina tamin'ny Jolay, 2012

Shina: Nisambotra Mpampiasa Aterineto 5007 i Beijing

GV Mpisolovava  29 Jolay 2012

Ny 2012, hatreto ny rafitra fampiharana ny lalàna anaty aterineto an'ny filaminam-bahoaka ao Beijing dia nikirakira fanohintohinana miendrika heloka bevava maherin'ny 3.961 sy nisambotra olona noahiahiana niisa 2007. Ankoatra izay, nanaisotra votoaty niisa 366.000 tety anaty ateriento sy nanasazy orinasa mpanome tolotra aterineto niisa 7.549.

Shina : Mpitati-Baovao Nametra-pialàna Fa Nanao Vazivazy Ratsy Momba Ilay Vehivavy Mpanamory Sambondanitra

  22 Jolay 2012

Nisolotena tamin'ny fandefasana ny Fiarandanitra Shenzhou 9, iraka an-habakabaka ho fanehoana ny voninahi-pirenen'i Shina i  Liu Yang vehivavy mpanamory sambondanitra. Talohan'izay anefa,  nisy fanapahan-kevitry ny iray avy amin'ny mpanao gazetin'ny “Southern People Weekly” Cao Linhua hikosoka ny hatsikana maloto nataon-dry zareo tamin'ny sehatra media sosialy be mpisera indrindra ao Shina, Weibo Sina, momba an'i...

Seho Youtube Mitondra Ny Haino Aman-jery Sosialy Ho An'ireo Mpijery Miteny Anglisy

  21 Jolay 2012

Te-hahalala ny zava-miseho ao amin'ny haino aman-jery sosialy any Shina nefa tsy mahay miteny Shinoa ve ianao ? Tohizo ary ny vakiteny. Efa efa-bolana izay no nanokafan'i Elle Lee (@ElleIconLee) sy Casey Lau (@hypercasey) Youtube mba hanaparitahana ny Weibo Today izay fandaharana isan-kerinandro ao anaty aterineto manasongadina ireo lohateny malaza avy amin'ireo tambajotra sosialy any Shina amin'ny teny Anglisy.

Hong Kong: Nosavaina Ny Tranon'ny Mafana Fo Iray Noho Ny Fanendrikendrehana Ho Nisotasota Tamin'ny Aterineto

Tamin'ny 13 Jolay 2012, nisy vondrona mpitandro filaminana nanafika an'i Yang Yang (solon'anarana) tany an-tranony, mafana fo any Hong Kong ka naka an-keriny ny solosaina, ny lohamilina ary ny findainy...nolavin'i Yang izany fanendrikendrehana izany: "amin'ny maha-manampahaizana momba ny aterineto ahy, tsy hanao fanimbàna adaladala tahaka izaony aho. Ny solosaiko ao an-trano ihany ve no ho ampiasaiko? Mampihomehy izany. Na ohatra aza ka tena nanao izany fanimbàna izany aho, tsy ho fantatr'izy ireo mihitsy."

Shina: Tolon'ireo ONG Manoloana Ny ‘Governemanta Lehibe’

  15 Jolay 2012

Nivadika ho adihevitra be teo amin'ny firenena ny fanehoan-kevitra nataon'ny vahiny iray tao amin'ny fahitalavitra momba ny tsy fiaraha-miasan'ireo tomponandraikitry ny fanabeazana any Hunan manoloana ny fandaharanasa ho fanofanana ireo mpampianatra any ambanivohitra, amin'ny hoe tokony sa tsy tokony hanana ny fahaleovantenany ny ONG Shinoa miohatra amin'ny fanjakana.