· Febroary, 2012

Tantara mikasika ny Shina tamin'ny Febroary, 2012

Shina: Mitohy Ny Fifidianana Ao Wukan Ary Mampangetaheta

  20 Febroary 2012

Haingana be ny fikisahan'i Wukan tamin'ny fizorany ho any aminà fifidianana tsy mitanila sy mangarahara, nahatonga aingam-panahy ho an'ireo vohitra sasany tao amin'ny firenena no sady nahazo ny fanohanan'ireo mpampiasa bilaogy kiritika hatrany an-dalantsaran'ny anjerimanontolo. Na izany aza, raha kely indrindra dia iray amin'ireo mpiasa ambony ao amin'ny governemanta foibe no nanakiana ny fivoarana demaokratika avy aminà fikorontanan-tsaina.

Hong Kong, Shina: Fifanarahana Fahazoan-dalana Ny Vahiny Hitondra Fiara Miteraka Tahotra sy Hatezerana

  18 Febroary 2012

Niakatrakatra ny fifanenjanana teo amin'i Hong Kong sy i Shina tanibe tao anatin'ny volana vitsivitsy izay. Raha maharomotra ny  gidragidra madinika, tahaka ny rombo tanaty fiaran-dalamby, dia niteraka sahotaka sy fahatezerana teo amin'ny mponin'i Hong Kong ny nanasoniavan'ny fitondrana ao Hong Kong sy ny fitondrana ao Guangdong tsy nisy fakana ny hevitry...

Shina: Niteraka Fankalazana sy Alahelo Ny Veto Momba an'i Syria

  11 Febroary 2012

Nifidy ho amin'ny tombotsoany manokana i Rosia sy i Shina omaly tamin'ny fanoherana mampiady hevitra nataon'izy ireo tamin'ny volavolam-panapahan-kevitra tao amin'ny Vaomieran'ny fandriampahaleman'ny Firenena Mikambana miantsony filoha Syriana Bashar al-Assad hampitsahatra ny famonoan'olona ataony ao amin'ny firenena, volavolam-panitsiana ny drafitra teo aloha miantso an'i Assad hiala amin'ny fitondrana. Nohamarinin'i Shina ny fanapahan-keviny...

Boky Vaovao Momba Ny Ady Erantany Ho An'ny Fahalalahan'ny Aterineto

Fomba ahoana no hahazoana antoka fa hoe ny aterineto dia mivoatra mankany amin'ny làlana iray hifanindran-dàlana amin'ny demaokrasia? Ary ahoana no fomba hahatonga antsika ho "mpiondana aterineto" mandray andraikitra ho an'ny hoaviny ara-dizitaly? Io no lahahevitra nofinidin'i Rebecca McKinnon ho an'ny boky vaovao nosoratany: "Fifaneken'ireo mpifandrohy: Ady Erantany ho an'ny Fahalalahan'ny Aterineto."

Mongolia: Tsy Misy Zavamiaina Tavela Aorian'ny Fitrandrahana

  06 Febroary 2012

Mampanantena ny tetikasa fitrandrahana maro ao Mongolia  fa hampandroso ny foto-drafitrasa ara-tsosialy sy ara-toekarana ao an-toerana ary  hoentina hiadiana amin'ny fahantrana koa izany, saingy rehefa nandeha ny fotoana, dia mahatsiaro ireo vondrom-bahoaka eny amin'ny faritra  akaiky ny toby fitrandrahana  fa misy fiantraikany ratsy eo amin'ny tontolo iainanany sy ny fomba fivelomana...