· Septambra, 2011

Tantara mikasika ny Shina tamin'ny Septambra, 2011

Lahatsary: Jiro tavoahangy plastika sy zava-noforonina hafa miaro ny tontolo iainana

  24 Septambra 2011

Jiro mandeha amin'ny masoandro sy famanan-drano vita amin'ny tavoahangy plastika, trano vita avy amin'ny fako ary ny fomba atao tsy hampiasana harona plastika no ataon'ny tetikasa sasany hampihenana, hampiasana indray na fanodinana azy ho akora vaovao indray dia tsy vitan'ny hoe fanalan'andro ihany fa tena iankinan'ny ain-dehibe amin'ny fanatsarana ny fiainan'ny olona manerana izao tontolo izao.

Shina : Miaraka Fiverenan'ny Fahalinan'i Amerika

  24 Septambra 2011

Tsy ny olon-drehetra no nàka iny faran'ny herinandro – fialantsasatra any Shina – ho toy ny fotoana iray ahafahana mamoaka fihetseham-pon’ny henatra tamin’izay nambarany mikasika ny fanafihana tany Etazonia efa ho folo taona lasa izay, kanefa betsaka no nanao izany. I Yang Hengjun, mpanoratra, izay nanoratra momba an'i New York sy ny USA (Etazonia) tao anaty tantara nosoratany dia nizara zavatra mitovy amin'izay koa.

Shina: “Sakafo maimai-poana” ho an'ny Mpianatra Ambanivohitra avy amin'ny Fanampiana madinidinika

  06 Septambra 2011

Nanakorontana lalina ny fanabeazana Shinoa ny elanelam-pihariana misy eo amin’ny tontolo andrenivohitra sy ny tontolo ambanivohitra. Miantraika amin’ny mpianatra any ambanivohitr’i Shina ny olana ara-drafitra tahaka ny fampianarana, fandraharahana, fotodrafitr’asa ary ny kojakojam-pampianarana noho ny tsy fahampiam-bola. Any amin’ny faritra tena mahantra, na dia ny famahanana ny kilonga mba hananany...