· Aogositra, 2010

Tantara mikasika ny Shina tamin'ny Aogositra, 2010

Noam Chomsky tany Shina

  26 Aogositra 2010

Tamin'ny 13 Aogositra, nikabary tao amin'ny Anjerimanontolon'i Peking any Beijing i Noam Chomsky. Chomsky, iray amin'ireo olon-tsotra manampahaizana isan'ny misongadina amin'izao vaninandro iainantsika izao, dia malaza amin'ny hafanam-pony ara-politika sy ny fandraisan'anjarany amin'ny fanabeazamboho ny teny sy ny filaozofia. Ny resaka, nampitondraina ny lohateny hoe Ny manodidina ny Drafi-Pandaminana izao Tontolo izao: Fitohizan-draharaha sy Fiovàna (Contours of World Order: Continuities and Changes), dia saiky nirona betsaka tamina olana lehibe roa atrehan'ny zanak'olombelona: ny ady nokleary sy ny fahasimbana/fikorosian'ny tontolo iainana.

Sina: izaho no i Liu Xianbin

  18 Aogositra 2010

42 taona i Liu Xianbin ary nandany ny iray ampahatelon'ny androm-piainany tany am-ponja. Nogadraina indray izy nanomboka ny volana Jona ary manao fampielezan-kevitra amin'ny hiaka hoe "izaho no Liu Xianbin " ireo mahery fo .

Sina: Tantaran'ny “Visa”

  13 Aogositra 2010

Hatraiza fotsiny ny hasarotr'izany, hoy i Chen Zikun mpitoraka blaogy ao amin'ny Sina sady mpanao gazety mahaleo tena ao amin'ny lahatsorany tamin'ny 6 Aogositra, ho an'ireo mpitety tany Sinoa te-haka “visa”—ka ny valitenin'i Chen dia toa manao hoe: tsy dia sarotra loatra—ka izaràny ireo tantara momba ny “visa” ho an'ireo...

Sina: ny valan-tserasera fitaovam-panakorontanana ara-politika

  05 Aogositra 2010

Tena volana nahaliana tokoa iny volana lasa iny teo amin'ny kilalaon'ny fangalam-piery nisy teo amin'ny fanivanana ny aterineto Sinoa sy ny tsy fanarahana ny fomba raikitra. Nanomboka nahatsapa ny havesatry ny faneren'ny governemanta ireo mpitoraka bilaogy madinika ao amin'ny Repoblika Entim-bahoaka, noho ny fivoahan'ny tatitra avy amin'ny Akademian'ny Siansa Sosialy Sinoa (CASS)...

Sina: Aftershock – tantara sa fanoharana ara-politika?

  04 Aogositra 2010

Lasa fady ny miresaka mikasika ny horohorontany tany Sichuan tamin'ny taona 2008 any amin'ny media mahazatra noho ilay fananganana sekoly tsy zarizary iray manafintohina sy ny fisamborana ilay sivily mpanadihady Tan Zhouren, naseho tamin'ny fahitalavitra lehibe ny horohorontany tany Tangshan tamin'ny 22 Jolay, enina andro talohan'ny faha 34 taonan'ilay loza...