· Septambra, 2008

Tantara mikasika ny Shina tamin'ny Septambra, 2008

Shina: Misedra olana ny “Vita avy any Shina”

  23 Septambra 2008

Tsy mitsaha-mitombo isan’andro ny hatezerana vokatr’ilay vovo-dronono voapoizina. Ankoatry Sanlu (三鹿), ny fandraharahàna ankapobeny misahana ny fanaraha-maso ny kalitao, ny Fitsirihana ary ny Fisorohana eto amin’ny Repoblika Entim-bahoakan’i Shina koa (國家質檢總局) dia nampahafantra tamin’ny 16 septambra fa ampahadimin’ny mpamokatra vovo-dronono natao ho an’ny zazakely eto amin’ny firenena no voarohirohy amin’ilay...

Singapaora: Voarara ny ronono shinoa

  21 Septambra 2008

Nahitana melamina , ilay fangaro namparary sy nahafaty zaza tany Shina, ihany koa ilay marika ronono holandey any Singapaora. Voarara any Singapaora moa ankehitriny ny ronono avy any Shina. Nosoratan'ny mpamaham-bolongana iray : “Ho porofon'ny fifandraisan'izao tontolo izao sy ny fiafaran'ny sakafo amin'izao fotoana izao, dia efa niitatra tafavoaka an'i Shina...

Japana: ny bika tsy mahasalaman'ny “Oliravina”

  21 Septambra 2008

Mpamaham-bolongana Japoney Miyakichi ao amin'ny Miyakichi Nikki no mamelabelatra hoe nahoana moa no tsy mahasoa (tsy mifanaraka amin'ny fahasalamana velively) ny bika asehon'ireo mpilatro mahafatifaty manerantany amin'izao fotoana izao ireo [ja], izay mametraka ny safidy ho an'ireo hatsatra tarehy, 40cm ny  (manodidina ny) valahiny ary ny fanaovana kiraro avo voditongotra...

Iran: Revolisionan'ny fahamahanam-bolongana

  14 Septambra 2008

The Blogging Revolution (Revolisionan'ny famahanam-bolongana) nosoratan'i  Antony Loewenstein dia ho azo vidiana ao Amazon rehefa kelikely. Miresaka momba an'i Iran, Ezipta, Syria, Arabia Saodita, Shina ary Kiobà indrindra io The Blogging Revolution io. Eto no ilazalazany ny mombamomba ny boky.