Tantara misongadina momba ny China
Sina: Fibahànana ireo rindrambaiko natao ho an'ny sarambabe ao amin'ny Twitter
Tanatin'ny andro maromaro izao, nitatitra ireo Sinoa mpampiasa twitter fa nobahanan'ny sivana Sinoa ny ankamaroan'ireo rindrambaiko natao ho an'ny sarambabe ao amin'ny Twitter.
Hatrany amin'ny fiandohan'ity taona ity izay nandidiana ny hanakatonana ny Fanfou, vohikala Sinoa fitorahana bolongana, maro tamin'ireo mpitoraka blaogy no nikisaka nankany amin'ny Twitter mba hanapariaka ny heviny. ...
2009-11-19
Sina: Ny haintany sy ny tohodranon'i Three Gorges
Nanomboka tamin'ny Septambra tamin'ity taona ity, ny tohodranon'i Three Gorges any Sina, ny tobin'herinaratra azo avy amin'ny rano lehibe indrindra eran-tany, dia nanomboka tetikasa famenoana mba hanatrarana ny fetran'ny tahiriny, 175 metatra. Tamin'ny Oktobra, nisy haintany mahery vaika tany amin'ny faritanin'i Hunan sy Jiangxi tamin'ireo faritra antonontonony sy iva miohatra amin'ny renirano Yangtze. Misy fifandraisany ve ilay tohodrano sy ny haintany?
2009-11-13
Sina: Ranomandry vita sinoa
Tamin'ny Alahady 1 Novambra lasa teo, nahita ny firotsahan'ny ranomandry lasa aloha indrindra tao anatin'ny 22 taona i Beijing. Ny fiovàn'ny toetr'andro tampoka, izay nandrakotra ranomandry ny tanàna manontolo, dia nahazendana mponina maro. Nefa taoriana kely dia nitatitra ny haino aman-jery fa ny birao mpanova toetr'andro ao an-toerana no nanao ...
2009-11-02
Shina: Fanavaozam-pifidianana
Nanomboka niady hevitra ny amin'ny drafi-panavaozana ny lalam-pifidianana, mba hampitovy lanja ny vaton'ny any an-tanandehibe ny vaton'ny any ambanivohitra ny mpanao lalàna faratampony any Shina, ny Antenimieram-Pirenena entim-Bahoaka. Voapetraka hovakiana voalohany nandritra ny fivoriana fanao isan-droavolana faha-11 teo anivon'ny vaomiera maharitra tamin'ny herinandro teo ity volavolan-dalàna ity, izay mametraka fa ...
2009-09-22
Shina: Mpianatra ao Beijing manohitra ny hanao famerenana mitabe
Satria moa efa mihamanakaiky ny 1 Oktobra hankalazana ny faha-60 taonan'ny Repoblika entim-bahoakan'i Shina, dia netsehina hanao mitabe ho amin'izany fotoan-dehibe izany ny mpianatra avy amin'ny lisea sy ny Anjerimanontolo mihoatra ny iray hetsy ao Beijing. Misy ny mpianatra tsy faly loatra satria tsy maintsy manao mitabe avokoa ny ...
Sina: Fanomezan-danja ny fitiavan-tanindrazana Han
"Tao anatin'ny Fandaharan'asan'ny antoko komionista sinoa, tsy ny foko vitsy an'isa ihany no tsy nanana zo ara-pivavahana fa ny avy amin'ny maro an'isa Han koa aza...Amin'ny maha teraka Han sy nanalehibiazana ahy teto Sina, tsy mahita izany antsoina hoe fitiavan-tanindrazana mihoam-pampana Han izany izahay!"
2009-09-09
Sina sy Japana: Fanehoan-kevitry ny Sinoa mikasika ny fifidianana Japoney
Nandresy tamin'ny vokatra ankapobeny tamin'ny fifidianan'ny 30 Aogositra ny Antoko Demokratikan'i Japan (DPJ), izay namarana ny 50 taona maherin'ny fitondrana tsy ankizaran'ny Antoko Liberaly Demokraty (LDP) nanomboka tamin'ny 1955. Ny fandresen'i Yukio Hatoyama- mpitarika ny DPJ dia noraisina ho toy ny fiandohana vanimpotoana vaovao amin'ny politika Japoney. Lavitr'izay ho vokatr'izy ...
2009-08-31
Shina: Voakombom-bava ve ireo mpitoraka blaogy Tibetana?
Somary mampatahotra ihany fa ny ankamaroan'ireo vohikala malaza amin'ny teny Tibetana mpampiantrano blaogy (afa-tsy iray ihany) dia tsy azo nidirana efa ho telo herinandro izao.
Na dia efa mahazatra ireo vohikala amin'ny teny Tibetana mpampiantrano blaogy aza ny fiatona (indraindray noho ny "fanamboarana") mandritra ny fotoana faritan'ireo manampahefana ho saropady (jereo ...
2009-08-21
Sina: Tanora iray voadaroka mandra-pahafatiny noho ny fiankinan-doha amin'ny aterineto
Tamin'ny volana ambony, ny Ministera Sinoa momba ny Fahasalamana dia nilaza fa ny fampiasana herinaratra [electroshock treatment] hitsaboana ny “fiankinan-doha amin'ny aterineto” dia tokony hatsahatra. Na izany aza anefa, tsy nidika izany fa ny toeram-pitsaboana mitsabo ny “fiankinan-doha amin'ny aterineto” dia nampitsahatra ny fampiasana fampijaliana.






