The Global Voices Lingua project hopes to bring GV content to new linguistic audiences - Details

Also in:

Cambodia Tahiry Firenena

RSS ho an i Cambodia

2009-10-13

Nanintona ny mpankafy TIC avy any amin'ny faritra ny Barcamp tao Phnom PenhSary postVideo post

Nandray ny Barcamp Phnom Penh ny tontolo teknolojika Kambôjiana tamin'ny fiandohan'ity volana ity. Ankoatra ny fahamaroan'ny mpanatrika avy ao an-toerana, dia nanintona mpandray anjara avy amin'ny firenena manodidina ihany koa ity Barcamp ity. Niresaka momba ny teknolojia sy ny hevitra hampiasana ny fitaovam-piseraserana avo lenta isan-karazany ho fampandrosoana ny mpandray anjara. Atolotra ho fahafinaretan'ny maso ho anao ny sary sy ny lahatsary tamin'io fotoana io.

2009-08-20

Kambodza : Manontany ny Oliravin'ny vanja milevina

“ Mananjo ho tsara tarehy ny olona rehetra !” No nanombohan'ny Mpifaninana ho Oliravin'ny olona voan'ny vanja milevina ny taratasy misokatra nosoratany, izay fifaninanana natombok'i Morten Traavik avy ao Norvezy. Araka ny voasoratra ao amin'ny tranokalam-pifaninanana, hanomezana fankaherezana ireo mitondra takaitra noho ny vanja milevina sy hihaikana ny fijery ny ...

2009-08-07

Azia atsimo atsinanana: ny aterineto sy ny fitiavan-tanindrazana

Miha-mampiasa ny aterineto hanaovana fampielezakevitra ny vondrona tia tanindrazana isan-karazany any Azia Atsimo Atsinanana. Na dia ny mpitondra politika aza dia mampiasa araka izay tratra ny serasera hampiroboroboana ny firaisan-kina sy ny fitiavan-tanindrazana ao amin'ny fireneny. Mandrisika tokoa izany fironana izany rehefa manome fahalalahana ny olom-pirenena tsotra haneho ny fifikirany amin'ny ...

2009-04-03

Cambodge: Ny toe-javatra mazava mandritra ny fitsarana ny Khmer Rouge

Naka feo ireo mpitarika tao amin'ny Khmer Rouge izay misalasala ny fahampian'ny porofo hanamelohana ireo mpikambana dimy mandritra ny fotoam-pitsarana ny Khmer Rouge ny VOA Khmer. Nilaza ny heviny ny jeneraly Sok Pheap, niataka tamin'ny Khmer Rouge ny taona 1996, Tsy fantatro izay mpamono olona; miaramila tany an'ala aho, ary rehefa ...

2009-03-11

Cambodia: Mitohy ny fanampiana avy any ivelany mandritra ny Krizy ara-teo-karena

Mitohy hatrany ny tatitra eo amin’ny fanampiana any ivelany ho an’I Cambodia na eo aza ny krizy fahobe ara-toe-karena. Mizara vaovao I CAAI News Media fa hanome vola mitentina 21 tapitrisa dollar ho an’I Cambodia mba analefahana ny fahantrana eny ambanivohitry ny firenena

2009-03-05

Fanadihadiana ny hevitry ny vahoaka Kambodjianina

Notaritin’ny ivo-toerana Repoblikana iraisam-pirenenana ny fanadihadiana mikasika ny hevitry ny vahoaka Kambodjianina tamin’ny Octobra – Novambra 2008. Tsikaritry ny fanadihadiana fa ny 82%n’ny Kambodjianina no mahita fa mizotra mankany amin’ny lalana tsara ny firenen’izy ireo, ny 59%n’ny Kambodjianina no milazafa olana lehibe ao aorian’ny vidin-entana ny resaka sisitany sy ny fametrahana izany. Ny 85%n’ny mpamaly fanontaniana dia mitaky ny fifidianana ny sefom-pokotany tian’izy ireo apetraka fa tsy hoe akory hanaiky foana izay tendren’ny governemanta .

2009-02-20

Kambôja : nanokatra ny fitsarana manokana ny Khmer Rouge i Duch

I Kaing Guek Eav, fantatra amin'ny anarana hoe Duch no nitsangana nanoloana ny fitsarana manokana izay tohanan'ny Firenena Mikambana hitsarana ireo mpamono sy mpandripaka olona tao amin'ny Khmer Rouge ao Phnom Penh. Izy no nitantana ny fonjan'ny Tuol Sleng Prison tao Phnom Penh, izay nahafatesana olona manodidina ny 12 ...

2009-02-19

Kambodza: Mizotra misimisy kokoa amin'ny ho avin’ny natiora organika.

Mikirakira an-tsehatra ireo vaovao bolongana Phnom Penh mikasika ny fihemoran’ny fivezivezen’ny sakafo tamin’ny 10 Febroary 2009 ny mpitoraka bolongana ao amin’nyCAAI News Media sy i Khmer Stars. Miresaka ny filozofian’ny fanamboarana ny sakafo ho tsara, madio sy mendrika manoloana ny fihenan-tsakafo ny loharanom-baovao, ary milaza izy hoe amin’ny fomba ...

2009-02-15

Kambojia: Tatitra miampanga ireo sangany ho mangalatra

Global Witness, fikambanana iray tsy miankina amin’ny fanjakana any Londres dia namoaka tatitra hoe Country for Sale [Firenena amidy] tamin’ny 5 Febroary 2009. Mampitandrina izany tatitra izany fa mety hitontongana any amin’ny kleptocratie ny Kambojia, ary milaza fa ny antontam-bola goavana izay miditra any amin’ny kitapom-bolan’ny governemanta ...