Global Voices teny Malagasy » Brunei

Brunei:Soritroritr' ‘Ali Baba'
Maro ny toeram-pivarotana manohy mivoha hatrany saiky amin’ny faritra maro ao Brioney. Mba hahafantaranao azy mialoha, haka toeram-pisakafoanana iray vaovao isika, dia toeram-pisotroana dité sy kafe iray vaovao, toeram-pivarotana kojakojan-tokantrano iray vaovao, na toeram-pandraharahana ara-barotra goavana iray vaovao, raha tsy hilaza afa-tsy ireo. Fanampin'izay, ny ankamaroan'ireny fandraharahana ireny dia ny Maley Broneianina no mitazona azy - foko maro an'isa indrindra eto amin'ny firenena. Entina hanaporofoana izany fa tsy sahirana velively ny Maley mitady vola ho entin-manomboka asa fandraharahana iray, na ny fananana fahaiza-manao mba ho lasa mpandraharaha. Indrisy anefa, na dia miroborobo aza ny fandraharahana anatiny natsangan'ireo Maley, ny ankabeazan'izy ireny dia tsy ny tompony no manodina azy. Lazain'i Rouge economist io tranga io hoe toy ny soritroritr' ‘Ali Baba’ :

Raiso ho ohatry ny soritsoritr'‘Ali Baba’ ny sehatry ny fandraharahana. Te-hanan-karena amin'ny fomba mora sady malaky be isika. Raha tokony isika no hanodina ny orinasa dia lasa mivarotra na mampanofa ny fanomezan-dalantsika amin'ny olona avy any ivelany. Vokany, Tsy mihoatra ny rantsan-tanana folo ny isan'ny  Maley Brioneiana izay lasa mpandraharaha azontsika ireharehana raha ampitahaina amin'ny isan'ny toeram-pandraharahana ara-barotra (indrindra ny ‘kedai runcit’, ny trano fanetezana ary ny mpanjaitra). [‘Kedai runcit’ no iantsoana ny fivarotana enta-madinika]

Sary avy amin'i Anak Brunei

Ny governemantan'ny Brioney dia miezaka ny haha-marolafy ny toe-karem-pirenena amin'ny alalan'ny fandrisihana sy fampivoarana ny harena ara-olona. Tsy hahomby anefa izany hevitra sy tetik'asa fampandrosoana izany raha tsy mivoatra ny olona. Ny kolo-tsaina Broneianina ihany koa dia efa sakana manohitra ny ezaka  fampandrosoana ny toe-karena. Ny Rouge Economist ohatra dia manoritsoritra ny toe-tsain'ny Maley broneianina any am-piasana:

Ohatra hafa no maneho ny toe-tsain'ny Maley broneianina any am-piasana. Tafiditra ao anatin'ny kolo-tsain'ny fitantanana ny fiatoana misotro dite amin'ny dimy ora. Ny toetran'ny ‘karang tah’ [translation: “Amin'ny manaraka angamba”, na “Hataoko io aoriana kely ao.”] no nahatonga ny governemanta very dollars an-tapitrisany maro eo amin'ny sehatry ny famokarana ary teo amin'ny fampidiram-bola. Vokatr'izany, ny raharaham-bahoaka, izay asa tena voalohan-tsafidin'ny Brioney Maley, dia milona, tsy mamokatra sy tara ka indraindray aza dia herinandro maro no isaina izay vao mahatonga taratasy any amin'ny distrika kely iray, ary amam-bolana vao mahazo valiny ny fangatahana iray. (Oadray, izany ve no samy taritary avy any an-tanàna?)

Noho izany dia zava-dehibe loatra ho an'ny Brioney ny manorina tontolo afaka handrisika ny Maley manokana hamokatra bebe kokoa sy ny Broneianina rehetra amin'ny ankapobeny. Raha tsy mivoatra ny vahoaka mpanodika ireny seha-pihariana ireny dia mbola nofinofy lavitra dia lavitra ny fandrosoana.

Azia AtsimoAtsinanana: Loharanon'angovo fanolo
Noho ny fidangan’ny vidin-tsolika, maro ireo firenena avy any Azia Atsimo-Atsinanana no nanamafy ny ezaka ho fitrandràhana loharanon’angovo hafa ho fanolo. Eny fa na dia ireo firenena mpamokatra solitany toa an’i Malezia, Indonezia sy Brunei aza dia samy mampiasa vola hitrandraka angovo azo avaozina avokoa.

Tena andrandraina sy ilaina ny fampiasàna angovo fanolo. Niteraka hetsi-panoherana goavana tany Malezia sy Indonezia ireo fisondrotan’ny vidin-tsolika vao haingana teo Mitàna toerana lehibe eo amin’ny hamafin’ny olana ara-toekarena any amin’iny faritra iny, izay efa tandindonin’ny fiakaran’ny vidin-tsakafo sahady, ny fidangan’ny vidin’ny solika.

Miova ny fomba fiainana satria efa tonga saina amin’ny olana mikasika ny solika ny rehetra. I Tree Maple dia milaza fa hisy vondrona goavana mandàla ny tontolo iainana hijoro ao Singapour ato ho ato. Hampiasa betsaka ny loharanon’angovo azo avaozina izy io. i Tumelor kosa dia mamaritra ny tetikasan’ny fari-piadidian’i Bangkok hampiasa ny angovo azo amin’ny rivotra mba hamatsiana ny fanazavàna ireo vàla iraisan’ny daholobe (parcs publics).

Ny mpamokatra goavana indrindra thailandey amin’ireo zavatra fanjifa, Saha Group, dia nandroso drafitra iray ho fanalàna iray isan-jato amin’ny fanjifany solika amin’ity taona ity, amin’ny alàlan’ny fampiasana angovo azo amin’ny masoandro. Ho an’ny Rambling Librarian kosa indray, manantena izy fa indray andro any ny angovo azo amin’ny masoandro (sy ireo vatoaratra arifomba) dia hanome azy ny herinaratra ilainy amin’ny fitaovana fampiàsany ao an-tokantrano.

Ao amin’ny blaogin’i Asiabiofuels , voamarika fa any Indonezia, ireo orinasam-panjakana manana toeram-pambolena midadasika dia nanàngana vondrona mba hanorina ozinina famokarana biodiesel (solika ara-biolojika). Nefa toa miha-mitonbo ny fanoherana ny fampiasàna ny biocarburants manerana ny tany, ny mpitoraka blaogy The Poisoned dia manohana azy ireo. Fa i Orangutan Outreach kosa dia miampanga ny famokarana menaka voanio ao Indonezia, izay miteraka fifandirana anatiny, fifindran-toeran’ny olona manjary lasa tsy manan-kialofana, sy ny maty.

Manana toerana goavana aty amin’ny faritra ny géothermie, indrindra fa any Philippines sy Indonezia. Fanadihadiana iray no manazava fa “ireo firenena roa ireo dia tafiditra ao anatin’ny “ faribolan’ny afon’ ny ” Pacifique, faritra iparitahan’ny volkano etsy sy eroa ary toeram-pitrandrahana goavana indrindra maneran-tany amin’ny resaka géothermie (angovo azo amin’ny hafanan’ny tany ary ve ity?????).”

Mampitandrina antsika ihany anefa i The Asia Tomorrow mikasika ny sàkana mety hosedrain’ny fivoaran’ity géothermie ity :

Sàkana maro no manelingelina ireo tetikasa goavana maro amin’ny faritra hafa. Fandavàhana marobe no tsy maintsy apetraka mba hitrandrahana araka izay tratra ny fanambanin’ny tany ka hanatràrana ny rano mafàna (mivaivay) sy ny entona mafàna ilaina amin’ny fanodinana ireo turbine hamokarana angovon’aratra. Andanin’izany, ny fahazoana-dàlana takiana hahafàhana manangana ireny tetikasa ireny dia efa manataraiky azy. Ireo volkano tsy mbola levona dia manana tahan’asidra avo tokoa, izay mitarika fahalovan’ny fitaovana fitaterana ilaina mba hampiasàna ny géothermie.

Nanamarika kosa anefa ny mpanoratra ity hafatra ity fa ny tambin’ny fitrandrahana ny géothermie dia mora lavitra :

Na dia lafo aza ny fandavàhana sy ny fanangànana loharanon’angovo (générateur) raha ampitahaina amin’ireo fomba hafa entina mamokatra angovo, tsy raisina amin’izany ny fotoana fitiliana, dia ny fikarakarana sy ny fanodinana foibe géothermique iray no mora kokoa. Mila manisa fito na valo taona any ho any manomboka any amin’ny tetikasa géothermique ka hatrany amin’ny tena fanodinana azy. Ny sàndan’ny fanaovan-dàlana any amin’ny faritra mitoka-monina dia efa isan’ny olana. Ny fananam-pitokisana amin’ny « crédits carbone » dia efa mitondra tsirim-panantenana amin’ny fampiasàm-bola amin’ireny tetikasa ireny, ary mety hahafàhana sahady mamatsy amin’ny ampahany ny vola ho enti-miainga.

I Thaïlande, Vietnama ary Indonezia dia samy misaintsaina ny hampiasa angovo nokleary. Misy fiaraha-miasam-paritra iray momba ny olan’ny fahazoana antoka nokleary (sûreté nucléaire) noraisin’ireo firenena ireo tsy ela akory izay, miaraka amin’i Shina, Korea atsino ary Japana. Nefa kosa i nomad4ever dia mitsipaka ny hanangànana foibe nokleary any Indonezia :

Mba hanohànany ny firoboroboan’ny toekareny, i Indonezia dia maminavina ny hanangana foibe nokleary miisa efatra hatramin’ny taona 2025. Ambara fa ny fanangànana foibe nokleary dia hanàla ny fiankinan-dohan’ny firenena amin’ny angovo azo avy amin’ny fossiles toy ny solika na ny arintany, nefa hahafahàna mamokatra mora foana ny herinaratra ilaina. Fa mitranga ny fanontaniana : nahoana no any amin’ny faritra be volkano sy lasibatry ny horohorontany, tratry ny safo-drano sy ny tsunamis no atsangana ireo foibe nokleary? Tsy nisy safidy hafa mihitsy ve ? Ny géothermie angamba dia safidy iray azo nizorana ary miaro ny tontolo iainana, izay afaka manampy an’i Indonezia hamaly ny filany ara-angovo tsy mitsaha-mitombo sy manatsara ny fijerin’ny hafa azy manoloana ny fiakaran’ny hafanan’ny tany, ivelan’ireo teny nandritry ny fihaonam-be tany Bali.

I Bellamy Budiman koa dia manohitra ny fanangànana foibe nokleary, ary manindraindra ny fampiasàna ny angovo entin’ny rivotra ho solon’izany:

Raha tena miasa loha marina momba ny olana ara-angovo ny governemanta, dia tokony mba hanao dingana kely izy mba hampivoàrana ny angovo azo avaozina. Raisintsika ho ohatra ny angovo azo amin’ny rivotra. Manana rivotra betsaka isika eto amin’ny tanintsika. Raha mba manao ezaka mametraka ireny milina mpanome herinaratra avy amin’ny rivotra ireny isaky ny tanàna ny governemanta, dia mino aho fa hisy ampahany amin’ny olana amin’ny famatsiana herinaratra ho foana.

Tena hadalàna ny eritreritra hanangana foibe nokleary eto amin’ny firenena. Satria na dia ny olana tsotra ateraky ny fako sy ny fifamoivoizana aza tsy mbola hay ny mamaha azy, tsy hitako hoe inona no antony hanangànana foibe nokleary. Toa efa azoko an-tsaina sahady ny Tchernobyl amin’ny endrika vaovao, Hiroshima sy Nagasaki. Tsy mampiasa baomba, mazava ho azy. Tsy misy ilàna an’izany akory, satria dia hipoaka ho azy amin’ny tenany eo ilay izy. Na ny firenena vaventy aza efa miala amin’ny nokleary.

Ny Blog of Bobby, ao Brunei, dia mandroso tolo-kevitra :

Vahaolana iray azo irosoana ny fampiasana ny haitao hita anatin’ireny boky mitantara nofinofy ireny (l'utilisation de technologies de romans de science–fiction), izay mbola amin’ny sehatry ny fikarohana, nefa kosa tsy mbola tonga amin’ny fotoana azo amarotana azy (qui sont l'objet de recherches, mais ne sont pas commercialement viables). Isan'ny tena safidko amin’izy ireny ny fusion (fanakambanana) , ny Cold fusion (fanakambanana amin’ny fomba mangatsiaka???), sy ny zero point energy (???). Ny fanakambànana ara-nokleary no tena mpirotsaka antsehatra goavana indrindra, nefa sady mamokatra angovo betsaka izy ny mitroka ihany koa.

I Sarawak Headhunter dia manoratra, mikasika indrindra ny entona voajanahary:

Sarawak dia mahita angovo fanolo goavana azo aroso : ny entona voajanahary. Araka ny Sampan-draharaha momba ny fampandrosoana any Bintulu, dia manana tahirin’entona manodidina ny dimy alina milliards metatra toratelo eo ny firenena rehefa atambatra.

I mogLie's recycled ramblings dia misiisika mafy ny amin’ny maha-zava-dehibe ny fitsitsiana angovo :

Angamba dieny ankehitriny izao dia efa tokony ho haintsika fa tsy angovo azo avaozina akory ny solika, ary raha tsy vitantsika ny mitsitsy angovo, dia ho voafandrika ihany isika. Tsy hoe dia efa saro-tahotra diso tafahoatra aho fa tokony mba hanova fomba fisaina isika ary mandinika fa efa tamin’ny andro fahiny izany solika natao fafy kàtrana izany. Efa iadiana izao ny fitrandrahana solika (na entona) tsy dia manao ahoana, ary ny loharanon-tsika amin’ny ho avy dia ho avy any anaty rano lalina any.

Brunei : Matavy loatra
Ny mpiblaogy Old Man [Antidahy] dia manontany tena mikasika ny fihanaky ny  hatavin'ny mponina any Brunei :

« BRUNEI Darussalam is the most obese nation in the Southeast Asian region…. a local medical expert said. […]

Nearly one in three of Brunei's youth is overweight or obese - Minister's comments during World Diabetes day yesterday. »

« BRUNEI Darussalam no firenena matavy indrindra aty amin'ny faritry Azia Atsimo Atsinanana … araky ny filazan'ny dokotera eo an-toerana […]

Efa manakaiky ny iray ampahatelon'ireo zatovo aty Brunei no mavesatra loatra na matavy loatra - hoy ny Ministra iray omaly, nandritra ny fankalazana ny andro hiadiana amin'ny Diabeta. »

Preetam Rai

Brunei : Fanajan-dalàna
Ny mpiblaogy Old Man [Antidahy] dia manontany tena mikasika ny tsy fanajan-dalàna ara-pifamoivoizana any Brunei :

« I read the news about the 16 year old boy killed in an accident on Sunday. Sad news. Shouldnt have happened. He was just sixteen and he was driving all the way from KB to Bandar. How is that possible? »

« Novakiako tamin'ny gazety fa nisy zazalahy vao 16 taona monja maty tamin'ny lozam-pifamoivoizana. Mampalahelo. Loza tsy tokony hiseho ny toy izany. Vao 16 taona monja izy anefa namily ny fiara avy any KB ka hatrany Bandar. Ahoana no mahatonga ny zavatra toy izany ? »

Preetam Rai