Tantara mikasika ny Azia Atsinanana tamin'ny Aogositra, 2013
LAHATSARY: Diabem-Pireharehana 2013 Ao Vietnam
Handinika ny volavolan-dalàna momba ny ny fanambadian'ny olona mitovy fitaovam-pananahana i Vietnam atsy ho atsy. Saingy omena toerana amin'izany ve ny olana manodidina ireo LGBT?
Te-hanara-maso Ireo Resadresaka Ao Amin'ny Rindrambaiko LINE I Thailandy
Nokasaina hanaraha-maso ireo fandrahonanany fiandrianam-pirenena anaty Aterineto izany volavolan-dalàna izany. 15 tapitrisa ireo olona mampiasa ny LINE ao Thailandy.
Singapore : Loha Sola Ho Fanairana Hanohanana Ireo Ankizy Mararin'ny Homamiadana
Nahasintona olona maherin'ny 6.000 ilay hetsika fanasolàna loha izay mikendry ny hanangonam-bola sy fampiroboroboana ny fanentanana momba ny homamiadana mpahazo ny ankizy.
SARY: Tatitra momban'ny Tondra-drano Avo Any Amin'ny Renivohitr'i Filipina
Nikapoka an'i Filipina ilay rivomahery tropikaly Trami ary niteraka tondra-drano goavana tany Manila sy ireo faritany manodidina. Olona maherin'ny dimy hetsy no niharan'io rivomahery io.
Ny Fanenjehan'ny Fitondrana Shinoa Ireo Tranonkala Mahaleotena “Tsy Ara-dalàna”
Maro ny habaka no nakatona satria tsy nahazo lisansa, na lazaina fa misoloky andrim-panjakana na manampahefana, amin'ny fampiasana voambolana tahaka ny hoe "Shina" na "vahoaka" amin'ny anarany.
Shina : Ny Atao Hoe “Hery Avy Any Ivelany” Sy Ny Famaritana Vaovao.
Noforonin'ny Shinoa mpiserasera amin'ny aterineto ny voambolana politika Shinoa hoe 'hery avy any ivelany' hitsikerana ny kolikoly ao an-toerana sy ny fanelanelanana atao any ivelany.
Fanangona-Tsonia Hanitsiana Ny Lalàna Vietnamiana Mametra ny Fahafahan'ny Media
Bilaogera efa mihoatra ny 60 no nanao sonia ilay fanambaràna iraisana [en] handritsihana ny governemanta vietnamiana hanatsara ny lafiny zon'olombelona sy ny famitana ny adidiny raha eo ampametrahana ny firotsahany ao amin'ny Filankevitry ny zon'olombelona eo amin'ny Firenena Mikambana izy: Tokony hijery ny toeran'ny zon'olombelona eo amin'ny fireneny ihany koa...
Fanahiana Fisian'ny Hosoka Bevava Tamin'ny Fifidianana Tao Kambodza
Saingy nahazo toerana maromaro kokoa ny mpanohitra sady navitrika tamin'ny fampieleza-kevitra ho amin'ny fiovana ny tanora
Miasa Hanova Ny Lalànan'ny Fitsapa-Kevi-Bahoaka ‘Tsy Ara-dRariny’ Ny Mpanohitra Ny Nokleary
Manome vahana izay vitsy an'isa manao ankivy ny fandrotsaham-bato ny lalàna momba ny referandaoma ao Taiwan, izay mitaky ny fandraisana anjaran'ny 50 isan-jaton'ny mpifidy voasoratra anarana.
Voaheloka Namono An-kerisetra Tovovavy Ilay Ramatoa Mitondra Vohoka Sy Ny Vadiny Tao Shina
Namoy ny ainy i Hu Yixuan, mpianatra mpanampy mpitsabo 17 taona raha iny namonjy ramatoa bevohoka niangavy hampiakatra azy any an-tranony.