· Mey, 2013

Tantara mikasika ny Azia Atsinanana tamin'ny Mey, 2013

Vary Feno Cadmium Hita Ao Shina

  30 Mey 2013

Vary voapoizin'ny metaly mavesatra cadmium, antsoina amin'ny anaram-bositra hoe “vary cadmium” indray no fanafintohinana farany any Shina, miteraka fikoropahana sy fahatezerana eo amin'ny mpanjifa ao amin'ny firenena. Ny sampan-draharaha misahana ny sakafo sy ny fanafody Guangzhou [zh] no nanambara tamin'ny 16 Mey fa ny valo amin'ny santionam-bary 18 notsirihana tamin'ny...

Tranonkala Sosialy Shinoa Miaro Ny Filoha Lefitra Amerikana Amin'ireo Fanehoan-kevitra Mikasika An'i Shina

  29 Mey 2013

Niatrika tsikera mamaivay avy amin'ny mpianatra iraisam-pirenena Shinoa ny Filoha Lefitry ny Firenena Amerikana Joe Biden taorian'ny niantsoany an'i Shina ho firenena tsy afaka "mieritreritra zavatra hafa" na "mifoka rivotra malalaka" nandritra ny kabariny fanokafana tao amin'ny Anjerimanontolon'i Pennsylvania.. Saingy namaly bontana ireo Shinoa mpisehatra amin'ny Aterineto, nitsikera ireo mpianatra any ivelany mikasika ny fitondrantenany sy ny fiarovany ny kabarin'i Biden ho mendrika hosaintsainina tsara

Mandrara Ny Lohahevitra ‘Tsy-Lazaina Fito’ Ny Governemanta Shinoa

  22 Mey 2013

Nisy mpampianatra anjerimanontolo shinoa iray namoaka vao tsy ela tao amin'ny bilaogy bitika shinoa malaza mitovy amin'ny Twitter antsoina hoe Sina Weibo fa nandidy tsy hampianaran'ny mpampianatra anjerimanontolo lohahevitra fito ny fitondrana, ka tafiditra ao anatin'ireo tsy azo ampianarina ny fahalalahan'ny fanaovan-gazety, ny fahadisoana nataon'ny antoko komonista taloha ary ny...

SARY: Tetikasa “Inside Out” Ao Japana

  21 Mey 2013

Tamin'ny volana Novambra 2012, nisy kamiao iray niainga tao an-tanàna avaratra andrefan'i Japana, Kesennuma ho any Fukushima. Ahitana ila-maso ngezabe isaky ny zoron'ilay kamiao, ary zavatra misokatra tahaka ny boaty paostaly kosa no hita afaran'ilay kamiao. Mitondra fakàntsary hakàna sary ny ao amin'ilay kamiao, ary koa milina fanaovana printy lehibe....

Mety Hitondra Fiovana Ve Ny Fifidianana Solombavambahoaka Ao Malezia?

  20 Mey 2013

Noravàn' i Praiministra Najib Razak ny parlemanta Malezianina tamin'ny 3 Aprily 2013 mba hanomanana ny fifidianana solombavambahoaka faha 13 eo amin'ny firenena. Mety mbola hanjaka hatrany amin'ny fifidianana ve ny mpitondra nandritry ny antsasaky ny taonjato lasa? Sa ve hisafidy ny fiovana ny vahoaka?

Brunei: ‘Efa Manakaiky Ny Fanivànana Ny Aterineto Mihisatra’

  20 Mey 2013

Mitaraina noho ny fidirana aterineto meda sady tsy azo antoka any amin'ny fireneny ireo mpampiasa aterineto ao Brunei. I Brunei dia iray amin'ireo manana fidirana aterineto lafo sanda indrindra any Azia Atsimo-Atsinana nefa maro amin'ireo mpampiasa aterineto ao Brunei no mahatsapa fa ratsy ny tolotra aterineto azon'izy ireo raha toa ka midangana be kosa ny sarany aloany.