· Marsa, 2013

Tantara mikasika ny Azia Atsinanana tamin'ny Marsa, 2013

Androany Tibet, Rahampitso Hong Kong?

  29 Marsa 2013

Mafana fo amin'ny tambajotra any Hong Kong no nikarakara fihaonambe hanehoany ny firaisankinany amin'ny Tibetana teo amin'ny fitsingeran'ny faha 54 taonan'ny Andro Firohotana Tibetana tamin'ny Alahady 10 Martsa 2013. Maro amin'ireo mpandray anjara nanatrika ny fihaonana no mihevitra fa tokony handray ny lesona avy amin'i Tibet ny vahoakan'i Hong Kong mba tsy hiverenan'ny tantara any Hong Kong.

Pôlitikan'ny Zava-mahadomelina Sy Ny Drôna Any Shina

  27 Marsa 2013

Novonoin'i Shina ny 1 Martsa 2013 teo ny mpanjakan'ny zava-mahadomelina any Myanmar Naw Kham sy ireo mpikambana ao amin'ny tarika misy azy, Hsang Kham avy any Thailand, Yi Lai, ary Zha Xika avy ao Laos, taorian'ny nanamelohana azy ireo ho namono tantsambo Sinoa 13 tany amin'ny onin'i Mekong tamin'ny 2011. Nahatonga resabe eran-tany momba ny heloka nataony, ny pôlitikan'ny zava-mahadomelina any Myanmar ary ny faneken'ny ampahan'i Shina ny fahazoany drôna, ny fahafatesany.

Hampiroborobo ny ‘Fiarahamonina miara-mientana’ ve ny tetibola 2013-n-i Singapore?

  26 Marsa 2013

Azo antoka ny tetibola 2013 fa hiezaka ny mba hanome izay ilain’ireo singaporean mikasika ny : fameperana entitra mikasika ny asa any ivelany, ny valisoa sy sazy mba hampitomboana ny vokatra avy eto an-toerana, rafitra ara-ketra mivoatra kokoa, fepetra maro mba hanamaivanana ny vidin’ny trano sy ny fiara. Avy amin’ny tetibola, irian'ny fanjakana ny hametraka bebe kokoa ny fandraisan’anjaran’ny fiaraha-monina.Saingy mety ho tanteraka ve izany?

Myanmar: Fanentanana ‘Vonjeo ny Valantsika’

  24 Marsa 2013

Miaro ny hevitra hoe mandindona ny fahasalamana izy ity, te-hamindra toerana ny valan-javaboahary Yangon izay marika namantarana ny tanàna hatramin'ny 1906 ny gevernemantan'i Myanmar. Manohitra ity sosokevitra ity ny vahoaka sy ny mponina amin'ny aterineto ary miahiahy izy ireo fa toa hitohy amin'ny fananganana hotely eo amin'ilay toerana aorian'ny famindrana izany.

Filipina: Mpianatra Iray Namono Tena Rehefa Noterena Hanapaka Ny Fianarany Noho Ny Saram-pianarana Tsy Voaloa

  24 Marsa 2013

Namono tena tamin'ny Zoma maraina lasa teo ny tovovavy iray 16 taona mpianatra tao amin'ny Anjerimanontolon'i Filippina, ao Manila taorian'ny nanakanan'ny mpitantana ny sekoly azy tsy hanatrika ny fampianarana intsony noho ny resaka saram-pianarana tsy voaloa. Nivatravatra manerana ireo vohikalan'ny tambajotra sosialy rehetra ny alahelo sy ny fiaraha-miory manodidina ny fahalasanany. Maro ihany koa ireo naneho ny hatezerany manoloana ny rafi-pampianarana diso atao resa-barotra loatra ao amin'ny firenena.

Bilaogera Shinoa Notànana Rehefa Avy Nataon'ny Polisy Famotorana

  22 Marsa 2013

Notànana ilay poety Shanghai rehefa avy nataon'ny polisy Shinoa famotorana taorian'ny fandefasany lahatsoratra tao amin'ny bilaogy madinika malaza Sina Weibo, izay miantso ireo mpanaraka azy hiara-hirona hitsangatsangana manamorona ny renirano Huangpu ho fanairana ny saina ao amin'ny lalan-drenirano izay nahitana vao haingana ireo fatinà kisoa 15.000 nitsingevana. Tamin'ny voalohany nahitana ireo fatinà kisoa tamin'ny...

Voasivana Ny Media Sosialy Taorian'ny Vato Tokana Manohitra Ilay Filoha Vaovao

  20 Marsa 2013

Niharan'ny sivana ny media sosialy Shinoa noho ny adihevitra mikasika ilay olona tsy fantatra nandatsa-bato tokana manohitra ny fanendrena ofisialy ny lehiben'ny kaominista Xi Jinping ho filoha. Nandritra ny fandahatsa-bato miezinezina, araka ny efa nampoizina, voafidy ho filohan'i Shina tamin'ny vato 2.955 mankasitra azy sy telo tsy nifidy i Xi tamin'ny 14...