· Febroary, 2013

Tantara mikasika ny Azia Atsinanana tamin'ny Febroary, 2013

Mbola Matroka Ny Fahalalahan-Gazety ao Myanmar Na Misy aza ny Fivoarana

  25 Febroary 2013

Noderain'ny vondrona maro ho dingana mankamin'ny fahalalan'ny fahalalahan-gazety ao amin'ny firenena ny fanapahan-kevitr'i Myanmar hanafoana ny sampana malaza amin'ny fanaovana sivana. Saingy mbola navoitran'ny mpikatroka mpanara-maso ny fahalalahan-gazety ihany ny fitohizan'ny fampitahorana, fahasarotana ary ny fanafihana nahazo ny mpanao gazety monina ao Myanmar tamin'ny herintaona.

Korea Atsimo: Lehiben'ny Polisy Teo Aloha Nogadraina Fa Nanala-Baraka Ny Filoha Efa Nodimandry

  23 Febroary 2013

Nahazo sazy an-tranomaizina 10 volana ilay lehiben'ny polisy Koreana Tatsimo teo aloha noho ny fiampangana lainga nataony tamin'ilay filoha teo aloha efa any amin'ny varo-tsy-mifody izay nolazainy fa manana kaonty miafina amin'ny banky amin'ny anarana sandoka. Tamim-pifaliana no nandraisana ny didy navoakan'ny fitsarana, saingy nitaraina ny sasany tamin'ireo mpisera aterineto fa...

Senatera Aostraliana Voaraoka Fa ‘Nitsabaka’ Tamin'ny Raharaha Politika Ao Malezia

  22 Febroary 2013

Notànana nandritra ny 15 ora tao amin'ny seranam-piaramanidina ao Kuala Lumpur, ao Malezia ilay Senatera Aostraliana Nick Xenophon alohan'ny nandroahana azy rehefa voampanga ho ‘fahavalom-pirenena izy.’ Nilaza ireo manampahefana Maleziana fa “mety hitondra fanakorontanana sy zava-doza ho an'ny fiarahamonina” i Xenophon. Tokony hihaona tamin'ireo lehiben'ny mpanohitra ao Malezia i Xenophon mba hikarakara...

Maleziana, Psy: “Aza Miakan-tsehatra Hihira Ho An'ny Antokon'ny Fitondrana Mpanao Kolikoly”

  22 Febroary 2013

Nahazo fanasana avy amin'ny Praiministra Najib Razak sy ny antokon'ny fitondrana Barisan Nasional (BN) ilay mpanakanto malaza Psy mba handray anjara aminà lanonana karakarain'izy ireo ao Malezia, kanefa raha tokony hiarahaba azy ho tongasoa, mpankafy marobe no nankao amin'ny pejy facebook-n'i Psy niangavy azy tsy hanatrika sy tsy handray anjara amin'ny lanonana Taombaovao Shinoa. Voalaza fa amin'ny alalan'ny fanasana an'i...

Manakenda Ny Artista Ny Lalàna Ao Japana Mikasika Ny Fahavetavetana

  19 Febroary 2013

Nosamborina ilay mpaka sary lamaody antsoina hoe Leslie Kee noho ny famarotana sary mamoafady tamin'ny fampirantiana nataony farany teo tao Tokyo. Fa fanehoana talenta ve ny sanganasany sa fanehoana fahavetavetana? Ao anatin'ity lahatsoratra ity isika dia mahita ny fisian'ny lalàna izay 'manamavo' ny fanehoana ny talenta ao Japana.

Hong Kong : Mafàna Fo Nogadraina Noho Ny Fandoroana Sainam-Pirenena Shinoa

  18 Febroary 2013

Voasazy sivy volana an-tranomaizina ilay mafàna fo ao Hong Kong tamin'ny Alakamisy noho ny nandoroany sy nandrovitany sainam-pirenena Shinoa sy sainam-pirenena Hong Kong nandritra ny hetsika in-droa miantaona nanoherana ny governemanta kaoministy ny tanibe , nanaitra ireo maro mpiserasera amin'ny aterineto hampiakatra ny fanivaivàny ny sainam-pirenena Shinoa amin'ny nahim-pony ho fanoherana ilay sazy mavesatra..

Fanandramana Noklearin'i Korea Avaratra, Satroka Antitra ho an'i Koreana Tatsimo

  16 Febroary 2013

Nanamafy i Korea Avaratra tamin'ny talata fa nahavita ny fanandramana nokleary fahatelo, izay nahazoany fanamelohana avy amin'ny fiarahamonina iraisampirenena sy nampihenjana kokoa ny tadim-pifanolanana efa misy ao Azia Atsinanana. Ilay fanapoahana, izay fanandramana nokleary voalohany teo ambany fitondran'i Kim Jong-un, dia tombanana ho manana hery atsasaky ny baomba nalatsaka tao Hiroshima,...

Manafàna Ny Adi-hevitra Momba Ny Fanivaivàna Mpanjaka ny Raharaha Somyot

  13 Febroary 2013

Taorian'ny nitazonana azy nandritra ny 21 volana sy ny tsy namelana azy hahazo fahafahana vonjimaika in-12 misesy dia nomelohin'ny Fitsarana Ady Heloka Bevava ao Bangkok ho nanitsakitsaka ny lalàna tamin'ny fanivaivana ny Manjaka ny mpikatroka Somyot Prueksakasemsuk. Tamin'ny mahatonian'ny gazety-boky Feon'i Taksin (noraràna tamin'ny 2010) azy dia voafelaky ny fanagadrana maharitra folo...