· Janoary, 2013

Tantara mikasika ny Azia Atsinanana tamin'ny Janoary, 2013

“Atsaharo Ny Famotehana Ny Tantaran'i Hong Kong”

  28 Janoary 2013

Tamin'ny fotoana nahalany sy nametrahana tamin'ny fomba ofisialy ny Ben'ny tanànan'i Hong Kong vaovao CY Leung, antontan-taratasy amina miliara noraketin'ny governemanta no nopotehina. Raha ny marina, raha alahatrao avokoa ireo raki-taratasy nopotehina ireo dia ho 40 avo heny noho ny haavon'ny fanorenana avo indrindra manerantany dia ny Burj Khalifa ao...

Mampisara-Kevitra an'i Japana Ny Fako Navelan'ny Horohoron-tany

  27 Janoary 2013

Herintaona sy folo volana izay no lasa hatramin'ny nisian'ilay Horohorontany Goavana tao Atsinanan'i Japana tamin'ny 11 Martsa 2011. Eo am-panaovana dingana amin'ny fanorenana ireo faritra voakasiky ny horohoron-tany, izany dia noho ny fanohanana sy fanampiana avy amin'ny Japana rehetra manerantany. Na dia izany aza, mampizara ny firenena ny olana momba ny fandoroana ireo...

Ny Taokanton'ny Fanoherana Ao Shina, Mihoatra Lavitra An'i Ai Weiwei

  24 Janoary 2013

Lasa malaza ao Shina ny endri-panoherana atao amin'ny endrika taokanto. Ity lahatsoratra ity dia mitondra ny mpamaky hijery ireo hetsika kanton'ny tarika - Made-in-J Town - izay nanao seho maro tamin'ny alàlan'ny vatany tao Shandong tamin'ny 2008, taonan'ny Olaimpika tao Beijing sady taona niatrehana famoretana henjana ho an'ireo feo manohitra.

Laos: Aiza i Sombath Somphone?

  20 Janoary 2013

  Ny 15 Desambra 2012 no nahitana farany an'i Sombath Somphone, ilay mpahay fiharian-karena fampandrosoana sy mpanabe avy ao Laos. Iray volana taorian'ny fanjavonany hafahafa, dia nangataka tamin'ny governemanta Laosiana ireo namany sy mpanohana an'i  Sombath Somphone eran-tany mba hanamafisana ny fitadiavana azy. Ny takarivan'ny sabotsy 15 desambra tao Vientiane no nahitana farany an'i Sombath Somphone,...

Tondradrano Ao Indonezia : Fepetra Hamehana Ao Jakarta

  19 Janoary 2013

Nataon'ny tondradrano goavana fahirano i Jakarta, renivohitr'i Indonezia. Napetraky ny Governora Joko Widodo ho amin'ny toeran'ny hamehana ny renivohitra hatramin'ny 27 Janoary. Voatatitra fa amin'ireo sobadistrika 44 ao Jakarta, 27 no tondraky ny rano.

Vory Lanona Mamonjy ‘Fitroaran'ny Olom-pirenena’ Ireo Maleziana

  15 Janoary 2013

Folo an'arivony ireo tonga namonjy ny ‘Himpunan Kebangkitan Rakyat’ (adika ara-bakiteny hoe Fitroaran'ny Fivoria'ny Olom-pirenena) ao Kuala Lumpur, Malezia ny andron'ny 12 Janoary 2013, izay nokarakarain'ny Firaisamben'ny Mpanohitra Pakatan Rakyat ka nampitombo ny heriny izy ireo amin'izao fotoana mialoha ilay fifidianana faobe nambara fa hotanterahina amin'ity taona ity. Nanasongadina ny...