· Desambra, 2012

Tantara mikasika ny Azia Atsinanana tamin'ny Desambra, 2012

Zanakavavin'ilay Mpanao Didy Jadona taloha no voafidy ho Filoham-Pirenena ao Korea Atsimo

  29 Desambra 2012

Tamin'ny 19 Desambra 2012, Park Geun-hye dia voafidy ho Filoham-pirenena manaraka indray ao Korea Atsimo. Izy dia avy amin'ilay antoko ila havanana Saenuri party sady zanakavavin'ilay mpanao didy jadona taloha Park Chung-hee. Na dia teo aza ireo zava-bitan'i Park amin'izao izy vehivavy voalohany voafidy ho Filoham-pirenena ao anaty fiaraha-monina izay ny lehilahy no Loholona izao, ireo tanora liam-pandrosoana sy tia fihetsiketsehana dia manohitra mafy an'i Park.

Tongava Ao Shina Mandritra ny Krismasy Mba Hankafy Ny Fahalalaham-pivavahana!

  29 Desambra 2012

Sampana iray ao amin'ny Antoko Komonista Shinoa, ny Global Times, izay namoaka lahatsoratra momba ny Krismasy ka manasa ireo Shinoa mpanara-baovao mpila-ravinahitra mba hoavy hankalaza ny fety ao Shina [zh] mba hahita maso ny fomba fankalazan'ny mponina Shinoa ny Krismasy manerana ny firenena. Ho setrin'ireo tsikera maro sosona momba ny filazana fa...

Rivo-Doza Nandringana Ain'Olona Tany Filipina: “Nanidina Daholo ny Zavatra Rehetra. Tena Tsy Nampino.”

  28 Desambra 2012

Mopera Joel Tabora namintina ny haben'ny fahavoazana tamin'ny fandalovan'ilay rivo-doza Pablo tany amin'ny faritra atsimon'i Filipina: "Toy ireny miditra aminà faritra misy ady ireny ny miditra ao amin'ny Monisipaly Compostela, akondro aminà hekitara sy hazo fihinam-boa maro no nidaboka. Tsy manan-kohanina ny olona any zao. Tsy misy rano madio. Tsy misy onjam-pifandraisana. Afaka roa volana raha kely indrindra vao andrandraina ho tafaverina ny herinaratra."

Mampitandrina i Shina: “Tsy Ambonin'ny Lalàna ny Aterineto”

  28 Desambra 2012

Ny 18 Desambra 2012, namoaka lahatsoratra eo amin'ny pejy voalohany mitondra ny lohateny hoe “Tsy ambonin'ny lalàna ny Aterineto” ny gazety mpanohana ny governemanta Shinoa People's Daily [gazety mivoaka isan'androm-bahoaka] . Hoy ny lahatsoratra : the internet is as much a tool of rumor and misinformation as a platform for information sharing, and...

Ny Fahasamihafan'ny Lahatra Ho An'Ireo Shinoa Roa Nahazo Ny Loka Nobel

  26 Desambra 2012

Nankany Stockholm ilay nahazo ny loka Nobel-n'ny Haisoratra tamin'ity taona ity, Mo Yan , mba handray ny lokany. Mifanohitra amin'izany, mbola any am-ponja any Shina ilay nahazo ny Loka Nobel-n'ny Fandriampahalemana tamin'ny 2010, Liu Xiaobo, ary any aminà trano voaara-maso i Liu Xia vadiny .

Raràn'i Kambodja Ny “Cybercafé” Manakaiky Sekoly

  25 Desambra 2012

Namoaka naoty ny Minisitry ny Paositra sy ny Fifandraisan-davitra Kambodjiana fa voaràra ny manorina cybercafé 500 metatra manodidina ny sekoly na trano fampianarana. Mandràra ireo cybercafé tsy handray ireo tanora latsaky ny 18 taona ihany koa ny filazana, izay nanipika fa marobe ireo loza ateraky ny aterineto tahaka ny fampihorohoroana, heloka ara-toekarena...

Mangina Amin'ny Voina ao an-Toerana ny Media ao Shina

  19 Desambra 2012

Ankizy 20 no maty nandritra ny tifitra variraraka tany Connecticut, Etazonia tamin'ny 14 desambra 2012. Tonga dia nahahenika an'i CCTV manerana an'i Shina iray manontolo ny vaovao mampalahelo ary lohateny lehibe tamin'ny gazety tany Shina. Nandritra io andro io ihany dia nisy voina hafa nitranga tao afovoan'i Shina tao: nisy lehilahy iray nanatsatoka...

Fa Maninona no Tian'ny Olona ny Asam-Panjakana ao Shina?

  17 Desambra 2012

Nahatratra hatramin'ny 1,12 Tapitrisa ny Sinoa niatrika fanadinana hidirana ho mpiasam-panjakana, ny 25 Novambra 2012 teo, izany hoe nahitana fitomboana 150.000 noho ny tamin'ny taon-dasa, araka ny tatitry ny mpiasan'ny sampandraharaham-panjakana misahana ny asam-panjakana. Mpianatra amin'ny anjerimanontolo ny ankamaroan'ireo mpiadina, mifaninana amin'ny toerana voafetra ho 20.000 amin'ny asam-panjakana izy ireo. Mihoatra ny...

Manelingelina Ny Fahazotoana Politika An-tserasera Ny Lalam-Pifidianana

  17 Desambra 2012

Raha mianoka tanteraka ny fahalalahana amin'ny aterineto ny Japoney, dia miova kely izany toe-draharaha izany amin'ny fotoam-pifidianana. Ny Lalam-pifidianam-panjakana ao amin'ny firenena no mandrara ny ny kandidà ara-politika tsy hamoaka tahirin-kevitra na sary sy mandrara ny olo-tsotra hanohana olo-malaza ara-politika – izany hoe raha ampiharina ny lalàna dia mihatra amin'ny famahanam-bilaogy, fisiahana ary...