· Novambra, 2012

Tantara mikasika ny Azia Atsinanana tamin'ny Novambra, 2012

Shina: Ny Faratenin'Ireo Tibetana 19 Nandoro Ny Tenany

  30 Novambra 2012

Tsering Woeser, mpanoratra izay mitatitra ny toe-draharaha momba ny zon'olombelona any Tibet, dia nanangona ireo faniriana farany sy ireo didy miafina 19 avy amin'ireo Tibetana nandoro ny tenany ho fanampiana ny olona hahatakatra ny zavatra takiany.

Mifanohitra Amin'ny Lalampanorenana Ve ny Fifidianana Ho Avy Any Japana?

  29 Novambra 2012

Nisy vondrona mpisolovava nampakatra tamin'ny Fitsarana Ambony tao amin'ny distrikan'i Tokyo fa tsy mifanaraka amin'ny Lalapanorenana ny fifidianana ankapobeny ho avy. Saingy nolavin'ny Fitsarana ny raharahan'izy ireo tamin'ny 21 Novambra 2012. Nofoanan'ny Praiminsitra Yoshihiko Noda ny Antenimieram-pirenena Japoney tamin'ny 16 Novambra 2012 ka niantso fifidianana ankapobeny indray izy amin'ny 16 Desambra...

Hetsika Nandritra ny “Diabe Maitso” tao Malezia

  28 Novambra 2012

Olona 70 no nandray anjara tamin'ny fiandohan'ny ‘Diabe Maitso’ tao Malezia tamin'ny 13 Novambra tao Kuantan. Taorian'ny diabe 13 andro sy 300 kilometatra nanavatsava ny firenena, nifarana tao an-drenivohitry ny firenena ny diabe izay olona maherin'ny 15.000 no nandray anjara sy nanohana tamin'izany. Ny vondrona Himpunan Hijau no nikarakara ny ‘diabe lavitr'ezaka’ ho fanoherana...

Revon'ny ‘Daidougei'n'i Japana – Zava-kanto An-Dàlambe

  28 Novambra 2012

Voasodokan'ny “Daidougei”, karazana fampisehoana an-dàlambe, nandany taona maro naka sary ny bikan'ilay Kanto ny olon-tsotra iray mpaka sary. Izao no lohatenin'ny bilaoginy “ Tsy nitifitra afa-tsy ny sarin'ny Daidougei aho, izaho aza tsy mahalala hoe nahoana.” Andao hijery ity sangan'asa ity isika.

Miala An-daharana ilay Mpirotsaka Ho Filoham-pirenena Mamim-Bahoaka Tao Korea Atsimo

  27 Novambra 2012

Miaraka amin'ny fifidianana izay ho filoham-pirenena hatao afaka iray volana, hagagàna ny an'ireo Koreana Tatsimo nony niala an-daharana tampoka tamin'ilay hazakazaka ilay lohalaharana amin'ny fandaharana an'ireo mpirotsaka ho fidiana. Ity hetsika ara-politka tsy mbola nisy toa azy ity dia ilay Koreana Tatsimo mpandraharaha mamim-bahoaka lasa nanao politika no nanao azy, Ahn Cheol-soo, izay be no nahita azy ho toy ny kandida tsy mpanao politika sy tsy mpanao kolikoly indrindra teo amin'ny tantara politikan'ny firenena.

Na dia Eo Aza Ny Mpitarika Vaovao, Mbola Marefo ny Hoavin'i Shina

  26 Novambra 2012

Nandritra ny herinandro no nanatontosàna ny faha-18 ny Kongresy Nasionalin'ny Antoko Komonista Sinoa ary nifarana tamin'ny 14 Novambra 2012 teo. Taranaka mpitarika vaovao, izay tarihin'i Xi Jinping sy Li Keqiang, no nisolo toerana ny ekipa mpitarika teo aloha izay notarihin'i Hu Jintao sy Wen Jiabao. Raha tonga teo amin'ny fahefana i Hu sy Wen folo taona lasa izay, nihevitra...

Famoriam-bahoakan'ny Pitak Siam Lasa Herisetra Tany Thailand

  25 Novambra 2012

Nivadika ho herisetra ny famoriam-bahoaka nokarakarain'ny tambajotra Pitak Siam ho fanoherana ny governemanta, na ny "Arovy i Thailand" satria nifandona tamin'ny polisy ireo mpanao fihetsiketsehana tao Bangkok2. Nitifitra entona mandatsa-dranomaso ny polisy mba hanaparitahana ireo vahoaka marobe izay nanandrana hiditra faritra mena. Nangatahan'ireo mpanao fihetsiketsehana ny hialàn'ny Praiminisitra izay ampangain-dry zareo ho mpanao kolikoly sy tsy tia ny resaka demaokrasia.

Diabe Lavitr'ezaka 300 Km Ho Fanoherana Ny Toby Fanadiovana Vovo-tany Ao Malezia

  23 Novambra 2012

Tamin'ny 13 Novambra 2012, noesorin'ny Fitsarana Ambony Maleziana ny fampiatoana roa volana ny fahazoan-dalana nomena ilay orinasa mpitrandraka Vovo-tany Tsy Fahita Firy, Lynas Corporation, mba ahafahany hitrandraka ny Vovo-tany Tsy Fahita Firy ao Pahang, Malezia. Taitra tamin'ny fahalotoana manimba ny tontolo iainana [zh] avy amin'ny vovo-tany tsy fahita firy ao Shina ny vondrona...

Vahoaka Maleziana Manohitra Ny Fanadiovana ‘Terre Rare’ / Vovo-tany Tsy Fahita Firy

  22 Novambra 2012

Voalaza fa hanangana ny toeram-panadiovana lehibe indrindra manerantany amin'ny resaka Vovo-tany Tsy Fahita Firy i Malezia taorian'ny nandàvan'ny fitsarana ireo fanangonan-sonia hanafoanana ny fahazoan-dàlana nomen'ny governemanta ho an'io tetikasa voalaza io. Setrin'izay, vondrana maro samihafa mpiahy ny tontolo iainana, mponina sy olom-pirenena velon'ahiahy no nanao dingana niroso tamin'ny hetsi-panoherana ilay fotodrafitrasa. Ireo mankasitraka dia milaza fa hitondra tombontsoa ho an'ny toekarena ao Malezia ilay tetikasa saingy marobe ireo vondrona miasa loha amin'ny lafy ratsy entin'izy io ho an'ny tontolo iainana sy ny fahasalamana.