· Oktobra, 2012

Tantara mikasika ny Azia Atsinanana tamin'ny Oktobra, 2012

Filipina: Fanairana “Epal” Zava-Mahamenatra Ataon'ny Mpanao Politika Hita Ao Amin'ny Aterineto

  31 Oktobra 2012

Herintaona latsaka alohan'ny fifidianam-pirenena 2013, namoaka fanentanana tao amin'ny aterineto ny mpiserasera, fanairana manohitra ny fomba fanaon'ny mpanao politika Filipina “mahamenatra” amin'ny fametrahana ny anaran'izy ireo amin'ny tetikasan'ny governemanta izay tohanana na/sy ampian'ny minisiterany. Petahana marika hoe “epal” ireo mpanao politika, “epal”, tenin-jatovon'ny Filipino midika hoe “tandremo mpangalatra,” noho ny fampiasana ny volam-bahoaka...

Misaona Ny Fiambohoan'ny Ray Mpanjaka Norodom Sihanouk i Kambodza

  24 Oktobra 2012

Misaona ny fiambohoan'ny mpanjaka Norodom Sihanouk izay nodimandry tamin'ny 17 Oktobra 2012 ny Kambojiana. Fantatra ho toy ny lehilahy be herim-po ao amin'ny fanjakan'i Kambodza  i Sihanouk noho ny asa vitany toy ny fitakiana milamina ny fahaleovantenan'ny firenena tamin'ny protektorà (fiarovana) Frantsay ny taona 1953, ny fanamboaran-dalana ao amin'ny firenena nandritra ny Sangkum Reastr Niyum, ny fandresena tamin'ny...

Taorian'ny Horohorontany, Nanangana Gazetim-Paritra Ny Olo-tsotra Ao Japana

  24 Oktobra 2012

Zara fa misy mahalala ny voka-dratsin'ny ‘Horohorontany lehibe tao Atsinanan'i Japan’ (fantatry ny iraisampirenena ho horohorontanin'i Japana 2011) tao Otsuchi, tanàna kely ao amin'ny prefektioran'i Iwate. Tsy dia fantatra izany noho ny fikatonan'ny gazety ao an-toerana tamin'ny taona 2011 noho ny fahasimbana nateraky ny horohorontany, tsunami sy ny afo. Ankehitriny, nahomby ny fanentanana...

Hahomby Ao Singapore ve ny Fihaonambem-Pirenena?

  23 Oktobra 2012

Ao anatin'ny ezaka hampiditra ny Singaporeana amin'ny “fandaminana ny hoavin'ny firenena”, dia manatontosa fihaonambem-pirenena izay haharitra eo ho eo amin'ny herintaona eo hanangonana ny hevitry ny vahoaka ny governemanta. Hotarihin'ny Komitin'ny “Our Singapore” ny resadresaka amin'ny aterineto sy ny sehatra ifampiresahana hafa ary mandritra ny fihaonana isan-karazany. Manana habaka sy pejy Facebook ny “Our Singapore Conversation”  (Resadresatsika...

Indonezia: Nahazo Fanohanana An-tserasera Ny Sampana Miady Amin'ny Kolikoly

  16 Oktobra 2012

Voaporofo indray ny herin'ny fampahalalam-baovao sosialy tao Indonezia raha naneho ny fanohanany ireo mpanao famotorana momba ny kolikoly niharan'ny herisetran'ny polisy sy ny mpanao politika sasany ny mpiserasera. Nanjary lasa fanentanana ivelan'ny aterineto ny fanohanana ny Vaomiera Miady Amin'ny Kolikoly (KPK) satria nikarakara hetsika famoriam-bahoaka ny mpiserasera mba hanohitra ny herisetra...

Mpanao Gazety An-tSerasera Voaràra Tsy Hahazo Hiditra Ny Lapan'ny Antenimieran-Gazety

  15 Oktobra 2012

  Mivory manoloana ny Biraon'ny Praiminisitra ao Tokyo isaky ny zoma, ny mpanao fihetsiketsehana “Tsy Mila Nokleary”. Nanamarika ilay mpanao gazety mpakasary Hajime Shiraishi, izay mitantana ny fahitalavitra an-tserasera Our Planet TV tamin'ny 6 Jolay 2012 fa ny zoro tsara ijerena indrindra ny mpanao fihetsiketsehana manerana ny arabe dia hatreny amin'ny Tafon'ny...

Vietnam : Bilaogera ‘Mpisintaka’ Telo Voaheloka Higadra

  07 Oktobra 2012

Bilaogera vietnamiena Dieu Cay, AnhBaSG ary Ta Phong Tan no nomelohin'ny fitsarana an-tanànan'i Ho Chi Minh fa nanitsakitsaka ny andiany faha-88 ao amin'ny  fehezan-dalàna famaizana vietnamiena, izay manasazy ny “fanaparitahana vaovao noforonina  hikendrena hiteraka korontana eo amin'ny vahoaka” sy ny “fanendrikendrehana ny fitantanam-bahoaka.” Ankoatra ny sazy an-tranomaizina, mbola hotazomina aminà trano ambenana ihany koa...