· Septambra, 2012

Tantara mikasika ny Azia Atsinanana tamin'ny Septambra, 2012

Filipina: Maniry Ny Hisian'ny Lalàna Ho Fitantanana Ny Bilaogy Ny Filohan'ny Loholona

  29 Septambra 2012

Nilaza fa tsy mahalala na inona na inona momba ny bilaogy na ny fampiasana bilaogy ny Filohan'ny Loholona any Filipina Juan Ponce Enrile nefa nanome tolo-dalàna hamehezana ny bilaogy rehefa nitaraina ny namany iray tao amin'ny loholona fa niharan'ny fandrahonana tany amin'ny cyber. Maro no mihevitra izany ho famerana ny fahalalahan'ny aterineto ao amin'ny firenena.

Japana: Ampamoaka Momba Ny Tontolon’ny Asa Fanadiovana ny toby Nokleary Ao Fukushima

  28 Septambra 2012

 Nandrakitra ilay lahatsary [amin’ny teny japoney] an’i Tetsuya Hayashi, izay tsy nanampo hanao asam-panadiovana ao amin’ny toby nokleary ao Fukushima Daiichi, ny tranokalam-baovao japoney an’olotsotra 8bit news, tamin’ny 18 septambra 2012. Nangataka asa nantsoina hoe ‘Backup Logistics Support’ izy (izay azo adika hoe « mpiasan'ny fampitaovana fototra »), fa tafiditra voalohan-daharana, ary voatery niharitra ny voka-dratsin'ny...

Shina : Mampiahiahy ny fiverenan’ny Maoïsta Nandritra ny Fihetsiketsehana Manohitra ny Japoney

  28 Septambra 2012

Mpanao fihetsiketsehana maoïsta no nibaha-toerana nandritra ny hetsika goavana manohitra ny japoney izay nitranga tao Shina tamin’ny 15 hatramin’ny 18 septembra 2012, nisy ny filanjana ny saritavan’ny filoha Mao nandritra ny filaharambe sy ny fiventsona ny hira taloha ho fanomezam-boninahitra ny mpanorina ny firenena. Ho an’ireo manampahaizana marobe, mampanembona ny fahatsiarovana mangidy...

Shina: Simban'ny Fitrandrahana Arin-Tany Ny Sahan'i Hulunbuir

  22 Septambra 2012

Ny saha maitson'i Hulunbuir , iray amin'ireo saha kanto any amin'ny Mongolia afovoany, voakaoka noho ny fisian'ny fitrandrahana arin-tany manakaiky io faritra io. Mpiserasera aminà bilaogy Shinoa iray dia manamafy fa tsy fandravàna ny tontolon'ny zava-boahary fotsiny ihany ny asa fitrandrahana fa fandrobàna ny kolon-tsaina ihany koa.

Mujeres Mundi, Tafatafa Amin'ny Vehivavy Tsy Fahita Mahazatra

  07 Septambra 2012

Ny bilaogera Peroviana Xaviera Medina de Albrand no atidoha sy nandany ron-doha tmin'ny bilaogy Mujeres Mundi, tahaka iray amoahany ny tafatafa ifanaovana amin'ny vehivavy avy amin'izao tontolo izao. Miresaka momba ny fiainany sy ny bilaoginy i Xaviera amin'ny fizarana voalohany amin'ity tafatafa ity.

Hong Kong: Bahàno Ny Afovoany – Mialoha Ny Fanesorana An-kery

  06 Septambra 2012

Ny 'Bahàno Ny Afovoany' dia naharitra maherin'ny folo volana ary isan'ny iray lava indrindra tamin'ireo hetsika fibahànana manerantany. Vao haingana ny HSBC no nahazo taratasy tamin'ny fitsarana hanesorana ireo mpibahana - mafàna fo, mpilanja sakaosy mandehandeha sy tsy manan-kialofana ka ny 27 Aogositra amin'ny 9 ora alina no fetra farany

Lalao ‘Paralympiques’ : Lasa izao !

  03 Septambra 2012

Hatramin'ny 29 Aogositra ary hatramin'ny 12 Septambra, atleta 4.200 avy aminà firenena 166 no mandray anjara amin'ny andiany faha-14 amin'ny lalao 'paralympiques' ao Londona ary hifanandrina anaty taranja roapolo. Tantara miavaka amin'ny mahazatra no zarain'i Anna Guèye.