· Jolay, 2012

Tantara mikasika ny Azia Atsinanana tamin'ny Jolay, 2012

Azia Atsinanana: Firoboroboan'ny Varotra Vorona An-tsokosoko ‘Hatao Fiompy’

  30 Jolay 2012

Biby maro tandindonin-doza namidy mba hompiana anaty vàla mifefy no tany an'ala no nosamborina raha ny marina ary nalàna an-tsokosoko nivoaka ivelan'ny tontolo voajanahary niainany tamin'ny fomba feno habibiana, araka ny tatitry ny Jolay 2012 avy amin'ny Wildlife Trade Monitoring Network (TRAFFIC), tambajotra mpanara-maso ny varotra biby dia. Ho andrana hiadiana amin'ity olana ity dia mety hahafahana mamantatra mazava ireo vorona azo amidy ara-dalàna ao Taiwan ny fanomezana mari-pamantarana manokana ireo boloky nompiana nampidirina any an-toerana.

Shina: Nisambotra Mpampiasa Aterineto 5007 i Beijing

GV Mpisolovava  29 Jolay 2012

Ny 2012, hatreto ny rafitra fampiharana ny lalàna anaty aterineto an'ny filaminam-bahoaka ao Beijing dia nikirakira fanohintohinana miendrika heloka bevava maherin'ny 3.961 sy nisambotra olona noahiahiana niisa 2007. Ankoatra izay, nanaisotra votoaty niisa 366.000 tety anaty ateriento sy nanasazy orinasa mpanome tolotra aterineto niisa 7.549.

Shina : Mpitati-Baovao Nametra-pialàna Fa Nanao Vazivazy Ratsy Momba Ilay Vehivavy Mpanamory Sambondanitra

  22 Jolay 2012

Nisolotena tamin'ny fandefasana ny Fiarandanitra Shenzhou 9, iraka an-habakabaka ho fanehoana ny voninahi-pirenen'i Shina i  Liu Yang vehivavy mpanamory sambondanitra. Talohan'izay anefa,  nisy fanapahan-kevitry ny iray avy amin'ny mpanao gazetin'ny “Southern People Weekly” Cao Linhua hikosoka ny hatsikana maloto nataon-dry zareo tamin'ny sehatra media sosialy be mpisera indrindra ao Shina, Weibo Sina, momba an'i...