· Mey, 2012

Tantara mikasika ny Azia Atsinanana tamin'ny Mey, 2012

Maty Tany Am-ponja Ilay Lehilahy Niharan'ny Sazy Noho Ny Fanoherana Mpanjaka Tao Thailand

GV Mpisolovava  17 Mey 2012

Akong dia voaheloka hifonja 20 taona noho ny raharaha fanivaivàna mpanjaka izay tsy voaporofo akory natao azy, mifanaraka amin'ny lalàna momba ny Heloka Bevava Atao Amin'ny Alàlan'ny Solosaina any Thailand. Ilay rangahibe efa 60 taona, izay niady ela tamin'ny homamiadana amin'ny vava, dia heverina fa maty vokatr'io aretiny io. Ireo ezaka natao hanafahana azy amin'ny alàlan'ny onitra, noho io aretiny io indrindra, dia nolavina hatrany avokoa

Indonezia: Tsy Nomena Alalana Ny Fampisehoan'i Lady Gaga

  17 Mey 2012

Taorian'ny fanerena nataon'ny vondrona politisiana mametraka an'i Lady Gaga ho mpivavaka amin'ny devoly, nanambara ny polisy Indoneziana fa tsy hanome fahazoan-dalana amin'ilay fampisehoana nandrasana fatratra hataon'i Lady Gaga tany Jakarta, ka niteraka fahadisoam-panantenana ny mpankasitraka azy mihoatra ny 50.000.

Korea Atsimo: Moines Tratra Niloka, Nigoka Ary Nifoka

  17 Mey 2012

Tao Korea Atsimo, mpitarika enina avy amin0ny holafitry ny Bodista goavana indrindra ao amin'ny firenena no tratra nilalao Poker niaraka taminà tontona avo dia avo, no sady nisotro sy nifoka ihany koa. Ilay tranga dia niparitaka tamin'ny alàlan'ny lahatsary iray nivoaka an-tsokosoko, nampiseho ireto 'moines' mitana toerana ambony ireto niloka tao aminà hotely mihaja lehibe iray manamorona ny renirano, andro vitsy monja nialoha ny fety fankalazan'ny iray firenena ny nahaterahan'i Buddha.

Korea Atsimo : Fanaraha-maso Tsy Manara-dalàna Atao Ny Mponina Sy Ny Mpanentana Fandaharana

  16 Mey 2012

Mirehidrehitry ny fanakianana ny Lapan'ny Filoha ao Korea Atsimo noho ny fanaraha-maso tsy manara-dalàna nataony an'ireo ny olontsotra. Ilay raharaha izay niantomboka taminà fanaratsiana nataon'ireo antokon'ny mpanohitra, dia lasa nihombo be ankehitriny ary dia notondroina mihitsy ho ny Tantara Ratsy Watergate Koreana [ko]. Ireo Mpanentana fandaharana izay mampiantrano hetsi-panoherana manohitra ny governemanta dia nanambara fa naraha-maso sy nosavain'ireo manampahefana avy amin'ny sampam-pitsikilovan'ny governemanta ny tranon'izy ireo

Indonezia: Lesona Jeografia Ho An'i Justin Bieber

  10 Mey 2012

Teo am-panazavàna ny dingana namoronana ny iray amin'ireo hirany vaovao, dia niteny i Bieber fa noraketina tany aminà "firenena kianjoanjo" izy io. Ilay firenena kianjoanjo eto dia i Indonezia ary dia nahatezitra ireo marobe mpiondana aterineto sy mpankafy azy izany.