· Marsa, 2012

Tantara mikasika ny Azia Atsinanana tamin'ny Marsa, 2012

Zon'Olombelona An-Tsarintany Ao Kambodza

  31 Marsa 2012

Mampiasa sarintany an-tserasera ny mpiaro ny zon'olombelona any Kambôdza hanangonana antontan-kevitra, hanaraha-maso ary hampisehoana ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona manerana ny firenena. Sithi na ny vavahadin-tseraseran'ny mpiaro ny zon'olombelona dia manana ny Sarintanim-panosihosena ahitana amin'ny ankapobe ny fiitatry ny fanosihosena ny zo isan-karazany any Kambôdza. Asehon'ny sary etsy ambany ny fanitsakitsahana ny...

Shina: Resaky Ny Mpiserasera Momba Ny Zanabolana Alefan'i Korea Avaratra

  29 Marsa 2012

Nanambara i Korea Avaratra Tamin'ny 27 Martsa 2012 fa tsy hilaozany ny tetikasany handefa zanabolana amin'ny tapaky ny volana Aprily na dia eo aza ny fitsidihana avo lenta nataon'ny Filohan'i Etazonia Barack Obama tao Korea Atsimo tamin'ity herinandro ity. Nandeha dia nandeha ny resaka tao Korea Atsimo sy Japana, ity farany izay vao avy nikarakara...

BarCamp Angkor Voalohany ao Kambodza

  27 Marsa 2012

Nanomboka tamin'ny taona 2008, tao Phnom Penh no nokarakaraina ny BarCamps ao  Kambodza. Saingy tamin'ity taona ity, tao amin'ny tanàna faritanin'i Siem Reap indray no nanaovana ny BarCamp, ao amin'ny vavahady fidirana amin'ny tranoben'ny fiangonana Angkor izay fanta-daza manerantany.  Tao amin'ny “Build Bright University” ao amin'ny faritanin'i Siem Reap no toerana nanaovana ny hetsika. Tahaka ny BarCamps rehetra...

Mampiantrano Ny Fifaninanana Voalohany Ho An'ny Vazimba Teratany Mpanapariaka Vaovao I Norvezy

  27 Marsa 2012

Fantatra maneran-tany amin'ny fikarakarana ny Loka manan-danja Nobel ho an'ny fandriampahalemana i Norvezy. Amin'ity volana ity, ity firenena Skandinavy ity dia hampiantrano ny fiandohan'ny hetsika iray, tsy dia mbola malaza loatra nefa koasa manana ny lanjany, dia ny loka World Indigenous Television Broadcasters Network (WITBN), na ny Tambajotra iraisam-pirenen'ireo Vazimba teratany Mpanapariaka Fahitalavitra, hatao ny 29 Martsa 2012.

Thailandy: Fomba Miavaka Manokana Fandravahana Fiarakaretsaka Ao Bangkok

  26 Marsa 2012

Noforonina efatra taona lasa izay, ny bilaogy Still Life in Moving Vehicles dia nanasongadina karazan-tsary samihafa mahasondriana amin'ny fanaingoana ireo fiarakaretsaka ao Bangkok. Dale Konstanz, izay nanomboka nanangona ireny sary ireny efa ho taona dimy mahery izao, dia mitantara ny aingam-panahy nanosika azy hanao ilay tetikasa anaty aterineto. Indreto ny sasany amin'ireo sarinà talismans, ireo olo-masina ara-pivavahana, ary sary apetaka maneho resaka politika

Timor Atsinanana : Very Harena Politika Lehibe Ny Firenena

  21 Marsa 2012

Niraraka ny fanomezam-boninahitra tanaty aterineto taorian'ny fahalasananan'ilay mpitarika politika teo aloha tao Timor Atsinanana, fantatra amin'ny anarana hoe "Dadabe". Francisco "AVO" Xavier do Amaral, ilay nanambara ny fahaleovantena ny taona 1975, ary niverina tao amin'i Timor Atsinanana mba hiasa ao amin'ny Antenimiera mpanangana sy ny parlemanta. Efa kandidà intelo tamin'ny firotsahana ho Filoha izy.

Lahatsary: Mpilalao Surf, Mpanjono ary Taratra Mampididoza Taorian'ny Horohorontany Tao Japana

  21 Marsa 2012

Nanatontosa lahatsary fanadihadiana momba ny fiainan'ny olona miady amin'ny taratra radioaktifa taorian'ny horohorontany tao Japana ilay mpanao gazety Lisa Katayama  sy ilay mpanatontosa sarimihetsika Jason Wishnow. Tao amin'ny lahatsary Radioaktifa (akora mampidi-doza) Isika Rehetra, ahitana sary 50% nokirakirain'izy ireo manokana tao amin'ny faritra manodidina ny Foibe Mpamokatra Herinaratra ao Fukushima izay...

Teny Farany Momba ny Fifidianana Filoham-Pirenena Timor Atsinanana

  21 Marsa 2012

Nanaiky ny fahareseny ilay Filoha avy ao Timor Atsinanana efa nahazo ny loka Nobel antsoina hoe Jose Ramos-Horta tamin'ny fifidianana filoham-pirenena farany teo. Ireo kandidà roa nahazo vato be indrindra dia i Francisco “Lu Olo” Guterres avy amin'ny Antoko Fretilin (antoko ankavia) sy ilay lehiben'ny miaramila teo aloha Taur Matan Ruak. Ry zareo...

Shina: Fanamelohana Ho Faty Mba Hanafenana Ny Kolikoly Ataon'ny Governemanta?

  15 Marsa 2012

Wu Ying, voahosotra ho ny Vehivavy Shinoa faha-enina manan-karena indrindra tamin’ny 2006, dia resy tamin’ny fampakarana ny didy manameloka azy ho faty tao amin’ny Fitsarana Avom-Bahoaka ao Zhejiang.Ity ramatoa vao 30 taona ity dia nosamborina voalohany tamin’ny Martsa 2007, nampangaina ho “nanodikondim-bola” . Oiwan Lam no mitatitra.