· Febroary, 2012

Tantara mikasika ny Azia Atsinanana tamin'ny Febroary, 2012

Ny Fiara Kodiaran-telon'i Azia Atsimo Atsinanana

  22 Febroary 2012

Tuktuk, Beca, Kuliglig, Trishaw, Pedicab, Becak, Tricycle. Ireo no kodiaran-telo malaza be mpanana any amin'ny faritra Azia Atsimo Atsinanana. Hita eny an-dalan'ny tanandehibe izy ireny, saingy miezaka ny handrara ireny posisposy hita na aiza na aiza sy efa entin'ny motera mitatitra olona ireny ny governemanta maro.

Shina: Mitohy Ny Fifidianana Ao Wukan Ary Mampangetaheta

  20 Febroary 2012

Haingana be ny fikisahan'i Wukan tamin'ny fizorany ho any aminà fifidianana tsy mitanila sy mangarahara, nahatonga aingam-panahy ho an'ireo vohitra sasany tao amin'ny firenena no sady nahazo ny fanohanan'ireo mpampiasa bilaogy kiritika hatrany an-dalantsaran'ny anjerimanontolo. Na izany aza, raha kely indrindra dia iray amin'ireo mpiasa ambony ao amin'ny governemanta foibe no nanakiana ny fivoarana demaokratika avy aminà fikorontanan-tsaina.

Arabia Saodita: Mitsingilahila Ny Ampitson'i Hamza Kashgari, Mpanao Gazety

Nahatonga tsela-baratra tao amin'ny media sosialy i Hamza Kashgari, Saodiana iray mpanao gazety, rehefa nitoraka bitsika mikasika resaka noforonin'ny saina niarahana tamin'ilay Mpaminanilahy Mohammed ny tenany., izay nitarika ny fitsoahany ny firenena noho ny fandrahonana ho faty. Ankehitriny, miady hevitra ny amin'izay hahazo an'i Kashgari ireo mpampiasa ny media sosialy satria dia haverina an-tanindrazana avy any Malezia ny tenany.

Singapore: Miresaka Momba Ny Tantaranà Fijangajangana Ataon'ny Mpanao Politika amim-behivavy Ivelan'ny Fanambadiana Ny Vahoaka

  18 Febroary 2012

Misy mpanao politika avy ao amin'ny mpanohitra iray niala tamin'ny toerana maha-mpikambana azy ao amin'ny Komity Mpanatanteraky ny antokony manoloana ireo tsaho amina resaka fiarahana amim-behivavy ivelan'ny fanambadiana. Niresaka mikasika izany raharaha izany ireo mpampiasa aterineto anatinà tambajotra sosialy maro ary maro no naneho ny tsy fahatakarany mikasika ny fomba nitondran'ny Antoko Mpanohitra izany raharaha izany

Hong Kong, Shina: Fifanarahana Fahazoan-dalana Ny Vahiny Hitondra Fiara Miteraka Tahotra sy Hatezerana

  18 Febroary 2012

Niakatrakatra ny fifanenjanana teo amin'i Hong Kong sy i Shina tanibe tao anatin'ny volana vitsivitsy izay. Raha maharomotra ny  gidragidra madinika, tahaka ny rombo tanaty fiaran-dalamby, dia niteraka sahotaka sy fahatezerana teo amin'ny mponin'i Hong Kong ny nanasoniavan'ny fitondrana ao Hong Kong sy ny fitondrana ao Guangdong tsy nisy fakana ny hevitry...

Shina: Niteraka Fankalazana sy Alahelo Ny Veto Momba an'i Syria

  11 Febroary 2012

Nifidy ho amin'ny tombotsoany manokana i Rosia sy i Shina omaly tamin'ny fanoherana mampiady hevitra nataon'izy ireo tamin'ny volavolam-panapahan-kevitra tao amin'ny Vaomieran'ny fandriampahaleman'ny Firenena Mikambana miantsony filoha Syriana Bashar al-Assad hampitsahatra ny famonoan'olona ataony ao amin'ny firenena, volavolam-panitsiana ny drafitra teo aloha miantso an'i Assad hiala amin'ny fitondrana. Nohamarinin'i Shina ny fanapahan-keviny...