· Janoary, 2012

Tantara mikasika ny Azia Atsinanana tamin'ny Janoary, 2012

Singapore: Kolikoly Manafintohina

  30 Janoary 2012

Nandritra ny taombavaovao Sinoa, nipoaka ny vaovao fa ny lehiben'ny Tafi-piarovana Sivily (SCDF) sy ny Foibe misahana ny ady amin'ny zava-mahadomelina (CNB) dia  nanaovan'ny Birao Miady amin'ny Kolikoly (CPIB) fanadihadiana. Niteraka resabe momba ny kolikoly tao amina firenena  voasokajy hatrany ho anisan'ny firenena iray manerantany manana taha ambany indrindra amin'ny resaka kolikoly izany....

Shina: Tsy Mahataitra Ny Fanapahan-kevitry Ny Twitter Hanivan-tena

  30 Janoary 2012

Nanambra ny Twitter tamin'ity herinandro ity fa, ho fitsinjovana ny tombotsoan'ny daholobe, nanapa-kevita ny hanomboka hanivana ireo fampahalalana voarara any amin'ireo fivarotana samihafa izay ananan'ny orinasa mpampiasa azy izy. Any Shina anefa, izay efa voasakana efa mihoatra ny roa taona ny Twitter, mbola maro ireo mpampiasa no mbola mitsidika io vohikala io, milaza ny vondrona mpampiasa Twitter goavana iray fa mety tsy ho olana be loatra io fanapahan-kevitra io.

Malezia: Manome Tsiny Ny Google Translate Ny Minisitra Noho Ny Hadisoana Hita Ao Anatin'ny Vohikala

  27 Janoary 2012

Aza mitafy “akanjo manaitra ny maso” ary tadidio ny fanamiana fitondra amin'ny “adin'ny Mongoose” amin'ireo lanonana ofisialy. Ampahany amin'ireo hadisoana mahatsikaiky amin'ny dikanteny Anglisy tany anatin'ny vohikalan'ny Minisiteran'ny Fiarovana any Malezia ireo voalaza ireo, izay laha lohateny vaventy tamin'ny herinandro lasa teo. Efa noesorina ireo hadisoana ireo nefa tsy talohan'ny nahafahan'ireo mpampiasa aterineto nifanakalo resaka momba izany tany amin'ireo tambajotra sosialy maro samy hafa.

Manohitra Ireo Volavolan-dalàna Enti-Manohitra Ny Piraty Ny Fikambanambe Eran-tany Ao Amin'ny Aterineto

Ny 18 Janoary dia andro iray goavana eo amin'ny Aterineto. Ireo vohikala mpiara-miasa, manomboka any amin'ny Google ka hatrany amin'ny Twitpic, miaraka amin'ny fiaraha-monina sivily sy ireo olon-tsotra, dia nifanome tanana anatina hevitra iraisana iray: hanohitra ny lalàna Amerikana roa izay mety hisy fiantraikany goavana eo amin'ny fahalalahana miteny ao amin'ny aterineto eran-tany.

Global Voices Amin'ny Teny Frantsay : Ny Safidin'Ireo Mpandika Teny Ny Taona 2011

Ny taona 2011, ireo mpandika teny an-tsitrapo ao amin'ny Global Voices izay miteny Frantsay dia nahavita nandika lahatsoratra an-jatony ary nampahafantatra ny vaovao manerana izao tontolo izao ary tianay ny hiteny hoe "Misaotra!". Nanontanianay hoe inona ny fandikàna nanamarika azy ireo indrindra, nandritra iny taona lasa iny. Ireto ny safidin'ireo mpandika teny Frantsay!

Myanmar: Mahafinaritra Ity Zoma 13 Ity

  17 Janoary 2012

Noporofoin'ny Filohan'i Myanmar Thein Sein fa tsy misangy ny governemanta amin'ny fananganana ny demokrasia tamin'ny alalan'ny fanafahana ny gadra politika rehetra androany. Araka ny vaovao notaterin'ny fahitalavim-panjakana, mpanohitra 651 no navoaka ny fonja. Heverina ho toy ny dingana lehibe mankany amin'ny lalan'ny demokrasia ao Myanmar ny fanafahana ireo gadra politika malaza ireo. Anisan'ny...

Madagasikara : Taorian'ireny raharahara fanaovana ampihy mamba ny tany lonaka ireny, dia efa tafaverina sahady ve ny Daewoo?

  16 Janoary 2012

Ny namana mpiblaogy Sam Ganegie no manapariaka taratasy malalaka izay nosoratan'Atoa Mamy Rakotondrainibe hoan'Atoa Andry Rajoelina ary mangataka fangaharahana mikasika ny raharaha manodidina ny fiverenan'ny orinasa Daewoo Logistics anivon'ny tontolo ekônomika Malagasy [fr]. Manolotra fanampim-panazavana manodidina ny fiverenan'io raharaha Daewoo io [fr] i Mahefa Rakotomalala [gazety lexpressmada.com]. Ity orinasa Koreana tatsimo...