· Desambra, 2011

Tantara mikasika ny Azia Atsinanana tamin'ny Desambra, 2011

Singapore: Todran-drano, sa Rano Mihandrona?

  30 Desambra 2011

Tamin'ny 23 Desambra 2011, orambe matevina no niteraka fiakaran-drano vetivety tao amin'ny faritra maro ao Singapour, voakasik'izany  ny magazay mpivarotra fehikibo be olona ao amin'ny Lalana Orchard sy ny manodidina azy. Tsy zava-nitranga nahasosotra na hoe tsy nampoizina anefa izany, satria efa niseho  izay tranga izany tamin'ny volana Jiona 2010....

Shina: Fitroarana Tao Guangdong, Ao Haimen Ankehitriny

  27 Desambra 2011

Hatramin'izay nametrahana ny tananàn'i Wukan ao amin'ny faritanin'i Guangdong eo ambany fanaraha-maso taorian'ny fanesorana ny Antoko sy ireo manampahefana tao amin'ny governemanta izay, dia farafahakeliny tanàna roa mifanakaiky no nanao hetsika manokana. Ny vao haingana indrindra izao dia ilay nitranga androany, izay voalaza fa nahitàna olona 30.000 nibahana sampanan-dalana iray be mpivezivezy .

Shina: Voadaroka Ilay Mpilalao sarimihetsika Christian Bale Raha Nikasa Hamangy An'i Chen Guangcheng

  26 Desambra 2011

Taorian'ny 48 ora nitondrana fiara avy any Beijing, toerana nanaovany fanentanana ilay horonan-tsarimihetsika The Flowers of War notontosainy, voadaroka ilay mpilalao horonan-tsarimihetsika Britanika Christian Bale  tamin'ny 15 Desambra 2011, raha nikasa hamangy ilay mpiaro ny zon'olombelona nogadraina Chen Guangcheng. Niaraka tamin'i Bale ireo mpanao gazetin'ny CNN raha nikasa hiditra ao anatin'ilay tanàna...

Tohano Ny Global Voices

Taona mahatalanjona ny taona 2011 ho an'ny fampahalalam-baovao an-tserasera. Teo foana ny Global Voices nitatitra ireo revolisiona niseho, ny fihonganan'ny didy jadona, sy ny fiantraikan'ny fikorontanana nateraky ny fihetsiketseham-bahoaka mbamin'ny fikomiana notaterin'ny mpanoratra tato aminay manerana izao tontolo izao tany amin'ny firenena sy tanàna maro. Mba hanamarihana ity taona nampientanentana...

Filipina : Anjatony Ny Maty Sy Nanjavona Tamin'ny Tondradrano

  23 Desambra 2011

Ny isan'ireo niharan-doza dia mety ho mihoatra izany ary mety hahatratra hatramin'ny 600. Io no tondra-drano ratsy indrindra namely iny faritra avaratry ny Mindanao iny tao anatin'ny taona maro. Ireo mponina anaty aterineto dia nampiasa teo noho eo haingana ny vohikala mba hizarana ny mikasika ilay loza voajanahary ary nanao antso ho amin'ny fanohanana

Shina: Manara-maso Ny Fifidianana Ho Filoha Hatao Amin'ny 2012

  12 Desambra 2011

Ny fahalinan'ireo Shinoa mpiondana aterineto tamin'ny andiany voalohany amin'ireo adihevitra telo tamin'ny faran'ny herinandro izay mitondra mankamin'ny fifidianana ho filoham-pirenena ao Taiwan amin'ny volana ambony dia manolotra hevitra ny amin'ny tokony hifantohan'ny saina misimisy kokoa amin'ity fihodinana ity mihoatra noho izay natao tamin'ny fifidianana tamin'ny 2008, sy hitarina ihany koa ny fifantohana ho tonga hatrany amin'ny toerana misy ireo antoko politia tsirairay amin'ny fampitambarana an'i Shina.

Azia Atsimo: Ny Voay Eny Anivon'ny Fampahalalam-baovao

  12 Desambra 2011

Mamba goavambe iray tany atsimon'i Philippines sy voay maro tany amin'ny rano tondraka tao Thailand sy Kambodza no isan'ny teo anivon'ny lohatenim-baovao nibahan-toerana tany Azia Atsimo tamin'ny tapany fahaefatr'ity taona ity. Eto ny fahitàna ny sasany tamin'ireo voay sy ny tatitra tanaty aterineto.

Ho An'ireo Shinoa Mpiondana Aterineto, ny SOPA Dia Rindrimbe Iray Hafa Indray

GV Mpisolovava  08 Desambra 2011

Niteraka fanehoan-kevitra feno fanalàna azy teo amin'ny tontolon'ny aterineto miteny Shinoa ny momba ny lalàna Stop Online Piracy Act (SOPA), na Fandraràna ny Fijirihana ao amin'ny Aterineto izay andrasana ho entina hofidiana eo amin'ny Antenimiera Amerikana alohan'ny faran'ny taona. Voakinan'ny Amerikana foana ny governemanta Shinoa tamin'ny fanelingelenana ny fivezivezen'ny vaovao tamin'ny alàlan'ny rafitra iray fanivànana fanta-bahoaka amin'ny hoe ilay Rindrimbe, na Great Firewall. Anjaran'ny Shinoa mpiondana aterineto indray izao ny mihomehy amin'ny tolo-dalàna momba ny Great Firewall Vita Amerikana.