· Oktobra, 2011

Tantara mikasika ny Azia Atsinanana tamin'ny Oktobra, 2011

Topimason'ny Fibodoana Azia Atsimo Atsinanana

  28 Oktobra 2011

Miely manerana an'i Azia Atsimo Atsinanana ny Hetsika ‘Fibodoana’ (na Fananihana). Aingam-panahy avy amin'ny Hetsika ‘Fibodoana’ manerantany no nisian'ny fivoriana tany Malezia, Indonezia, Filipina ary Singapore tamin'ity volana ity. Topimaso...

Kambodza: Tondradrano Faran'izay Ratsy Indrindra Tato Anatin'ny Folo Taona

  27 Oktobra 2011

Ity no tondradrano faran'izay ratsy indrindra tato anatin'ny folo taona. Ny manampahefana Kambodziana mitatitra fa mila ho antsasaky ny iray tapitrisa no velaranà tanimbary simban'ny rano ka mety hanohintohina ny fahavitan-tena ara-tsakafo any amin'ny faritra. Ireto ny tatitra misimisy kokoa momba ny zava-doza nentin'ny tondradrano ao Kambodza 2011

Kolombia: Ny FTA Sy Etazonia Tao Amin'ny Tontolon'ny Bilaogy

  24 Oktobra 2011

Miaraka amin'ilay fifanarahana nosoniavina tany Washington hampakarana ny haavo farany ambonin'ny trosa taorian'ny fifamaliana henjana teo amin'ireo Demokraty sy Repoblikana, ny mpitarika ny Kaongresy ao Etazonia dia niverina tamin'ny lohahevitra momba ny fifanarahana ara-barotra malalaka (free trade agreement - FTA) miaraka amin'i Panamà, Korea Atsimo ary Kolombia. Lasa lohahevitra nivelatra sy noresahana be nandritra ny taona maro, teo anivon'ny tontolon'ny bilaogy izy io dia nahasarika tsikera maro raha mitaha amin'ireo mpankasitraka.

Indonezia: Mariazy Ara-Pombam-Panjaka Ao Yogyakarta

  20 Oktobra 2011

Namatotra ny vona [Nanambady] ny printsesin'i Yogyakarta, Gusti Raden Ajeng (GRAj) Nurastuti Wijareni a.k.a Jeng Reni, tamin'ny talata 18 Oktobra 2011 ary nasaina nanatrika ny lanonana tamin'ny alalan'ny aterineto ny rehetra. Jeng Reni, faravavin'ny Sultan Hamengkubuwono X, no nanambady an'i Achmad Ubaidillah, fantatra amin'ny hoe Yuda, ary sambany hatramin'izay no notaterina mivantana tamin'ny...

Malezia: Ny Sakafo Sy Ny “Blog Action Day 2011″

  20 Oktobra 2011

Ho an'ny Blog Action Day tamin'ity taona ity, izany ny 'sakafo' no lohahevitra, maro ireo Maleziana nandray anjara tamin'ilay hetsika, ary nanoratra mikasika ny lohahevitra tena samihafa tany anaty bilaogin-dry zareo tany. Ny sasany mitanisa ny sakafo tena ankafiziny ary manolo-kevitra amin'izay toeram-pisakafoanana tsara raha ny hafa kosa nadefa fisainana momba ny hanoanana sy ny fahantrana manerana izao tontolo izao.

Peace & Sport : Fifampiresahana sy Filaminana Amin'ny Alalan'ny Fanatanjahantena

  19 Oktobra 2011

Meday alimo nandritra ny Lalao Olaimpika 1984, tompondaka erantany amin'ny taranja pentathlon [dimy indray miaraka] maoderina tamin'ny 1987, Joël Bouzou no mpanorina sy filohan'ny Peace and Sport, fikambanana miaro ny fandriampahalemana amin'ny alalan'ny fanatanjahantena, niorina tamin'ny 2007. Te-handrafitra fandriampahalemana maharitra manerana ny tany ity tetikasa ity. Any amin'ny firenena izay idirany...

Andron'i Ada Lovelace : Mihetsika Ireo Vehivavy Fitaratra

  16 Oktobra 2011

Ny Andron'i Ada Lovelace (7 Oktobra) dia mikatsaka ny hampakàrana ny tahan'ireo vehivavy manao siansa, teknolojia, fianarana ho injeniera ary matematika amin'ny alalan'ny famporisihana ny olona manerana izao tontolo izao hiresaka momba ny vehivavy izay ankasitrahan'izy ireo ny asa ataony. Vakio ato ny fahatsiarovan'ny Global Voices.

Andro Iraisam-pirenena Ho An'ny Fanasàna Tànana: Manova Fomba Amin'ny Alàlan'ny Hira sy Dihy

  16 Oktobra 2011

Fantatrao ve ny fomba hanasàna tsara ny tànanao? Avy amin'ny alàlan'ireo hira sy dihy, mampianatra ireo hafa ny fomba tena mety hanasàna ny tànany ireo olona manerana ny tany mba hampiroboroboana ny fahasalamana. Ny 15 Oktobra no Andro Iraisam-pirenena ho an'ny Fanasana tanana ary miaraka teny famantarana Manavotra Aina ny Tanàna Madio , manisy tsindrim-peo amina hetsika tsotra izay manampy amin'ny fanenana ny fahafatesan'ny ankizy noho ireo aretina azo sorohana izany.