· Septambra, 2011

Tantara mikasika ny Azia Atsinanana tamin'ny Septambra, 2011

Filipina: Famoronana Karazana Hetsika Mandritra ny Fitokonan'ny Campus

  29 Septambra 2011

Nahitana ny fampiasana ny fitaovana an-tserasera hanetsehana olona anarivony hiady ho amin'ny zo hahazo fanabeazana ny fitokonana eny amin'ny anjerimanontolo manerana ny firenena mandritra ny herinandro enti-manohitra ny fampihenana ny tetibola. Manomboka ny 19 ka hatramin'ny 23 Septambra 2011, tanora an'arivony no hirotsaka an-dalambe ary tohanan'ny mpampianatra sy ny mpandraharaha...

Lahatsary: Jiro tavoahangy plastika sy zava-noforonina hafa miaro ny tontolo iainana

  24 Septambra 2011

Jiro mandeha amin'ny masoandro sy famanan-drano vita amin'ny tavoahangy plastika, trano vita avy amin'ny fako ary ny fomba atao tsy hampiasana harona plastika no ataon'ny tetikasa sasany hampihenana, hampiasana indray na fanodinana azy ho akora vaovao indray dia tsy vitan'ny hoe fanalan'andro ihany fa tena iankinan'ny ain-dehibe amin'ny fanatsarana ny fiainan'ny olona manerana izao tontolo izao.

Fiarovana Ny Tora-pasik'i Brunei

  24 Septambra 2011

Ny Fikambanana Beach Bunch, dia naorina mba "hikolokolo sy hiaro ny tora-pasik'i Brunei amin'ny halotoana. Ny Fikambanana Beach Bunch koa dia màka ny herin'ny tambajotram-piarahamonina mba hanangonana fanohanana bebe kokoa avy amin'ny olona. Ny iray amin'ireo tetikasany ny fandraketana an-tsaritany ireo tora-pasik'i Brunei handraketana an-tsaritany ny faritra, ny tolotra azo omena sy ny toetoetry ny tora-pasika ao amin'ny firenena.

Shina : Miaraka Fiverenan'ny Fahalinan'i Amerika

  24 Septambra 2011

Tsy ny olon-drehetra no nàka iny faran'ny herinandro – fialantsasatra any Shina – ho toy ny fotoana iray ahafahana mamoaka fihetseham-pon’ny henatra tamin’izay nambarany mikasika ny fanafihana tany Etazonia efa ho folo taona lasa izay, kanefa betsaka no nanao izany. I Yang Hengjun, mpanoratra, izay nanoratra momba an'i New York sy ny USA (Etazonia) tao anaty tantara nosoratany dia nizara zavatra mitovy amin'izay koa.

Filipina: Fiainam-pitiavana “Aotra”-n'ny Filoha

  22 Septambra 2011

Ny Filohan'i Filipina Noynoy Aquinon, mpitovo, nampitaha ny  fiainany ara-pitiavana amin'ny zava-pisotro malefaka nandritra ny  fitsidihany ofisialy mandritra ny 5 andro tany Shina, tsy niteraka fihomehezana ihany izany fa niteraka tsikera an-tserasera ihany koa. “May nagtanong ho kasi sa akin, sabi niya, ‘kamusta love life mo?’ Eh ang sabi ko...

Malezia: Nilaza i Mahathir Fa Nandainga Mikasika ny 9/11 i Bush

  21 Septambra 2011

Mahatsiaro ny fanafihan'ny mpampihorohoro tamin'ny 11 septambra 2001 nitranga tao Etazonia izao tontolo izao. Mbola nanambara indray ny Praiminisitra teo aloha, Mahathir Mohamad fa tsy ny Miozolomana mahery setra no nahavita izany asa fampihorohoroana izany. Nanao fanambarana miezinezina fa ‘raha azony natao ny namorona Avatar izy ireo, azony atao daholo izay rehetra tiany...

Sina : Ireo Fandaniam-bolam-bahoaka Telo Sy Ny Tsiambaratelom-panjakana

  18 Septambra 2011

Ny teny hoe "ireo fandaniam-bahoaka telo" na san gong jingfei, dia miainga avy amin'ireo fandanian'ny governemanta noho ny fivoahana mankany ivelany, sakafo sy fialamboly ary ny fiaram-panjakàna. Ireo fandaniana telo ireo no noheverin'ny vahoaka manontolo ho toy ny tena fototry ny kolikoly ho an'ireo mpikambana ao amin'ny governemanta

Ao anatin'ny Fonjan'i Kambodza

  13 Septambra 2011

Miha ratsy hatrany ny fahateren"ny fonja miohatra amin'ny habetsahan'ny olona ao amin'y fonjan'i Kambodza, araka ny fanadihadihana iray navoakan'ny fikambanana mpiaro ny zon'olombelona. Nisy ny famoronana sarin-tany ahitana ny toerana be gadra indrindra. Etsy ankilany, bilaoginà voafonja iray no namoaka ny fiainan'ny gadra ao amin'ny fonjan'i Kambodza .