· Aogositra, 2011

Tantara mikasika ny Azia Atsinanana tamin'ny Aogositra, 2011

Japana: Tantaran'ny “Gypsy” Nokleary

  31 Aogositra 2011

Takeshi Kawakami (川上武志) dia iray amin'ireo antsoina hoe mpandehandeha (gypsy) nokleary ary tahaka ireo mpiara-miasa aminy maro, izay efa 30 taona izao no nanaovany asa fivelomana tany amin'ireo toby noklearin'ny firenena mandritra ny fotoana fohy. Nampahafantatra ny kolikoly sy ny fanaovana fifanarahana miafina nisy teo amin'ny governemanta sy ny indostria nokleary izy ao anatin'ny bilaoginy.

Lahatsary: Vehivavy Manova Ny Fiarahamonina

  29 Aogositra 2011

Ny Voices of Women Worldwide (Feon'ny Vehivavy Manerantany) dia managona ireo olona manerana izao tontolo izao ka liana amin'ny fanaovana izay hahenoana ny feon'ireo vehivavy tsy mba nisy mpihaino, ireo tovovavy sy ankizy mampiasa ny karazana media rehetra azony raisina: lahatsoratra am-bilaogy, feo, lahatsary ary fampitam-baovao amin'ny haino aman-jery.

Tokony Hanondrotra Ny Karama Farany Ambany Ve i Thailandy?

  29 Aogositra 2011

Zavatra anisan'ny nampanatenain'ny praiminisitra Yingluck Shinawatra sy ny Antoko Pheu Thai ny hanondrotana ny karama farany ambany ao Thailandy izay manodididina ny 160 baht ho lasa 300 Baht (US$10) ny andro iray. Araka ny efa nampoizina dia mandà izany fanondrotana ny karama farany ambany izany ny mpandraharaha. Ireto misy fihetseham-po avy amin'ny bilaogera

Filipina: Firohotana Mihàza Katsatsaka Tokay

  28 Aogositra 2011

Volana vitsy lasa izay, ny fihazàna ny Katsatsaka Tokay na Tuko amin'ny fiteny Filipiana dia lasa irohotana tokoa ao Filipina, noho ny tatitra mandeha fa hoe vola be no ividianan'ireo mpivarotra amin'ny alalan'ny aterineto ireo katsatsaka. Nanomboka ny fihazana rehefa niely ny tsaho fa afaka manampy amin'ny fitsaboana ny aretin'ny fahasemporana sy ny VIH/SIDA ny katsatsaka.Vao haingana izy ity no naharihary ho tena fitaka sy hosoka.

Shina sy Hong Kong: Voasambotra noho ny fiakanjoana T-shirt politika

  24 Aogositra 2011

Nanao fitsidihana telo andro, izay nanomboka ny 16 aogositra 2011, tany Hong Kong i Li Keqiang, lefitry ny premier shinoa ankehitriny sady ny handimby ny premier [Lehiben'ny governemanta] ankehitriny. Ny andro voalohan'ny fitsidihana nataony dia niseho ho miahy [mijery] ny fiainana andavanandron'ny mponina ao Hong Kong i Li tamin'ny famangiana trano...

Shina: Fanentanana iadiana amin'ny tsaho ataon'ny HAJ-mpanjakana

GV Mpisolovava  22 Aogositra 2011

Mamelively ny valan-tserasera ny fahitalavi-pirenena tantanin'ny Fanjakana China Central Television (CCTV) ka anatin'izany ny Sina Weiblog [famahanam-bolongana fohy mitovy amin'ny Twitter] izay noampangainy ho mampiely tsaho sy lainga an-tserasera tamin'ny fiandohan'ity volana aogositra 2011 ity. Haingam-pamaly ilay fampielezan-kevitra ny mpisera Shinoa, manontany ny tanjona politika tian'ny fandaharana TV ahatongavana ary miaro ny...

Vietnam: Mihoatra Ny 500 Ireo Olona Nanatrika Ny Barcamp Tao Saigon

  19 Aogositra 2011

Natao ny Alahady farany teo, izany hoe ny 24 jolay tao amin'ny RMIT, Anjerimanontolo iraisam-pirenena ao an-tanànan'i Ho Chi Minh ao Vietnam ny fihaonam-be fahefatra natao hifanakalozan-kevitra tao Saigon (Barcamp) . Barcamp lehibe indrindra tao Saigon izy io raha jerena eo amin'ny habetsaky ny mpanatrika.

Japana: Ahoana ny Fomba Ampihenana ny Fandaniana sy Hitsitsiana Herinaratra?

  18 Aogositra 2011

Nahenan'ny mponina ao Japana ny fandanian'izy ireo hatramin'ny nampiharana ilay fepetra fitsitsiana herinaratra mba hiatrehana ny tsy fisian'ny angovo. Amin'izao fotoana izao, dia 19 amin'ireo 54 mpamerin-tosika nokleary ao amin'ny foibenkerinaratra no mandeha ka namporisika mafy ireo olom-pirenena ny governemanta-indrindra ho an'ireo izay mipetraka ao antsinan'ny Japana- mba hampihena ny fampiasana...