· Jolay, 2011

Tantara mikasika ny Azia Atsinanana tamin'ny Jolay, 2011

Japana: Mozika Indie Miventy Ny Nokleary

  28 Jolay 2011

Noho ny fianahan'ny olana ara-nokleary sy ny resaka mifandray aminy toy tahotra ny taratra tsy hita maso izay mampitondra takaitra, ny politika vaovao momba ny angovo manangasanga eny am-paravodilanitra ary ny hoavy tsy mbola azo antoka loatra ho an'ireo vondrom-pihary mbola amperinasa, namoha indray ireo lahatsarin-kira miaty hafatra mazava manohitra ny fampiasana angovo nokleary ny mpampiasa aterineto Japoney

Malezia: Maniry Ny Fialàn'ny Praiminisitra Ireo Mpampiasa Facebook

  27 Jolay 2011

Nahavondrona mpanohana efa ho 200,000 tao Malayzia sahady ny pejy Facebook Olona 100,000 mangataka ny Fialàn'i Najib Tun Razak andro vitsivitsy taorian'ny niforonany. Tamin'io andro io ihany no nitakiana ny fialàn'ny Praiminisitra rehefa nidina an-dalam-be ireo olona an'arivony nandritra ny famoriam-bahoaka Bersih 2.0, famoriam-bahoaka mpomba ny demôkrasia izay noravàn'ny pôlisy tamin-kerisetra.

Shina: Ento Any Amin'ny Faritra Ambanivohitra Ireo Bokinao

  23 Jolay 2011

Yu Jianrong, Sinoa manampahaizana malaza amin'ny fampandrosoana ny any ambanivohitra sy ny fanoherana ara-tsosialy miainga avy any fototra, dia namoaka fanentanana tselatra mba hizaràna boky efa niasa ho an'ireo tanàna ambanivohitra tany ampiandohan'ny volana Mey.

Korea Atsimo: Misedra Fanakianana Mahery Vaika ny Fiara Natokana Ho An'ny Vehivavy Any Anaty Metro

  23 Jolay 2011

Satria mitombo be ny herisetra ara-nofo any anaty metro, indrindra mandritra ny ora maha betsaka ny mpandeha sy rehefa alim-be, nanapa-kevira ny governemanta ao Seoul hametraka fiaran-dalamby natokana fotsiny ho an'ny andriambavilanitra mba hampiatoana ny fiakaran'io taha io. Na izany aza, niteraka fanehoan-kevitra nafampàna tokoa teo anivon'ny Koreana Tatsimo mpampiasa aterineto ilay fihetsika.

Lahatsary: Tortillas, Chapatis, Mofo Sy Maro Hafa Manerana Izao Tontolo Izao

Betsaka amin'ireo kolontsaina no mampiaraka ny sakafony amin-javatra vita avy amin'ny voamaina; mofo, biskoitra sy karaza-mofo nahandroina tamin'ny entona no tena isan'ny sakafon'ny olna amin'ny toerana maro manerana izao tontolo izao. Androany isika dia hitsidika mpiangaly sy mpahandro mba hijery ny fomba fikarakaran-dry zareo sy fanaovany ny sakafo fanomeny ny fianakaviany.

Filipina:Safo-drano Mahatsiravina Namely Ilay Tanàna “Tsy misy Typhoon”

  18 Jolay 2011

Filipiana maro no notampohan’ilay safo-drano goavana izay namely ny ilany atsimon’i Davao renivohitr'i Filipina. Malaza ratsy amin’ny fisiana safo-drano tselatra i Filipina, antony mahatonga izany ny fisiana rivo-doza maro mandalo amin’io firenena io avy any amin’ny ranomasimbe Pasifika. Nefa lazaina fa hoe miorina eo amin’ny faritra fandalovan’ny rivo-doza ny tanànan’i Davao. Ny alin’ny Alarobia 29 may 2011, tafakatra hatramin’ny 25 eo eo ny isan’ny maty niharan-boina ary 15 hafa mbola tsy hita hatramin’izao. Tsy vitan’izany ihany, anarivony ny fianakaviana nafindra toerana vokatr’ilay safo-drano ratsy indrindra teo amin'ny tantarany namely ny tanànan’i Davao.

Shina: Mpisolovava Manohana Kandidà Noraràna Tsy Hilatsaka Ho Fidiana

  17 Jolay 2011

Mitaha amin'ireo olona marobe milaza ny filatsahany ho fidianana tamin'ity taona ity ho fidiana ao amin'ny Antenimieram-bahoaka, ho tantara iray izay mbola tena misarika ny sain'ny maro ny an'i Liu Ping ao Jiangxi , izay nilahatra tamin'ireo kandidà roa hafa , saingy tsy navela hilatsaka tamin'ny fifidianam-paritra