· Jona, 2011

Tantara mikasika ny Azia Atsinanana tamin'ny Jona, 2011

Hong Kong: Fanamelohana Ireo Asa Nasiam-panovàna Tsy Nahazoana Alàlana

GV Mpisolovava  30 Jona 2011

Nametraka ny volavolan-dalàna(Fanitsiana) 2011 momba ny Zon'ny Mpamorona ireo asa  tany amin'ny Sampana mpanao lalàna ny 15 Jone 2011 teo ny governemantan'i Hong Kong. Hanameloka ireo asanasiam-panovàna ao amin'ny aterineto izay mampiasa ireo fitaovana misy fiarovana nefa tsy nahazon-dàlana ity volavolan-dalàna ity. Mino ireo mafàna fo amin'ny fampahalalam-baovao ao amin'ny...

Tailandy: Fampielezan-kevitra amin'ny ‘Fidio ny Tsia’

  30 Jona 2011

Hilahatra any amin'ny biraom-pifidianana ireo Tailande amin'ny herinandro ambony ary na dia mitarika aza ny mpanohitra amin'ny toerana sasany, mbola tsy azo antoka tanteraka aloha hoe iza amin'ireo vondrona no hahazo ny fandresena. Niavaka tamin'ny fomba fanao hatramin'izay, fa nahitana fahafahana misafidy ny tsia ny vato ho an'ny mpifidy, ary hetsika amina fampielezan-kevitra no nokarakarain' Ny Vahoaka Miray hina ho amin'ny Demokrasia (People’s Alliance for Democracy - PAD) na ny Miakanjo Mavo (Yellow Shirts) handrisihana ny mponina mba hifidy ny 'Tsia'.

Tranganà Bilaogera Maleziana hoe Nanàla Baràka – Miteraka Ahiahy

GV Mpisolovava  29 Jona 2011

Manoloana ny fitsarana an'ilay Maleziana mpiaro ny zon'olombelona sady bilaogera, Charles Hector noho ny resaka fanalàm-baràka, amin'ny 28-29 Jona 2011, niantso ny Fitsarana Maleziana ny ARTICLE 19 mba handinika ilay tranga mifanaraka amin'ny fepetra iraisam-pirenenan'ny fahalalahana maneho hevitra anaty aterineto. Raha ny lanja mavesatry zo halalaka maneho hevitra, sy ny fankatoavan'ny andalana faha 10 ao amin'ny Lalampanorenana Maleziana azy io, ARTICLE 19 dia mangataka ny Fitsarana mba hanome antoka fa hoe ny lalàna Maleziana mifehy ny fanalàm-baràka dia hodinihana, araka izay azo atao, ao anatin'ny fanajàna tanteraka ny zon'i Hector halalaka hiteny.

Mampahafantatra ny Bilaogera Malaza Indrindra any Brunei

  28 Jona 2011

Raha nankalaza ny faha 8 taona [namahanam-bolongana?] ny ilay bilaogera ao Brunei RanoAdidas ny volana lasa teo, voatantara tsara tamin'ny fampahalalam-baovao lehibe izany hetsika izany. Marika tsy noho ny lazany amin'ny maha bilaogera azy ihany izany fa noho ny fahombiazany tamin'ny fampandrosoana ny valantserasera tao  Brunei ihany koa. Manaiky ny...

Japana: Ny Hazakazaka Fiarakodia Amin'ny Alina Ho Kolotsaina Vaovao

  28 Jona 2011

Tsy zavatra ampifandraisin'ny olona matetika amin'ny fiainana amin'ny alina sy ny zanan-tsampan'ny kolotsaina ny hazakazaka fiarakodia, tsy izany kosa ny an'ireo mpikambana ao amin'ny vondrona Mpihazakazak'i Tokyo amin'ny Misasak'alina (MRT). Namolaka ny làlan'i Tokyo ry zareo ireto amin'ny alin'ny faran'ny herinandro; fotoana izay tsy eritreretin'ny ankamaroan'ny olona hanaovana hazakazaka fiarakodia mihitsy. Ho azy ireo ny hazakazaka fiarakodia amin'ny alina dia tsy fanatanjahantena fa kolotsaina an-dàlam-pivoarana.

Myanmar: Baomba nipoaka tany amin'ny tanàna telo

  24 Jona 2011

Baomba telo no nahazo ny tanàna telo lehibe tany Myanmar androany. Tsy nisy ny naratra araka ny tatitra. Nadikan'ny mpanoratra ato amin'ny Global Voices Tan ny tatitra vitsivitsy amin'ny teny Birmana izay manome ny vaovao voalohany momba ny fahapotehana naterany

Hong Kong: Antsojay araka ny lalàna

GV Mpisolovava  22 Jona 2011

Eo ambanin'ny foto-kevitra hoe One Country, Two Systems (Firenena iray, Rafitra roa), nankafy ny fampitàm-baovao sy ny fahalalahana miteny lavitry ny fitondrana tsy refesi-mandidin'ny Rindrina Be sy ny fanenjehana ara-politika any Sina i Hong-kong.

Thailandy: firoborobon'ny Pub Peab sy ny Planking

  22 Jona 2011

Tamin'ny voalohany, nisy aloha ny planking na lalao matory mitsongoloka izay nanana ny fotoana nampalaza azy vetivety tany Thailandy. Saingy tsy faly tamin'izy io ny tompon'andraikitra ara-kolontsaina. Avy eo tonga ny Pub Peab craze izay manao fipetrahana mandohalika izay malaza amin'ny mpisera Thai.