· Mey, 2011

Tantara mikasika ny Azia Atsinanana tamin'ny Mey, 2011

Sina: Mpisolovava Momba Ny Zon’Olombelona Voatazona Am-ponja Nohadiadiana Momba Ny Fiainana Ara-Pananahana

  31 Mey 2011

Telo volana taorian’ny famonjàna, Li Tiantian, mpahay lalàna Sinoa dia nanoritsoritra tao amin’ny Twitter ny momba ireo mpanadihady azy nampiasa ny antsipirihan’ny tsiambaratelom-piainany mba hanaovana herisetra taminy. Volana vitsivitsy lasa izay, anjatony mahery ny mpahay lalàna momba ny zon’olombelona an-jatony, mafàna fo, mpanoratra ary mpanakanto no voasambotra na nenjehin’ny lalàna tao Sina vokatry ny fifandonana tamin’ny hetsi-panoherana Jasmine.

Toekarena Erantany: Ny Lanjan'ny Vehivavy Amin'ny Resaka Fahantràna, Asa ary Trosa

  30 Mey 2011

Ny fanehoan'ny International Museum of Women / Tranombakoka Iraisam-pirenena ho an'ny Vehivavy teo anivon'ny aterineto mikasika ireo vehivavy sy ny toe-karena, manasongadina sary mifandimby, podcasts, lahatsary sy andrana momba ireo vehivavy any amin'ny firenena toa an'i Sodana, Danemarka, Filipina, Etazonia, Costa Rica, Meksika, Arzantina sy ny fahitan'izy ireny ny olana tahaka ny fahantràna, ny fandraharahana, ny fianakaviana, ny zo, ny ara-bola ary ny maro hafa.

Lahatsary: Manam-pahaizana tanora vao misondrotra any Inde, Singapore ary Afrika Atsimo

  28 Mey 2011

Efa nivoaka ny filaharan'ireo mpifaninana hiatrika ny dingana antsasa-dalana amin'ny Tetikasan'ny Google Science Fair. Na dia nisokatra ho an'ireo tanora eo anelanelan'ny 13 sy 18 taona avy amin'izao tontolo izao aza izany, mahaliana ny manamarika fa i Etazonia, Singapore ary Inde no nahazo ny isa ambony indrindra tao anatin'ireo mpiatrika ny dingana antsasa-dalana 60 voafantina, izay ahitana ihany koa ireo tafiditra avy any Nouvelle-Zélande, Afrika Atsimo, Fanjakana Mitambatra ary Kanada.

Japana: Ampio ireo izay manampy

  27 Mey 2011

Roa volana izay no lasa taorian'ilay horohorontany sy tsunami tao Japana. Afaka manohy ny fiainany ara-dalàna ireo izay tsy tratran'ny horohorontany mivantana, olona eo amin'ny 110 000 no mbola mialokaloka anaty trano lay, araka ny fanombatomban'ny polisy. Ny tsy fananana fiainana manokana, ny fisarahana amin'ny fianakaviana sy ny namana mahazatra,...

Teknolojia ho amin'ny fangaraharana: Tatitra farany

  26 Mey 2011

Faly ny Tambajotran'ny teknolojian'ny fangaraharana fa mivoaka izao ny tatitra farany , Sarintanin'izao tontolo izao momba ny fampiasana ny teknolojian'ny fangaraharana sy ny asa madio. Vao navoakan'ny Transparency and Accountability Initiative (@TAInitiative) miaraka amin'ny tatitra am-polony hafa momba ny hetsika fampangaraharana asa manerana izao tontolo izao izy io. Mifototra amin'ny...

Malezia: siokantsera momba ilay mpanondraka asidra

  22 Mey 2011

Nirotsaka nanerana ny valan-tserasera tany Malezia izao hafatra izao andro maromaro lasa izay: @MelordeLicious: RT @DianaDanielleB: “@nourishamy: Acid splasher on the run,plate no : MAC1841 n WPV4963…ALERT!!! Spread this msg.. -“ @MelordeLicious:RT @DianaDanielleB: “@nourishamy: am-pandehanana [fiara na môtô] ny mpanondraka asidra, laharana MAC1841 n WPV4963…FANAIRANA!!! Aelezo ny hafatra.. -“ Saingy...

Broney: Manaitra Ny Vahoaka Ilay Sarintsarim-pandrobàna

  21 Mey 2011

Ny herinandro lasa teo, ireo vaovao momba ny fandrobana tao anatina fiara fitateram-bahoaka tany Broney dia niparitaka haingana tao amin'ny twitter sy facebook. Teo noho eo dia naneho ny ahiahiny momba ny fandriana fahalemana eny amin'ireny toerana natao ho an'ny daholobe ireny ireo mponina any Broney. Avy eo dia fantatra fa tsy tena izy ilay fandrobana. Mihetsika amin'izany tranga izany ireo mpampiasa Aterineto.

Indonezia: Fanehoan-kevitry ny Bilaogy manoloana ny fahafatesan'i Bin Laden

  21 Mey 2011

Niely haingana toy ny afo mandoro ny vaovao mikasika fahafatesan’ ilay “mpanjakan'ny fampihorohoroana” Osama Bin Laden. Saingy tsy noraisina tamin-karavoana lehibe ny fahafatesan'i Bin Laden tao Indonezia, firenena be Miozolomana indrindra.  Nampatsiahy ny vahoaka ny solontenan'ny governemanta fa fandresena ho an'i Etazonia ny fahafatesany, fa tsy ho an'i Indonezia. Hita fa...

Filipina: Gadra Politika Manoratra Diary Avy Any Am-Ponja ao Anaty Aterineto

  17 Mey 2011

Nanangana bilaogy iray handraketana ny fiainany any am-ponja sy ny eritreriny ny mpanakanto Filipiana iray, mpanao gazety sy mafàna fo izay notazonin'ireo manampahefana ao Philippines am-ponja. Ny fianakaviany, ny namany, ireo mpanakanto mpiara-miasa aminy sy mpanoratra avy amin'ny fiarahamonina sivily koa dia nampiasa ny vohikala ho fanentanana ny amin'ny hamotsorana azy.