· Marsa, 2011

Tantara mikasika ny Azia Atsinanana tamin'ny Marsa, 2011

Japana: Bitsika Vonjy Taitra Ho an'Ireo Ray Aman-dReny Mpialokaloka

  29 Marsa 2011

Raha mbola mampanahy mafy ny toe-draharaha ao amin'ilay toby nokleary ao Fukushima Daiichi [en] ary mampitandry ny amin'ny fisian'ny taratra maheryvaika avy amin'ny iodine sy cesium zava-maniry sy ny rano ny governemanta, mitady toky sy torohevitra avy amin'ireo manampahaizana manokana any anaty aterineto kosa ireo ray aman-dreny manana zaza mbola kely.

Malezia: Miteraka adihevitra ny boky ‘manafintohina’

  29 Marsa 2011

Adihevitra vaovao teraka tany Malezia ny olana momba ny boky iray natao boky fampiasa hitsongàna lahatsoratra ho an'ny literatiora any amin'ny sekoly ambaratonga faharoa. Interlok dia boky Maleziana nosoratan'i Abdullah Hussain ary nivoaka tamin'ny taona 1971. Niteraka tabataba izany rehefa lasa tsy maintsy vakian'ny mpianatra any amin'ny kilasy fahadimy noho...

Hollaback!Fampiasaina finday hisorohana ny herisetra eny an-dalambe

Tranga tsy mbola fahita tany aloha ahafahana mampitsahatra herisetra ara-nofo eny an-dalam-be ny fisian'io "fipoahana teknolojia teo amin'ny finday io". Namporisika ny vehivavy manerana izao tontolo izao mba hampiasa an'ireo fitaovana eo am-pelantanan''izy ireo ireo io tetikasa io mba ahafahan'izy ireo mizara ny tantarany, manao tatitra sy mamaritra ny toerana nitrangan'izany toe-javatra izany.

Tsy Maharesy Lahatra ny Antoka Nomen'i Taïwan Momba ny Fiarovana ara-nokleary

  28 Marsa 2011

Vokatry ny loza nokleary tao Fukishina, Japana, nangatahana ankehitriny ny hijerena indray ny politikan'ny angovo nokleary ao Taïwan, ary izany dia amin'ny fomba manokana satria ny toby nokleary faha-efatra dia eo an-dalam-panamboarana ihany koa. Lin Tsung-yao (林宗堯), mpikambana ao amin'ny Komity mpanara-maso ny Fiarovana ny toby nokleary fahaefatra, dia nangataka...

Shina: Voasakana Ireo Protocoles-n'ny PTP sy L2TP VPN

GV Mpisolovava  27 Marsa 2011

Fanavaozana tamin'ny 22 Martsa: mpamaky iray no nilaza taminay tamin'ny alalan'ny mailaka fa fa ny sasantsasany amin'ireo protocoles  PPTP sy L2TP ihany no voasakana sy tapaka any Shina ary tsy manana olona miditra amin'ny alalan'ny  PPTP sy L2TP izy avy any Beijing. Ny mpampiasa sasany avy any Guangzhou dia manamarika...

Shina: Cybercafé 130.000 No Nakatony Tao Anatin'ny Enina Taona

GV Mpisolovava  27 Marsa 2011

Araka ny  “tatitra Tsenan'ny Cybercafé Shina taona 2010″ navoakan'ny Ministeran'ny Kolotsaina tamin'ny 17 Martsa 2010, maherin'ny 130.000 ireo cybercafé tsy ara-dalàna nakatona tao anatin'ny 6 taona. Ankoatra ny fanakatonana ireo cybercafé tsy ara-dalàna dia nampiditra fandrindràna vaovao ihany koa ny governemanta ka nametraka sazy henjana mba hanilihana ireo cybercafé madinika...

Myanmar: Fitantarana ny Taorian'Ilay Horohorontany Avy amin'Ireo Mpiasa Mpanao Vonjitaitra

  27 Marsa 2011

Mbola tena ao anatin'ny hatairana nentin'ilay horohorontany namely ny fireneny ary nanana hery 6.8 tanteraka mihitsy izao i Myanmar. roa andro aty aoriana. Nandika ireo tafatafa sy tantara samihafa avy amin'ireo mponina sy mpiasa mpanao vonjitaitra izay nanatri-maso ny halehiben'ny dona naterak'ilay fihetsehana tany amin'ny ilany avaratr'i Myanmar ny mpanoratra avy ato aminay mipetraka any Myanmar

Myanmar: Sary Avy Amin'ilay Faharavana Nentin'ny Horohorontany

  26 Marsa 2011

Horohorontany iray nanan hery 6.8 no namely ny ilany avaratsa-atsinanan'i Myanmar ny harivan'ny Alakamisy 24 Martsa 2011, izay re hatrany akaikin'i sisintanin'i Thailand ary hatrany Vietnam sy Shina lavitra any mihitsy aza. Ilay fihetsehana dia namoizana aina 70 ary nandrava trano maherin'ny 240 tao Myanmar fotsiny. Tao an-tananan'i Tachilek, vatampaty maro no lafo ora maro taorian'ilay horohorontany.

Japana: Onagawa, ilay tany fonenako fahiny

  25 Marsa 2011

Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny tatitra manokana ataonay momba ny Horohorontany Japana 2011. Niala ny taniny tany Onagawa any amin'ny “préfecture” an'i Miyagi i @kombu_s, mpampiasa Ttwitter ka nifindra tany Sendai. Indro ny mombamomba azy: 現在、宮城県女川町で見てきた範囲のみの情報をツイートをしています。※ツイート履歴を確認してください。※ 不安なのはとてもわかるのですが、私が見た範囲でしかわかりません。通ってない地区や個人の安否等はわかりません。車で第一保育所まで行き、総合体育館まで瓦礫の中を歩いて家族を迎えに行っただけです。 http://twitpic.com/photos/kombu_s Mandefa tweets momba ny zavatra hitako tany Onagawa aho izao, any amin'ny prefektioran'i Miyagi. Mba...