· Novambra, 2010

Tantara mikasika ny Azia Atsinanana tamin'ny Novambra, 2010

Thailandy: Fatin-jazarano 2000 tao amina toeram-pivavahana Bodista

  24 Novambra 2010

Maherin'ny 2000 ireo zazarano nalàna tsy ara-dalàna tratra tao amin'ny toeram-pivavahana Buddhist tany Thailand, ary namelona indray ny adihevitra izany momba ny hoe sao dia efa tonga ny fotoana tokony hanavaozana ny lalàn'ny firenena momba ny fanalàn-jaza. Mizara ny heviny ireo mpampiasa aterineto.

Broney: Fikasana hamono tena miteraka resabe amin'ny aterineto

  20 Novambra 2010

Niteraka resabe tamin'ny aterineto, indrindra tamin'ny Twitter sy Facebook, ny saika famonoan-tena nataona tovovavy iray tany Brunei. Mitsikera ireo hanihany "tsy misy fihantràna" sy ireo esoeso ataon'ny mpampiasa aterineto sasany momba izany ireo mpitoraka blaogy.

Singapore: Mitombo ny herisetra ataon'ny jiolahy

  20 Novambra 2010

Nanjary sehatra nifaneraserana ny rohy twitter #slashing sy #369 tato ho ato. Malaza amin'izany ny zava-niseho fandratrana amin'ny sabatra nataon'ireo andian-jiolahy tanora mitondra ny anarana hoe 3-6-9. Matahotra sady tezitra ny mponina manoloana ny fitombon'ny herisetra ataon'ireo jiolahy tato anatin'ny herinandro maromaro izao. Tanora avy any Singapore anelanelan'ny 14-20 taona am-polony...

Japana: Manamasina ny finamananareo aho

  18 Novambra 2010

Ho an'ireo izay mijery manokana ny sokajin'olona ara-sosialy, nisy iray vaovao indray noforonina: ny ‘mpivady mpinamana’. Ny teny tomo-fuhfu (ara-bakiteny ny tomo midika hoe ‘mpifanila na namana’ ary ny fuhfu ‘mpivady’) no teny vaovao noforonin'ny mpanoratra Megumi Ushikubo mba hanondroana ireo olon-droa izay niaina tamin'ny toerana roa nifanalavitra ary tsy...

Shina: Mafàna fo nohelohina herintaona hanao asa fanarenana noho ny sangy ratsy ara-politika

GV Mpisolovava  16 Novambra 2010

Araka ny bitsika nalefan'ireo Mpiaro ny Zon'Olombelona ao Shina, ilay mafàna fo amin'izany fiarovana zon'olombelona izany Wang Yi, Cheng Jianping 程建萍 no tena anarany,  dia voaheloka herintaona hanao asa fanarenana noho ny famerenana nandefa lahatsoratra politika miendrika tononkalo manao sangy ratsy mikasika ny hetsika  tsy fankasitrahana an'i Japana tao amin'ny...

Chili sy Chine: Famonjena ireo mpitrandraka ankibon'ny tany

  11 Novambra 2010

Ny vaovao mikasika ny  fanavotana ireo mpitrandraka harena ankibon'ny tany nahombiazana nataon'ny fanjakana tany Chili tamin'ny 14 oktobra no narahan'ny loza nitranga tamin'ny toerana fitrandrahana an-kibon'ny tany tao Pinyu, ao amin'ny faritanin'i Henan any Chine tamin'ny 16 oktobra. Ity loza tany Chine ity, vokatry ny fipoahan'ny entona sy ny vovoka saribao,...

Manàkana tranonkala 256,110 i Thailandy amin'izao fotoana

GV Mpisolovava  08 Novambra 2010

ny Mpifikitra amin'ny nentim-paharazana, ny Mpitarika ny fanapariaham-baovao mpomba ny Fitondram-panjaka dia samy voalohany avokoa namoaka ny fanambaràn'ny governemanta momba ny sivana mihatra amin'ny aterneto nanomboka tamin'ny Jolay. Sempotry ny fanasana atidoha avy amin'ny Mpitarika, fantatsika fa ny komandy vaovao ao amin'ny afika dia nanao sonia fifanaraham-piaraha-miasa (MOU) tamin'ny minisitry ny TIC (Teknolojia Vaovaon'ny Fifandraisana) sy ny minisitry ny Fitsaràna ary ny kolontsaina. Tranonkala vaovao miisa 43.000 no voafaritry ny MOU fa tsy maintsy sakànana tsy misy hatak'andro ary 3.000 mihantona noho ny faniratsirana mpanjaka.

Malezia: Tratry ny tondradrano ny faritra avaratra

  08 Novambra 2010

Tsy ela akory izay dia tratry ny tondra-drano ny faritra avaratr'i Malezia ao Kedah, Perlis sy Kelantan, nitarika fanalàna tamin'ny tranony ireo olona tokony ho 40.000 eo ho eo. Mizara ny tantarany sy ny fihetseham-pony ireo mponin'ny aterineto.

Asia Atsimo-Atsinanana: Tranonkalam-panabeazana ifanakalozana momba ny ara-pananahana

  07 Novambra 2010

Nanomboka nisokatra ny Jolay 2010 teo tany Singapore, ny vohikala sexxie.tv dia nilaza ho sehatra fampianarana ara-pananahana voalohany sy tokana erantany izay novolavolain'ireo mpitsabo malaza mikasika ny fampianarana ifanakalozana ara-pananahana. Tsy sahala amin'ireo fandaraham-pianarana nentindrazana mikasika ny fananahana, ny sexxie.tv fa mampiasa ny sehatry ny aterineto mba hahatratrarana izay liana amin'izany.