· Oktobra, 2010

Tantara mikasika ny Azia Atsinanana tamin'ny Oktobra, 2010

Ny sainam-pirenena vaovao sy ny anarana vaovaon'i Myanmar

  31 Oktobra 2010

Naseho am-pahibemaso voalohany tamin'ny herinandro lasa teo ny sainam-pirenena vaovaon'i Myanmar. Manana anarana vaovao koa izy: fantatra ankehitriny amin'ny anarana hoe Repoblikan'ny Fiombonan'i Myanmar. Mitsikera ny sarin'ilay saina ireo mpampiasa aterineto any Myanmar. Ny mpitoraka blaogy sasany aza manitrikitrika fa ny tafika ihany no asehon'io saina io fa tsy ny vahoakan'i Myanmar

Ny voina nateraky ny tondra-drano tao Thailand

  28 Oktobra 2010

Olona mihoatra ny 40 no voamarina fa namoy ny ainy nohon'ny fiakaran'ny tondra-drano tany amin'ny faritra avaratra atsinanana sy afovoan'i Thailand. Efa tratran'ny tondra-drano koa izao ny faritra sasany ao Bangkok, renivohitr'io firenena io. Mitatitra vaovao mifanaraka amin'ny toetr'andro mikasika ny vokatra nateraky ny tondra-drano ny mponin'ny aterineto amin'ny alalan'ny blaogy sy twitter

Filipina: Horonantsarin-dihy malaza

  24 Oktobra 2010

Gadra mandihy. Mpiasa an-trano mandihy. Tompon'andraikitra fiaramanidina mandihy. Dia izao indray mpitaky hetra mandihy. Jereo indray ireo horonantsarin-dihy malaza avy any Filipina.

Setroka be mandrakotra an'i Singapore

  23 Oktobra 2010

Setroka be ao Singapore sy ny Atsimon'i Malezia! Tondroin-dry zareo ho avy amin'ny fandoroana ny hazo tany Sumatra, Indonezia izay fanaon'ireo tantsaha ho fanomanany ny fotoam-pamafazany izy io. Mikohaka sy mitaraina ny mponina. Mahafanimpanina ny besinimaro ilay setroka ary mangotrakotraka momba izany ny aterineto

Malezia: Nambara ny tetibola 2011

  18 Oktobra 2010

Omaly no namoahan'ny praiminisitra Najib Razak, izay mitazona ihany koa ny minisiteran'ny fitantanambola ny tetibola 201izay mamaritra ny drafitra politika mandritra ny taona vitsivitsy indray. Anisan'ny nivoitra tao amin'ny tetibola ireto manaraka ireto:  drafitra hanokafana lalana mahazaka zotra enina (six voies) sy tilikambo mahatratra rihana zato, fanampiana isa ny fitaterana...

Brunei sy ny hiran'i Maher Zain

  17 Oktobra 2010

Manamafy ny fivantanan'ny hirany ho an'ny ankapoben'olona ny nitsidihan'ilay mpihira Maher Zain , izay fantatra fa mifototra amin'ny amin'ny aingam-panahin-kira Islamika, an'i Brunei. Mbola manako any amin'ny tontolom-bolongana sy tontolon-tsioka an-tserasera (twittersphere) ihany hatramin'izao ny nitsidihan'i Zain tany Brunei vao tsy ela akory izay.

Horonantsary: Ahoana no hikajiana ny rano ho madio lalandava sy hampiasàna azy am-pisainana

  17 Oktobra 2010

Avy amin'ny toro-làlana ho fampiasàna ny rano efa niasa na fifehezana ny firobarobàna rehefa mampiasa trano fidiovana isika, natao ho an'ireo ankizy madinika any Valle del Colca ao Peru, anazavàna ny maha-zava-dehibe ny tokony hitandroana ny loharanon-drano iraisan'ny daholobe ho madio lalandava. Miaraha aminay mandritra ny Blog Action Day itetezanay izao tontolo izao miaraka amina Horonantsary Fikajiana avy amin'ny Vazantany rehetra.

Shina: lahatsoratra iray tapitrisa isan'andro no esorina ao amin'ny Baidu Tieba

GV Mpisolovava  15 Oktobra 2010

Araka ny tatitra ao amin'ny tech.163 tamin'ny 13 Oktobra 2010, nolazain'i Shu Xun lehiben'ny Baidu Tieba, fanaovana dinika mipoitra amin'ny nahiny (automatique) amin'ny alalan'ny fikarohana voambolana, fa dinika eo ho eo amin'ny iray tapitrisa eo ho eo no esorina isan'andro. Hoy ny tatitra: Nandritra ny kabary nataon'i Shu Xun tao amin'ny  “Vovonan'ny...

Sina: Rehefa tapaka ny tambajotra ao Xinjiang…

GV Mpisolovava  13 Oktobra 2010

Taorian'ny sahotaka tao Urumqi tamin'ny 5 Jolay 2009 dia tapaka nandritry ny volana maro ny tambajotra sy ny fifandraisana tao Xinjiang. Hatreto, tsy dia nisy tatitra mazava mikasika izay zava-niseho. Tsy ela akory izay dia nisy mponin'ny aterineto nanome antsipirihany momba ny zava-nitranga teo anelanelan'ny 6 Jolay sy ny 25 Desambra 2009 tao Xinjiang ao amin'ny daynew.net. Ity ambany ity misy famintinana fohy an'ilay tatitra.