· Septambra, 2010

Tantara mikasika ny Azia Atsinanana tamin'ny Septambra, 2010

Mpitantana vohikala manohitra ny sivana amin'ny aterineto, voasambotra tany Thailand

  28 Septambra 2010

Nosamborina androany tany amin'ny seranam-piaramanidin'i Bangkok ny mpitantana ny vohikalan'ny gazety tsy miankina iray any Thailand, noho ny fanompàna mpanjaka. Nangingiana ny haino aman-jery mahazatra tany an-toerana momba izany fa ireo mpampiasa twitter kosa namatsy torolàlana sy fanampim-baovao hanampiana ny fanohanana ny hetsika ho fangatahana ny famotsorana ilay mafana fo voasambotra.

Mila ny fanohananao ny mpikatroka Tailandey voasambotra taorian'ny #IAL2010!

GV Mpisolovava  26 Septambra 2010

Voasambotra tao amin'ny Seranam-piaramanidina iraisam-pirenena tao Bangkok Suvarnabhumi i Chiranuch Premchaiporn, mpitantana ny Prachatai. Niverina avy tany amin'ny Dinidinika “Aterineto ao amin'ny Fahalalahana 2010: Ny Fampanantenana sy ny loza mety hihatra amin'ny Fahalalahana Miteny” natao tany Bodapesta ny mpanao gazety sy mpanohitra ny fanivanana iray (@Jiew ao amin'ny twitter). Mitondra...

Indonezia: Mihantsy ny didim-pitsarana ka manakatona fiangonana ny fanjakana iray

  22 Septambra 2010

Noterena hampitsahatra ny fanompoam-pivavahana, tamin'ny alahady alina teo, ny fiangonana protestanta GKI Taman Yasmin ao amin'ny fitantanam-panjakan'i Bogor, Indonezia. Nohodidin'ny polisy sy ny sampan'ny mpitandro ny filaminana (Satpol PP) ny manodidina ny fiangonana, Notapahiny ny fotoam-pivavahana tao am-piangonana, ary nakatony ara-panjakana noho ny baikon'ny (fitantanana ny ) tanàna ny fiangonana

Sina: Zo hitokona

  22 Septambra 2010

Ny taona lasa iny no nahitana fihamaroan'ny isn'ireo Sinoa mpiasa mitaky ny zony tamin'ny alalan'ny fitokonana nanerana ny firenena; hetsika tsy ela akory nitakian'ireo mpiasa Sinoa ny zon-dry zareo amin'ny asa tany Rosia no nahatonga resa-be na tao anatiny izany na tany ivelan'ny sisintany.

Kambodza: Dokambarotra finday tsy mandeha ilalana

  21 Septambra 2010

Notsikerain'ny mpiserasera maro ho toy ny fandrisihana tanora hanao fihetsika tsy mendrika ny dokambarotra aterineto nataon'ny orinasan'ny finday. Mitaky ny hanesorana io dokambarotra io ny mpamaham-bolongana.

Sina: Mpampianatra lalàna iray amidy …

  19 Septambra 2010

"Yang Zhizhu no anarako ary teo aloha aho dia mpampianatra mpisolo toerana tao amin'ny Anjerimanontolo Fianarana ny Siansa Politika ho an'ny tanora any Sina. Bevohoka tsy nahy ny vadiko ary tsy marisika ny hanala zaza. Tamin'ny 21 Desambra 2009 izy no niteraka ny zanakay vavy faharoa."

Fankalazàna ny Andron'ny Malaizia

  19 Septambra 2010

16 Septambra no andro nitambaran'ny Malaya miaraka amin'ny Sabah, Sarawak ary Singapore ho Malaizia. Na izany aza, tamin'ity taona ity vao lasa andro fialàntsasatra iombonana ny Andron'i Malaizia. Nafana ny Twitter niaraka tamin'ny tenifototra #harimalaysia.

Shina: Rafitra fanamarinana ny mombamomba ny olona (ID)

GV Mpisolovava  17 Septambra 2010

Miady hevitra momba ny fametrahana ny tena anarana ao amin'ilay sehatra fitorahana bilaogy kiritiky ny Baidu, Baidu Shuoba, ireo mpitoraka bilaogy sy mpandefa bitsika (twitterers). Maro no miahiahy fa i Baidu, lohamilina fikarohana lehibe indrindra ao Shina, dia mifampitohy amin'ny raki-tahirin'ny governemanta