· Aogositra, 2010

Tantara mikasika ny Azia Atsinanana tamin'ny Aogositra, 2010

Noam Chomsky tany Shina

  26 Aogositra 2010

Tamin'ny 13 Aogositra, nikabary tao amin'ny Anjerimanontolon'i Peking any Beijing i Noam Chomsky. Chomsky, iray amin'ireo olon-tsotra manampahaizana isan'ny misongadina amin'izao vaninandro iainantsika izao, dia malaza amin'ny hafanam-pony ara-politika sy ny fandraisan'anjarany amin'ny fanabeazamboho ny teny sy ny filaozofia. Ny resaka, nampitondraina ny lohateny hoe Ny manodidina ny Drafi-Pandaminana izao Tontolo izao: Fitohizan-draharaha sy Fiovàna (Contours of World Order: Continuities and Changes), dia saiky nirona betsaka tamina olana lehibe roa atrehan'ny zanak'olombelona: ny ady nokleary sy ny fahasimbana/fikorosian'ny tontolo iainana.

Sina: Nivoaka ny fonja i Fan Yanqiong, “Fujian” ao amin'ny aterineto

  26 Aogositra 2010

Ny farany tamin'ireo "Fujian" 3 ao amin'ny aterineto mbola voatana antrano maizina, Fan Yanqiong, dia nivoaka androany "on medical parole" taorian'ny taona iray nanefainy ny helony. Jereo ny fanadihadihana vaovao nataon'i He Yang mikasika ny tantarany, tahaka izany koa ireo vahoaka ao amin'ny aterineto You Jingyou sy Wu Huaying, etsy ambony.

Korea Atsimo: fiarovana tsy ampy niteraka fipoahan'ny fiarabe mpitatitra

  19 Aogositra 2010

Mbola nianoka fitsangatsanganana mandritra ny fialantsasatra ry zareo Koreana Tatsimo raha nahita tamin'ny lahatsary ny fipoahana mampihoron-koditra fiarabe mpitatitra iray tao afovoan'i Seoul. Fiarabe mpitatitra efa mahazatra ny rehetra ary mandeha eran'ny kihon-dalana rehetra ao an-tanàna no nipoaka narahana feo mahery ka nampatahotra ireo mpandeha izay nitsambikina avy tao anatin'ny...

Sina: izaho no i Liu Xianbin

  18 Aogositra 2010

42 taona i Liu Xianbin ary nandany ny iray ampahatelon'ny androm-piainany tany am-ponja. Nogadraina indray izy nanomboka ny volana Jona ary manao fampielezan-kevitra amin'ny hiaka hoe "izaho no Liu Xianbin " ireo mahery fo .

Indonezia: “misy olana ve ry Ing. Filoham-pirenena ?”

  18 Aogositra 2010

Nandiso fanantenana olona maro, anisan'izany ireo mponina amin'ny aterineto, ny lahatenin'ny Filoham-pirenena Indoneziana Susilo Bambang Yudhoyono ny alin'ny fankalazana ny Andron'ny Fahaleovantena. Ireto misy ireo fihetseham-po vitsivitsy amin'ny aterineto .

Japana: toerana izay tsy ekena mihitsy ny fialan-tsasatra

  16 Aogositra 2010

Mitsotsotra malaindaina eo ambanin'ny alokaloky ny elo eny amoron-dranomasina, ho mpizahantany ary hitsangatsangana manodidina ireo lalàn'ny tanàna mbola tsy fantatra miaraka amin'ny boky mpitari-dalana eny an-tanana, na tsotra fotsiny koa hoe mala aina ao an-trano manararaotra ny fotoana malalaka . Toa safidy tsy misy dikany ireo ho an'ireo mpiala sasatra - izany hoe, raha tsy mipetraka any Japana izy ireo .

Filipina: Fandikan-teny “Jejemon” sy ny Hetsika Global Voices

  16 Aogositra 2010

Voalohany indrindra, inona moa Jejemon? Izany dia fanambàrana manokana ny fomba fiteny amin'ny aterineto sy ny finday izay malaza loatra ampiasaina eo anivon'ireo tanora Filipiana ankehitriny. Ireo tompon'andraikitry ny Fanabeazana dia tsy faly amin'ity hadalàn'ny Jejemon ity satria mino izy ireo fa manaratsy ny fahaizan'ireo mpianatra ny tenim-pirenena izany. Volana...

Sina: Tantaran'ny “Visa”

  13 Aogositra 2010

Hatraiza fotsiny ny hasarotr'izany, hoy i Chen Zikun mpitoraka blaogy ao amin'ny Sina sady mpanao gazety mahaleo tena ao amin'ny lahatsorany tamin'ny 6 Aogositra, ho an'ireo mpitety tany Sinoa te-haka “visa”—ka ny valitenin'i Chen dia toa manao hoe: tsy dia sarotra loatra—ka izaràny ireo tantara momba ny “visa” ho an'ireo...