· Jolay, 2010

Tantara mikasika ny Azia Atsinanana tamin'ny Jolay, 2010

Kambodza: Fanokafana ofisialy ny vavahadin-tseraseran'ny zon'olombelona voalohany

  30 Jolay 2010

Sithi.org, varavaran-tserasera natao hanehoana ireo sehatra sy valina fanadihadihana mikasika ny tsy fanajana ny zon'olombelona any Kambodza no nosokafana amin'ny fomba ofisialy ny 22 jolay lasa teo, miaraka amin'ny fandraisan'anjaran'ireo andrim-panjakana maro toy ny ambasady, ny fikambanana maneran-tany sy ao an-toerana, fampahalalam-baovao ary ireo solontena isankarazany maneran-tany. Nandritra ny taona...

Sivana any Singapore

  26 Jolay 2010

Tanatin'ny iray volana monja, niteraka fanoherana mivaivay ny fanakanan'ireo manampahefana ao Singapore tsy handefasana horonantsary iray mikasika mpanao politika taloha nogadraina sy ny nisamboran-dry zareo mpanoratra Britanika iray izay nanoratra boky momba ny fanamelohana ho faty any Singapore. Maneho hevitra ireo mpitoraka blaogy.

Sina: Uighur mpitoraka blaogy voaheloka hifonja 15 taona an-tranomaizina

GV Mpisolovava  25 Jolay 2010

Lahatsoratra nosoratan'i Oiwan Lam nivoaka tao amin'ny Advocacy Araka ny voalazan'ny uighurbiz.net, ilay Uighur mpanao gazety mpanadihady sady mpitoraka blaogy, Gheyret Niyaz(海來特.尼亞孜) dia voaheloka higadra  15 taona an-tranomaizina tamin'ny  23 Jolay teo noho izy voapanga ho  “manohintohina ny filaminana anatin'ny firenena” tao Urumqi, Xinjiang. Ny tena fototry ny fanenjehana azy...

Filipina : olana rano ao Manille

  24 Jolay 2010

Saripika avy amin'ny pejy Flickr an'i rickyli99 Miaina olana tsy fahampian'ny rano sedrain'ireo mpampiasa rano an-tapitrisany ankehitriny i Metro Manille, renivohitr'i Filipina. Tezitra amin'ny tsy fahitana rano handroana ny mponina ka  namaky ny fantson-drano ao Malabon. Miezaka mampivoitra ity tsy fahampian-drano ity ireo mpitoraka bilaogy any Filipina. Miahiahy i Blackshama's blog mahita fa...

Hong Kong: Mifanentana hiaro ny moron-dranomasin'i Tai Long Wan ny mponina

  24 Jolay 2010

Olona maro no mihevitra fa ala-tsimenitra no mandrafitra an'i Hong Kong noho ireo tranobe mijoalajoala ao aminy. Saigy ny zava-misy dia faritra tsy misy fivoarana ny 75 % n'ny velarantany amin'io tanàna io amin'ny ankapobeny. Endrika navelan'ny tantaran'ny fanjanahan-tany tsy niniana natao io, rehefa niezaka hampaharitra ny famatsiana rano tao an-tanàna...

Korea Avaratra: anatin'ny ady psikolojika koa ny hatsaràn-tarehy

  24 Jolay 2010

Lasa olo-malaza any Korea Atsimo indray izao ny mpandroso sakafo Koreana Tavaratra izay mitovy be amin'ny mpilalao sarimihetsika Koreana Tatsimo. Nahazo jery an'aliny maro ny horonantsary iray ao amin'ny Youtube, mampiseho tovovavy mpianatry ny kolejy midera ny hatsaram-panahin'ny fitondràna amin'ny fianakaviany mpanefoefo. Ireo mpitsoa-ponenana Koreana Tavaratra nankany Korea Atsimo dia...

Thailand: Korontana ho an'ny Praiminisitra ny hafatra an-tsoratra amin'ny finday

  22 Jolay 2010

Nandefa simaiso tamin'ireo mpampiasa finday Thai an-tapitrisany ny Praiministra Thailand Abhisit Vejjajiva rehefa nandray ny asany tamin'ny 2008, nangataka ny firaisan-kina. Ankehitriny, izy miatrika ny heloka amin'ny kolikoly tamin'ny nahazoany ny "fanomezana" avy amin'ireo orinasa mpandraharaha ara-pifandraisan-davitra. Voampanga ihany koa izy amin'ny fanitsahana ny zo manokan'ny mpanjifa finday