· Septambra, 2009

Tantara mikasika ny Azia Atsinanana tamin'ny Septambra, 2009

Filipina: Arahi-maso ny Artistan'ny Firenena

  30 Septambra 2009

Vao nanamafy ny Tafika an-dranomasina Filipiana fa iray amin'ny olony mizatra tena amin'ny fanaraha-maso ilay lehilahy tratra tamin'ny 17 Septambra nihaodihaody ny tranon'i Bienvenido Lumbera, poeta nahazo loka, mpilalao teatra, mpandalina literatiora ary solontenan'ny Artista ao amin'ny firenena.

Singapaoro: Mampiady hevitra ny faripahaizan'ilay Oliravina

  30 Septambra 2009

Voahosotra ho Oliravina manerantany Singapaoro 2009 ao Singapaoro ny mpianatra 19 taona Ris Low, mpianatra, 19 taona tamin'ny zoma 31 jolay 2009. Fotoana fohy tato aoriana, nalaina sary sy feo izy ary rehefa nivoaka tamin'ny aterineto izany rakitsary sy feo izany dia azo nitarafana ny fifehezany teny anglisy. Niteraka adihevitra,...

Shina: Mpianatra ao Beijing manohitra ny hanao famerenana mitabe

  22 Septambra 2009

Satria moa efa mihamanakaiky ny 1 Oktobra hankalazana ny faha-60 taonan'ny Repoblika entim-bahoakan'i Shina, dia netsehina hanao mitabe ho amin'izany fotoan-dehibe izany ny mpianatra avy amin'ny lisea sy ny Anjerimanontolo mihoatra ny iray hetsy ao Beijing. Misy ny mpianatra tsy faly loatra satria tsy maintsy manao mitabe avokoa ny mpianatra...

Sina: Fanomezan-danja ny fitiavan-tanindrazana Han

  22 Septambra 2009

"Tao anatin'ny Fandaharan'asan'ny antoko komionista sinoa, tsy ny foko vitsy an'isa ihany no tsy nanana zo ara-pivavahana fa ny avy amin'ny maro an'isa Han koa aza...Amin'ny maha teraka Han sy nanalehibiazana ahy teto Sina, tsy mahita izany antsoina hoe fitiavan-tanindrazana mihoam-pampana Han izany izahay!"

Fifaninanana lahatsary “Democracy Now Challenge”

  17 Septambra 2009

Roa volana lasa izay no namoahanay ny tantaran’ ireo nandresy tamin'ny fifaninanana “2009 Democracy Now Challenge” (haika ho amin'ny Demaokrasia izao) miaraka amin'ny lahatsariny tsirairay avy maneho ny dikan'ny Demaokrasia ho azy ireo. Ankehitriny moa dia mitsangatsangana mamakivaky an'i Etazonia mandritra ny roa volana mitsidika an'i Washington, New York ary...

Myanmar: Pôlitika vaovao mitaky ny fisoratan'anaran'ireo vondrona miady amin'ny VIH

  16 Septambra 2009

Ny Ministeran'ny Fahasalamana any Myanmar dia mitaky ny fisoratan'anaran'ireo vondrona miady amin'ny VIH raha te-hiasa any an-toerana ireto farany. Matahotra ny sasany sao dia ampiasaina "hifehezana" na hanimbana ny fahaleovantenan'ireo vondrona mpilatsaka an-tsitrapo any Myanmar ity pôlitikan'ny governemanta vaovao ilàna ny fisoratana anaran'ireo vondrona miady amin'ny VIH ity.