· Aogositra, 2009

Tantara mikasika ny Azia Atsinanana tamin'ny Aogositra, 2009

Shina: Voakombom-bava ve ireo mpitoraka blaogy Tibetana?

  31 Aogositra 2009

Somary mampatahotra ihany fa ny ankamaroan'ireo vohikala malaza amin'ny teny Tibetana mpampiantrano blaogy (afa-tsy iray ihany) dia tsy azo nidirana efa ho telo herinandro izao. Na dia efa mahazatra ireo vohikala amin'ny teny Tibetana mpampiantrano blaogy aza ny fiatona (indraindray noho ny “fanamboarana”) mandritra ny fotoana faritan'ireo manampahefana ho saropady...

Sina: Tanora iray voadaroka mandra-pahafatiny noho ny fiankinan-doha amin'ny aterineto

  21 Aogositra 2009

Tamin'ny volana ambony, ny Ministera Sinoa momba ny Fahasalamana dia nilaza fa ny fampiasana herinaratra [electroshock treatment] hitsaboana ny “fiankinan-doha amin'ny aterineto” dia tokony hatsahatra. Na izany aza anefa, tsy nidika izany fa ny toeram-pitsaboana mitsabo ny “fiankinan-doha amin'ny aterineto” dia nampitsahatra ny fampiasana fampijaliana.

Kambodza : Manontany ny Oliravin'ny vanja milevina

  20 Aogositra 2009

“ Mananjo ho tsara tarehy ny olona rehetra !” No nanombohan'ny Mpifaninana ho Oliravin'ny olona voan'ny vanja milevina ny taratasy misokatra nosoratany, izay fifaninanana natombok'i Morten Traavik avy ao Norvezy. Araka ny voasoratra ao amin'ny tranokalam-pifaninanana, hanomezana fankaherezana ireo mitondra takaitra noho ny vanja milevina sy hihaikana ny fijery ny...

Indonezia: Mipatitaka ny fampihorohoroana

  17 Aogositra 2009

Nibahan-toerana tamin'ny televiziona Indoneziana ny fifampitifirana teo amin'ny vondrona Densus 88 miady amin'ny mpampihorohoro, ny polisy andaniny ary ny ankilany kosa dia ny vondron'olona heverina fa tarik'i Noordin Mohammed Top sy ny tariny, mpampihorohoro tadiavina indrindra tamin'ny 8 aogositra lasa teo tany ambanivohitr'i Temanggung anivontanin'i Java. Teratany Maleziana heverina ho...

Japana: Lany tany Ishikawa ny fandrarana ny kilonga tsy hitondra finday

  15 Aogositra 2009

Sambany, lany tamin'ny 29 jona tao amin'ny prefekitioran'i Ishikawa (500 km/315 maily avaratr'i Tokyo) ny lalàna mametra ny fampiasana finday ho an'ny zaza sy ny kilonga hiditra amin'ny fahatanorana , naresaka tao amin'ny tontolom-bolongana ny adihevitra amin'izay sahaza sy tsy sahaza ny kilonga sy ny resaka fiantsoana finday. Hita ao...

Taiwan: Potiky ny rivodoza Morakot ny faritra atsimon'i Taiwan

  13 Aogositra 2009

Nandalo tany Taiwan ny rivo-doza Morakot ny 07 aogositra 2009 lasa teo. Nampirisika ny mponina tany amin'ny faritra avaratra hiomana amin'ny fiavian'ny orambe sy ny rivotra mahery ny biraon'ny famantarana ny toetr'andro tany an-toerana. Kanjo ny faritra atsimo no nitondra faisana tamin'ny tondra-drano sy ny fahasimban'ny fambolena raha nampitahaina tamin'ny...

Alzeria : Taorian'ny Fifandonan'ireo Sinoa sy Alzeriana

  13 Aogositra 2009

Niteraka fifandonana teo amin'ireo mpifindra monina sy ireo teratany alzeriana ao an-drenivohitr'i Alzeria ny fidiran'ireo mpiavy sinoa. Zato teo ho eo ny fitambaran'ny teratany sy ny mpifindra monina nifanandrina tamin'izany, ary nampiasa antsy sy fonjam-by ry zareo. Nisarika resa-be mikasika ny fampiasan'ny sinoa vola ao amin'ity firenena ity izany fifandonana...

Japan: Fisintahan'ny mpizahatany Japoney an'Italia

  07 Aogositra 2009

Lazaina fa nihena ny isan'ny mpizahatany Japoney nandalo an'i Roma faramparany teo. Tsy noho ny krizy ekonomika ihany fa eo ihany koa ny tolotra ratsy ataon'ny trano fisakafoanana sy fandraisam-bahiny italiana ary ny tahotra ho voaendaka valizy sy finday nahatonga ny Japoney hisafidy toeran-kafa voaary kokoa. Vao herinandro vitsivitsy izay...