· Febroary, 2009

Tantara mikasika ny Azia Atsinanana tamin'ny Febroary, 2009

Broney: Famatsiana ny tra-boinan'ny tondra-drano

  26 Febroary 2009

Satria singa iray ny ezaka fanangonana ireo fanomezana ho amin’ity famatsiana ity, dia narafitra mandritra ny herinandro vitsivitsy tao Brunei ny hetsika malala-tanana entina hamatsiana ireo tra-boina tamin’ny tondra-drano. Ny oram-baratra tamin’ny volana lasa teo dia nahatonga tondra-drano sy fihotsahan-tany tao amin’ny firenena, izay nandrava trano maro misy fianakaviana miisa hatrany amin’ny 200 no mihoatra, nahaverezana tany sy voly antapitrisany

Hong Kong: Miaro ny fahalalaham-pitenenana

  25 Febroary 2009

Mihoatra ny zato ny mpoina ao Hong Kong no nidina an-dalambe hanambara amin'ny hafa fa mihemotra ny fahalalaham-pitenenana any aminy tamin'ny 22 Febroary 09 lasa teo. Ny Citizens’ Radio no namolavola ny fihetsiketsehana ary notohanan'ny fikambanana mpiaro ny demaokrasia sahala amin'ny Save RTHK Campaign (fanentanana hiarovana ny Radio Televiziona Hong...

Mitsidika any Indonezia i Clinton

  25 Febroary 2009

Tonga tany Indonezia ny sekreteram-panjakana Amerikana  Hillary Clinton ny Alarobia lasa teo. Nanamafy ny “andraikitr'i Indonezia izy amin'ny fandraisana an-tànana ny olana amin'ny ankapobeny, ao anatin'izany ny fampihorohoroana, ny proteksionisma, ny fiovan'ny toetr'andro ary ny olana ara-toe-karena.” Indonezia no firenena silamo lehibe indrindra eran-tany ary fahatelo amin'ny demokrasia malalaka indrindra....

Shina: Manao atsangory eo ambozon'ny filoha Mao

  22 Febroary 2009

Tamin’ny 19 Febroary, dia mivezivezy aty anatin’ny aterineto ny sary izay mampiseho ankizivavy iray atao atsangory eo ambozon'ny Filoha Mao. Ekena fa sarivongana mijoro ao Plaza ao Hunan ilay nosoavaliny  , tanàna fiavian’ny Mao io. Kanefa, nvetivety monja dia nameno ny voalohan'ny takelaka maro ny sary, ary  nahazo tsikera miisa...

Japana: Fotoan'ny sery indray.

  22 Febroary 2009

Raha toa mantsy ka ny fitiavana ihany no mba eny ambonin’ny lanitra. Efa miiditra tsikelikely ny lohataona, ary ny manomboka miparitaka eny rehetra eny ny vovom-bony avy amin’ny hazo antsoina hoe Cedre. Nanomboka ho ofisialy toa Japan any Kafunsho (ny sery). Nohesorina ny sokola (chocolat) tsy lany tamin’ny andron’ny mpifankatia mba azahoana mahazo toerana hasiana ireo fitaovana hiatrehana ny Kafunsho toy ny: mosoara, ny aro-tava, ny hanitra mint atete sy ny maro hafa.

Brioney: ny dia amin'ny ankapobe

  20 Febroary 2009

Tahaka ny firenena manerana ny bolan-tany, tsy ho lany olona mazoto hanao fanamby ka hametraka ny firenena ao anatin’ny saritan’izao tontolo izao I Brunei. Iraka 2 no notanterahina.

Kambôja : nanokatra ny fitsarana manokana ny Khmer Rouge i Duch

  20 Febroary 2009

I Kaing Guek Eav, fantatra amin'ny anarana hoe Duch no nitsangana nanoloana ny fitsarana manokana izay tohanan'ny Firenena Mikambana hitsarana ireo mpamono sy mpandripaka olona tao amin'ny Khmer Rouge ao Phnom Penh. Izy no nitantana ny fonjan'ny Tuol Sleng Prison tao Phnom Penh, izay nahafatesana olona manodidina ny 12 000...

Sinoa: May ny CCTV

  20 Febroary 2009

Ny alin’ny 9 Febroary, tratran’ny afo ny ampahan’ny tilikambon’ny Ivo-toerana Televiziona Sinoa (China Central Television (CCTV)) rehefa nandrehatra afomanga entina hankalazana ny fankalazana ny fetin’ny arendrina ny vaomiera mpikarakara. Nahafatesana mpamono afo iray ny hain-trano araka ny tatitra, nandratrana olona fito, nandravana fitaovam-pampielezam-peo mitentina lavitr’isa Yuan maromaro (milliards). Nahatsikaritra ny...